Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 04h07
 

Malagasy

Rivo Lala Andriatina

Hiorina ny « Fifohazana Apokalipsy »

jeudi 20 mars 2008

« Ambarako mazava etoana fa hiorina tsy ho ela ny « Fifohazana Apokalipsy ». Eny Itaosy no hatsangana ». Rivo Lala Andriatina no nilaza izany omaly tamin’ny fihaonana nifanaovana taminy. I Rivo Lala Andriatina dia tsy iza fa mpikambana tao amin’y Fiangonana Apokalipsy eto Madagasikara izay notarihan’i Pastora Mailhol. Efa nilaza ny fialany tao amin’ity fiangonana ity izy tamin’ny volana jona 2007. Ary dia izao tapakevitra hanorina Fiangonana vaovao izao. Nilaza moa izy fa nahazo faminaniana avy amin’ny Fanahy « Adonai Elohim » izay azo adika hoe « Ilay Nahary ». Toy izao ny fanambarany. « Ho tsara sy hilamina ny eto amin’ny firenena amin’ity 2008 ity. Ny taona 2009 kosa dia hisy ireo olona vitsy hitarika korontana ka hiafara amin’ny fanonganam-panjakana (...) »

Ny momba an’i Pastora Mailhol dia nasiana teny manokana fa tsy mitombina velively ny filazan’ity farany fa izy no ho lasa filoham-pirenena.

Nangonin’i Herimanda R.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS