Olona iray no nifidy in-droa. Io no votoatin’ny fitorian’ny kandida mpifanandrina amin’ny ben’ny tanana ankehitriny tany amin’ny kaominin’Ihorombe, distrikan’i Farafangana. Rahampitso alakamisy no ahafantarana ny marina momba ity raharaha ity. Teo amin’ny elanelam-bato 92 no nanasaraka ny vaton’ny ben’ny tanana ankehitriny Rasoa Florence Dorothee, sy ity kandida mpifanadrina aminy ity. Tsy nahita lesoka afa-tsy io olona nifidy in-droa io, izay tsy fantatra ny antony nahatonga izany ny maro, nandritra ny fifidianana izay ho ben’ny tanana farany teo. Manana ahiahy ihany anefa ny maro, amin’ity fitsarana hiseho rahampitso ity, satria efa namoaka vava sahady ingahy kandida araky ny vaovao voaray, fa tsy maintsy handresy amin’io rahampitso io. Manahy noho izany ny maro momba ity raharaha ity, satria na ilay ben’ny tanana amperin’asa aza dia tsilian-tsofina no nandrenesany io fitsarana rahampitso io. Ho hita eo ny tena marina momba ny tranga niseho any Ihorombe Farafangana ity.
Penjy R