::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 23h13  :  21°C  :  Nuageux
lundi 13 février 2012
 

 > Malagasy

Toetr’andro

Herinandro tena hangatsiaka

mercredi 16 juillet 2008, par Herimanda R.

« Tsy tokony hahagaga ny fiovaovaon’ny toetr’andro eto amintsika. Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina ny eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Misy ny fitenenantsika manao hoe tsy mena-mivadika toy ny andro ririnina ». Na izany aza mbola haharitra telo andro eo ho eo ny hatsiaka mamirifiry. Fanambaran’ny teknisiana mpamantatra ny toetr’andro eny Ampandrianomby izany raha nanontaniana izy ny amin’ny toetr’andro ankehitriny izay toa mivadibadika be ihany. Mbetika mangatsika, mbetika mafana. Toy izao ny fanazavana ara-teknika nentiny. "Misy ny rivotra avy any atsimo atsinanana antsoina hoe Alizay. Amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina dia mitondra rivotra izay sady mangatsiaka no mando izy io.
Rehefa mitsoka ny Alizay dia saiky mandrivotra avokoa eraky ny faritra maro manerana ny Nosy, indrindra fa any amin’ny faritra avaratra. Misy ihany koa, ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina ihany, ny antsoina hoe « système dépressionnaire » izay mitondra hafanana. Ireo tranga ireo no mifandimbidimby ka mahatonga ny andro mbetika mangatsiaka mbetika mafana".

6°C - 20°C

Amin’izao fotoana izao, manodidina ny 10 ka hatramin’ny 12°C ny maripana ambany indrindra, 19°C no ambony indrindra ho an’ny eto Antananarivo. 6°C ka hatramin’ny 8 °C ny ambany indrindra, 21 °C ny ambony indrindra ho an’ny Faritra Vakinankaratra. 16°C - 20°C no ambany indrindra ho an’ny Faritra Atsinanana, miainga eo Antsiranana ka mipaka hatrany Tolagnaro. 16 °C-19°C ho an’ny Faritra andrefana, avy eo Toliary hatrany Mahajanga. Nambaran’ny teknisiana avy etsy Ampandrianomby fa mbola hitoetra eto amintsika ny Alizay ao anatin’ny 3 andro. Hitohy hangatsiaka arak’izany ny toetrandro indrindra ho an’ny eto afovoan-tany.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

juin 2008   juillet 2008   août 2008
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 281  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360