Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 01h51
 

Diaporama

Antsahamanitra, ce 09 janvier 2010

« Hetsiky ny mpitondra fivavahana »

lundi 11 janvier 2010 | Ra Bens

Portfolio

23 commentaires

Vos commentaires

  • 11 janvier 2010 à 10:49 | fandresena (#299)

    Vao nanomboka 17 Mars dia takatra fa « massacre des protestants » no hiafaran’ity raharaha maloto ity . Raha nanaraka tsara mantsy isika dia tena tsy levon’ny sekoly katolika mihintsy ny programam-pampianarana vaovao izay hita fa tena hafa ary tena hampandroso ny firenena . Ireny moa dia niafara tamin’ny fandorana ranoray ireo boky rehetra nokasaina hatao tamin’izany .
    Koa manentana ny Kristiana rehetra fa raha tonga ny fanenjehana ny Kristiana izay efa nahazatra ny FJKM satria Fiangoanana taranaky ny Maritiora izy ; dia tsy ho ny FJKM irery no hofongorana ao anatin’izany fa ny Kristiana rehetra . Mahavelom-bolo sy mahavelom-panatenana ny ho avin’ny Tanindrazana satria rehefa ny Kristiana no mirotsaka an-tsehatra dia tsy maintsy mandresy no dikan’izany . Koa mahareta ; Mivavaha ary miasà .Momba antsika Andriamanitra !

    • 11 janvier 2010 à 10:58 | rakoto09 (#1735) répond à fandresena

      Halte à toute mainmise de la religion
      sur la politique. Il faut renforcer un état laîc. Sans en arriver jusqu’à être marxiste « la religion est quand même l’opium du peuple ».

    • 11 janvier 2010 à 11:29 | Mandimbisoa (#2104) répond à fandresena

      Miarahaba,

      jereo ny soratro teo aloha, ny mpino hoy aho na tsy mpino no tao Antsahamanitra ,fa niara-nijoro ny samy Malagasy hanohitra ny tsy mety,

      Tsy ekena ny jadona sy famoretana , ny didi-ko fehy lehibe ,ary indrindra ny FANITSAKITSAHINA NY ZO maha-olombelona ny Malagasy

    • 11 janvier 2010 à 13:03 | saricine (#2893) répond à rakoto09

      Separation du pouvoir oui,mais il ne faut pas aussi se plesbisciter dans un LAICISME à outrance qui n’est autre qu’une sorte de camouflage au catholicisme , permettant au Pape la mains mises sur UN ETAT INDEPENDANT, SOUVERAIN, ET LAÏC, où la politique n’est plus qu’outil de façade

    • 11 janvier 2010 à 15:50 | rabri (#2507) répond à saricine

      Lu sur une autre source d’infos : « Mouvance des soutanes » à Antsahamanitra - Le Ku Klux Klan à Madagascar ?

      MDRRRRRRRRRRRRRRRRRRRRRRR !!!!!!!!!!!!!!!!!!

    • 11 janvier 2010 à 19:02 | RAVELO (#802) répond à rakoto09

      Au fait,l’aviez-vous dit,celà,à OMAR ?

  • 11 janvier 2010 à 11:39 | xena (#774)

    Ry pasitera kely very saosy no tena nameno toerana teny Antsahamanitra e !

    • 11 janvier 2010 à 14:01 | Rasoa (#1122) répond à xena

      Ary ny mompera sy ny odonyié foza be nahazo saosy tampotampoka ? Ireny ve mahafantatra izay atao hoe : zon’olombelona e !!! Ny zon’ny foza be sy ny foza orana be angamba mety ho fantany ihany satria ireny mi-tourne ! Normal raha tsy hita teny !!! Fozafoza toetra ohatran’i xena

    • 11 janvier 2010 à 16:50 | ny marina (#2755) répond à xena

      Ny pastera zay lazainao very saosy ry XENA tsy mba nitonatonana nitady ranomboakazo hosotroina eny Iavoloha t@ le 09 fa i Odon Razanakolona irery
      Tsy pasteur irery akory no tonga teny Atsahamanitra fa na izahay katolika tsy maivandoha ohatrany izay mpanaradia an’i Odon
      tsy manao Politika hono nefa notereny fermé ny ecole katolika t@ fotoanandrony nanomé baiko hoe grebve genera greve generale i radomelina
      Sa efa miakatrany any andoha mihitsy ny sperme
      Aleo manambady ihany raha olona efa tsy hahazo fanjakany lanitra toa izay ny loha mihitsy no hifangogoany sperme
      Izao indray mampmé fa nanoratra tany @ Papa ? mitady reconnaissance @ Papa ?

  • 11 janvier 2010 à 11:52 | RP Fihavanana (#3680)

    Tsy omena tsiny amin’izay mety ho fiheverana sy fandikana ny zava-misy ny tsirairay kanefa ny tokony ho tandrema dia ny fihetseham-po tsy voatandrina na ny saina tsy mandinika tsara satria na aty amin’ny sehatry ny fivavahana aza dia mety ho tonga ho loharanon’ny korontana sy ny fifandrafiana. Sanatria anie izany.

    Tokony hitandrina hatrany koa isika satria mety hisy olona irahina sy karamaina handranitra sy hampisavorovoro ka hampiteraka korontana eo amin’ny samy Kristianina, indrindra amin’izao hetsiky ny pasitora manentana ny vahoaka hiady amin’ny tsy rariny izao sy ny fandrenesana fa misy mompera avy ao amin’ny Katolika Romana mijoro sy manameloka ny tsy fanajana ny zo aman-kasina maha olona ary ny tsy fanajana ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahamarinana entin’izao fitondrana tsy ara-dalana izao.

    Farany, tokony hazava ao an-tsain’ny maro, indrindra fa isika Kristianina eny fa na isika katolika aza, fa amin’ny fampianaram-pinoana no hanekena sy hanarahana izay voalazan’ny Eveka. Fa amin’ny safidy politika na safidy hanehoan’ny kristianina tsirairay ny maha olom-pirenena feno zo azy dia anjaran’ny tsirairay sy ny conscience-ny no manapa-kevitra. Eo amin’ny sehatry ny fiaraha-monina sy ny toe-karena dia mazava be ny fampianaran’ny Ansiklika nanomboka tamin’i Papa Jean XXIII (Ansiklika Rerum Novarum) fa nitsikera ny tsy rariny sy ny fanaovana tsinontsinona ny hasina maha olona ny Fiangonana Katolika. Ka noho izany dia adidintsika Kristianina manara-dia an’i Jesoa Kristy ny manohitra ny tsy rariny, ny tsy fahamarinana izay miteraka ny fanaovana tsinontsinona ny hasina maha olona.

    Mankahery izay rehetra tapa-kevitra hijoro ho mpianatry Kristy marina. Miray dia isika.

    Mompera Fihavanana

    • 11 janvier 2010 à 13:19 | xena (#774) répond à RP Fihavanana

      Eny Mompera ! Misaotra anao Mompera !

    • 11 janvier 2010 à 17:34 | ton ami (#480) répond à xena

      Mba iza t@ ireo mopera katolika kay no sahy nanameloka ny nataon’ny HAT oe fanongananampanjana nataon’HAT isany ???????????????????????????

    • 12 janvier 2010 à 01:44 | xena (#774) répond à ton ami

      Ny mompera rehetra dia samy nanameloka ny habibiana vitan-dRavalo nandritra ny fito taona e ! Avy eo ny vahoaka iray manontolo dia nanohana ireo mompera ! Ireo vitsy an’isa kely very saosy sisa no mbola mifikitra amin-dRavalo tsisy loha !

    • 12 janvier 2010 à 08:03 | ton ami (#480) répond à xena

      Mba tanisao oe le habibina ry Xena , fa zay toa tsy mahafantatra koa !tsy fantatro sao mba ny lalana vita, ny orinasa nitsangana, ny fitazonana ny marina, ny fanomezana kit scolaire , ............ no atao oe habibiana ??????????? Ary le milaza hisambotra an’i Fetison misy loha ????????????

      Ary mba taiza izany olona nanohana mopera zany ?? aza mba manao resaky ny olon tsy nianatra fa asio porofo rehefa miteny .

      Plus vous inventez, plus vous êtes incrédible .

    • 12 janvier 2010 à 11:21 | xena (#774) répond à ton ami

      Vita tokoa ny lalana izay nanamora ny fanangonan-karenan’ny TIKO. Tafatsangana tetsy sy teroa ny orinasa goavana « TIMLAND » sy ny MAGRO, nanaovan-dRavalo sy ny forongony ampihimamba ny harenan’ny malagasy ! Nanaovana antojay ny mpiompy omby tany Vakinankaratra, nalaina an-keriny ny tanin’olona tany Alaotra ! Noroahina ny misionera katolika (P. Urfer). NOTIFIRINA NY OLONA TAMIN4NY VOLANA FEVRIER 2009. AMAN-JATONY NO MATY TENY AMBOHITSIROHITRA ! Sy ny sisa tsy ho voatanisa. Ireny rehetra ireny no nampihetsika ny vahoaka ka indro resy sady KO Ravalo sy ny forongony ! Resy sy very saosy ry pasitera kely isany !
      Misaotra an-dry Mompera aho nahay nanentana ny vahoaka hiaro ny FAHAMARIANANA.

  • 11 janvier 2010 à 12:11 | Ranarivelo (#3105)

    Bonjour tout le monde !
    Il n’y a plus de mot pour qualifier ce qui se passe chez nous à Madagascar actuellement, mais tout en mesurant attentivement et avec beaucoup de prudence ce que j’aimerais avancer ici, j’ai toujours peur de dire n’importe quoi car nous malgaches, c’est triste que nous avons perdu notre « Fahendrena » à cause certainement de la manière où ils nous menés nos politiciens successifs pendant toutes ces années après l’indépendance à ce jour,et qu’enfin nous n’arrivons plus à nous écouter mutuellement, donc à trouver la porte de sortie de la crise. Pire encore, la cupidité nous rend complètement fous,égoïstes, voire sans contrôle...Alors malgaches, regardons notre passé pour construire l’avenir, car la bataille (surtout économique)future ne nous ferons pas de cadeau en cette période de crise mondiale...Donc,Soyons unis car la lutte est commune et pensons à nos petits enfants ! Misaotra betsaka.

  • 11 janvier 2010 à 17:35 | rakoto09 (#1735)

    La primauté et la mainmise de la religion sur la vie politique est un vrai signe de sous développement. On ne peut que constater ce fléau dans nos pays pauvres du sud, monde musulman chrétien ou bouddhiste contrairement au monde riche occidentale qui est laïc de façon générale. Le sous développement est aussi mentale.

    • 11 janvier 2010 à 18:39 | Ramarolanoana J (#1663) répond à rakoto09

      Ce n’est pas très malin de la part de tgv de s’attaquer de front au fjkm. Staline lui même n’osait pas s’attaquer à l’orthodoxie en Russie et préferait corrompre ses membres et Tgv croît-il pouvoir gagner s’il s’attaque à cette église qui est bien encrée dans les hautes terres et derrière qui se trouve également le ffpm ? Par ses actes inconsidérés il ne fait que renforcer le fjkm et s’affaiblir du même coup. Que le DJ continue donc ses divagations pour hâter sa chute.

  • 11 janvier 2010 à 22:47 | Mahagaga (#3606)

    Marina fa resaka manahirana ity resaka fivavahana ity nefa kosa tokony jerena amin’ny maso tsy miangatra ihany koa ho antsika izay mitonona ho kristianina. Mba tazano fotsiny ny eto Antananarivo, raha mandehandeha ianao dia mahita taratra fa misy fanavaozana sy fanitarana avokoa ny ankamaroan’ny fiangonana fjkm ary ny maro amin’ireny no mbola eo andalampanavaozana mihitsy ka asa na mbola mitohy ny famatsiambola amin’izany na tsia. Maro koa ireo famatsiambola azo indrindra fa ny momba ny ady amin’ny sida ary ny ong fjkm no maro nahazo ireny projet ireny sy ny famantsiambola tamin’ireny fotoana ireny. Tsy mahagaga àry raha toa ka miakatsehatra ireo pasitera ireo satria tapaka avokoa ireo famatsiana ireo, ary matahotra fa tsy ho vita ny fanavaozana ny fiangonana fa tapaka ny famatsiana, tahaka izany koa ireo ong ireo izay finaritra nitavana fotsiny tamin’ireny famatsiambola ireny fa tsy nisy akory ny tena vokatry ny asa izay natao. Tsy hadino moa ireo izay efa nahazo tombony tamin’izany fotoana izany, ka mahatsiaro fa manana trosa amin’ilay rangahy nanome vola tsy toko tsy forohana ireny.
    Fa ireo fiangonana fjkm tsy mba misy fanavaozana na fanitarana kosa dia ireo fiangonana izay tsy dia mifanaraka amin’ingahy mpamatsy vola iny ka tsy nahazo ny tolotra fanavaozana ny fiangonana. Ireo no tena manao ny asa fitoriana ka mandeha amin’ny lalan’ny fahamarinana sy ny filazantsara. Enga anie ho maro izy ireo.
    Asa moa no ilazana izany, fa toa ny vola no mibaiko ny fiainam-piangonana amin’izao fotoana izao. Koa ilana fitandremana fatratra izany.
    Samia àry mahereza daholo ary dia ento ambavaka indrindra ny fiangonana sy ny mpitondra fivavahana mba ho tena fahazavana marina izy ka tsy hanaiky hatao fitaovana hitarihana ny ratsy eto amin’ny firenena.

    • 12 janvier 2010 à 08:23 | ton ami (#480) répond à Mahagaga

      Toa Mahagaga ihany,

      Raha ianao mahay mitsikera ny FJKM ary ny tinao ambara dia oe nanome vola io fikambanan io SEM Ravalomanana t@ projet sida, ................ aza miodikodina fa tonga de ahitsio ny resaka.

      Tsy manda izany ny tenako satria izay ny mba motivation omeny satria FJKM izy, saingy aza adinonao fa ny Katoloka anie ka voalohany @ filaharan’ny fiangonana manambola indrinbdra eran-tany !!!!!!!! avy aiza ary ireo vola ireo ???????????? raha tsy hilaza afa tsy ny CRS fotsiny, ..................

      Koa satria ve sahy mijoro ny fiangonana FJKM hanohatra ny tsy mety de avadikao any @ resabola le izy ????? raha tena mpanompon’Andriamanitra marina ! na misy vola na tsisy vola ! tsy vmaintsy tenennina ny marina.

      Fa tsy atao otry ny an’i Odona fa na izy aza tsy nanameloka ity ondriny nania satria te hiaro ny tombotsoan’ny Katolika ????????????????????

      Mbol averiko aminao indray oe iza ny mpitondr aktolika sahy nanameloka an’ny FAT nandritra ny fandrobana, fandorana, fakana ankeriny fahefana ??????????????? IZA ,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,

      Tsy mahagaga

    • 12 janvier 2010 à 14:58 | xena (#774) répond à ton ami

      Olona manao ny tsara ve ny FAT, ry vendrana, dia ho melohina ? Mba misaina e !

  • 13 janvier 2010 à 06:57 | Rivoson tina (#1011)

    oh ry « mon ami » a !
    Hianao zany mazava ho azy fa isan’ny FJKM no-motiver-ndRa8 araka ny fijazanao...fa angaha moa ry « mon ami » FJKM ihany no malagasy hiandraiketan’ny Filoham-pirenena satria FJKM izy ? Tsy mba malagasy tokony tohanana mihitsy izany ny Jesosy Mamonjy-MRE-Slamo-Boudista-mpanompo sampy-Rhema-Arapilazantsara-Assemblée de Dieu-FKPMV-FPVM-Mormon-Katolika ary mbola misy tsy hita isa ny karazam-pinoana tena halan’io ra-8 mpanam-bola io... fanomezana avy any ivelany na vola samborin’ny Malagasy rehetra hampandrodoana an’i Madagasikara ho an’ny Malagasy rehetra dia viran’io ra-8 io ny mizara izany hoan’ny fjkm izay sahy misolelaka an-dra-8, fa izay tsy misolelaka tsy omeny, ny fjkm izay hitany fa dondrona tsy mahalala hafa tsy ny MITORY NY MARINA ARAKA NY BAIBOLY dia tsy zakany satria izy dia manompo OSY : marikorioko...hum ??? Loza. Ka i « mon ami » dia sokafy ny maso manomboka izao ary raha mbola tsaroanao fa jamba hianao dia mandehana mitady an’i Jesosy Mpamindrafo hampahiratra ny masonao dia izay hianao vao tena hahita... saingy tandremo indray sao mbola miteniteny foana na miteny ratsy fa ho jamba tanteraka eo indray an ! Aoka ho lazaikoan’i « mon ami » fa raha nisy olona 10 tia an-dra8 : izaho no faha iraika ambiny folo ary raha tsy misy ireo 10 ireo dia izaho no voalohany sady nivavaka ho azy mba ho tonga eo amin’ny toerany ra-8 : fa loza !!! vao azony ny sezany dia aoka ho fantatrao fa izao no nenjehiny voalohany ary tsy namelany raha tsy nigadra...satria nilaza taminy hoe :ny FAHAMARINA teneno ihany fa ny FAHAMASINANA aza tenenina intsony satriA sao MALAHELO ANDRIAMANITRA... fa iza moa no Masina ? Nihivingivina rangahy dia boramena satria nambara taminy ny TEANA MARINA ka tsy zakany...Hianao koa mba tiako hijoro tahaka ahy raha sahy fa aza mijery harina an-tava : ny fjkm ange ka tena vola no nataony andriamanitra raha niaraka tamin-dra-8 izy e ! ary na dia fantatry ny fjkm aza fa sampy no notomoin-dra8 dia tsy hitan’ny fanahy tao aminy intsony izany fa VOLA...VOLA...VOLA... MAMÖNA...MAMÖNA...MAMÖNA... ka raha mbola te-hanohy izany ihany ny fjkm sy ianareo rehetra légalistes indrindra moa hianareo rehetra fahavalon’dra8 toa an-dRatsira-kistes sy zaf-faires-istes sy ry satr-bory s n s... tohizo... afo nadoro ny lambako io ka ialàko toy ny fasam-bao... tandremo sao dia tezitra fa ny ahy dia ny marina no lazaiko... zakanao tsara ary raha tsy zaka dia vavaka atao e ! Homba anareo ny Tompo...!

  • 13 janvier 2010 à 07:22 | Rivoson tina (#1011)

    Misy artikla ity : jereo tsara

    «  »"Mitady hosamborin’ny FAT koa ireo mpitarika ny hetsiky ny mpitondra fivavahana

    Dia nilaza ireto Pastora ireto fa “tsy matahotra ary hijoro ho vavolombelona hatramin’ny farany.
    Manomboka amin’ny fisamborana an’ireo izay tsy mitovy hevitra aminy sy izay mahasahy miteny manoloana ny zava-misy ankehitriny ny fitondrana FAT. Fantatra koa izao fa nahazo fandrahonana fisamborana ireo Pastora mitarika ny hetsiky ny mpitondra fivavahana. Telo lahy ry zareo no voakasik’izany. Mbola feo mandeha fotsiny anefa fa tsy mbola nisy filazana fanamafisana nataon’ny ao amin’ny FAT na izay tomponandraikitra amin’izany. “Misy fampiantsoana anay any amin’ny Fampanoavana izany, hono, fa tsy mbola voaranay fa mbola feo mandeha fotsiny” hoy izy ireo raha nanontaniana ny momba an’izany nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Foiben’ny FFKM etsy Vohipiraisana omaly. Dia nilaza ireto Pastora ireto fa “tsy matahotra ary hijoro ho vavolombelona hatramin’ny farany. Mpitondra fivavahana milaza izay tsy mety amin’ny fitondrana ny firenena ve dia hosamborina. Mino izahay fa misy olon-kendry eto ka tsy hanao an’izany” hoy ireo. Notanisain’izy ireo tamin’ity fihaonana tamin’ny mpanao gazety ity avokoa ireo heverin’izy ireo fa tsy mety. “Mety ve ny fakana hetra amin’ny fiangonana ? Mety ve hoe misy fampahalalam-baovao samy manao fandaharana iray mitovy ka ny hafa akatona sy samborina ny mpanao gazety fa misy kosa ireo afaka manopa olona anaty radio ? Santionany nambara sy nohamafisina indray ireo omaly. Notsindrian’izy ireo mafy koa fa adidin’ny mpitondra fivavahana ny mijery sy manara-maso ny fiainam-bahoaka. “Ny mpitondra fivavahana tsy mijery ny fiarahamonina sy izay manjo ny vahoaka dia mampieritreritra ny hilaza azy hoe mpitory ny filazantsara” hoy ry zareo. Amin’ity herinandro ity indray no nilaza hanao hetsika ireto mpitondra fivavahana ireto ka ho hita eo izay fandehany.«  »« Misy fomba fanaon’i Davida Mpanjaka fahizay, raha hiady izy, dia manontany an’i Jehovah Andriamanitra aloha : manaiky Jehovah dia lasa miady izy ary mandresy, fa raha manda Jehovah dia mijanona izy na dia efa eo an-tanàna aza ny fahavalo ; ary Andriamanitra no mampangina ireo fahavalo ireo... Inona no tiana ambara : ry Mpitondra fivavahana ô ! hanontanio aloha Andriamanitra e...! izay ihany. Mba fantatrareo moa fa tamin’ny andron’i Jeremia koa dia nasian’Andriamanitra mpaminany sandoka ? ary nampitondra faisana ny Zanak’Isiraely ny vokatr’izany ? sao sanatria hianareo natao »hitsikitsika indray no lasa mpapango..." ho diso fanantenana ange ny vahoaka ampivavahanareo dia ho loza e ; ra-8 tsy eo aminareo intsony fa efa lasa nanao orinasa goavana any afrika atsino satria nentiny any daholo ny vola norobainy tao amin’ny Fanjakana izay najakany, tsy afaka hanome anareo intsony satria hianareo efa niha-vitsy tsy azony antoka intsony ; ny vahoaka ampivavahanareo izay tokony hamelona anareo satria ny mitory ny Filazantsara dia velomin’ny filazan-tsara tsy hanome vola anareo intsony satria efa tofoka aminareo... diniho tsara ange fa tena GRAVE... diniho lalina dia lalina fa sao dia vao maika hahantra eo nareo ary raha higadra tokoa ange nareo toa an-dry Paoly sy Silasy ary ry Petera satria nitory ny marina izy ireo tsy maninona fa Avotan’Andriamanitra foana, fa ny anareo dia DITRA TSOTRA IZAO no idirana am-ponjA... koa Andriamanitra hamonjy anareo ao ??? zzzzzzafady... tandremo... tandremo... tena vavaka re olona atao fa tsy vavabava-poana e ! Izaho moa dia mampitandrina hatrany na zakanareo na tsia... ZZZZay ...!!

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS