Fitantanana ny renivohitra
Henjana ny raharaha eto an-drenivohitra. « Tsy handefitra manana ny rariny aho », hoy i Andry Rajoelina, mpitarika ny TGV, manoloana ny fanendrena sefom-pokontany ho ataon’ny « Préfet de Police ».
« Tsy afaka mibaiko ireto sefom-pokontany ireto intsony aho, satria olon’antoko izy ireo, ary fantatra fa nanohana kandida nandritra ny fifidianana ben’ny tanà na farany teo. Misy vola Ar 400.000 miditra amin’ny fokontany iray, nefa tsy misy miditra any amin’ny kaominina io. Maika ny fampandrosoana nefa izao no zava-misy eto. Tsy maintsy hajoro ny solontenan’ny ben’ny tanà na isam-pokontany. Tsy tia tanindrazana ireo minia manakana ny asa tokony holovain’ny taranaka fara-mandimby eto », hoy i Andry Rajoelina ben’ny tanà na eto Antananarivo renivohitra. Tao amin’ny fahita lavitra iray no nanambarany io ny alarobia teo. Niaiky ity ben’ny tanà na ity fa misy ny fingana atao aminy, mba tsy ahavitany asa ho an’ity renivohitra ity. Na eo aza izany dia hiezaka hamita ireo fampanantenana nataony hatramin’izay ingahy Andry TGV.
Ny fitaovana fanalà na fako dia ho avy tsy ho ela, ary hajoro ihany koa ny resaka sakafo amidy mora toy ny « tsaky popy » tamin’ny andron-dRadidy.
Raha hiverenana ity fanendrena « sefom-pokontany BIS » ity, dia efa naneho ny heviny manoloana io ny tompon’andraikim-panjakana, izay nampitandrina, fa fandikana lalà na ny fanaovana izany. Raha minia mikipy ny ben’ny tanà na, ho voasazy ve i Andry TGV ? Io sazy io no tsy fantatra fa mety hisy PDS vaovao indray angaha ?