Madagascar Tribune | Handray anjara ny mpanohitra
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
vendredi 9 mai 2008
 

 > Malagasy

Fifidianana loholona

Handray anjara ny mpanohitra

mercredi 26 mars 2008, par Naivo kely
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

Aleo loholona toy izay mpanolontsaim-paritra. Ho avy tsy ho ela ny fifidianana izay ho loholona eto Madagasikara ka mpividy vaventy no handray anjara amin’io. Ny ben’ny tanàna sy ireo mpanolontsaim-paritra vao lany teo no hanefa izany adidy masina izany, ary io hiarahana mahita io ny isan’ny olon’antoko mandrafitra izany.

Fantatra izao fa tsy vitsy ireo kandida avy amin’ny antoko mpanohitra no hisedra ny safidin’ireo mpifidy vaventy ireto. Isan’io ireo loholona mbola amperin’asa hatramin’izao. Ny fandresen-dahatra ireo olona hifidy amin’io daty io no tena himasoan’ny tsirairay. Tsy maintsy handeha ny fanambazana vola be ho azy ireo raha te ahazo ny seza etsy Anosy. Misy koa ireo antoko hafa vonona ny hirotsaka ho fidiana izay mbola ao amin’ny mpanohitra ihany. Tsy hisy kosa ny fifanohanana amin’ny mpanohana ny antokon’ny filoha, dia ny TIM izany. Ny antony dia samy handray anjara avokoa ny TEZA, AME, Grad Iloafo, ny Arema matotra. Izay tsy milatsaka miandry ho tendrena. Ny ao anatin’ny TIM kosa dia maro no heverina fa hilatsaka amin’ny anaran’ny tsy miankina, satria mety tsy ho arotsaky ny antoko. Ho hitantsika atsy ho atsy izy ireo.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    mars 2008   
    L Ma Me J V S D
              1 2
    3 4 5 6 7 8 9
    10 11 12 13 14 15 16
    17 18 19 20 21 22 23
    24 25 26 27 28 29 30
    31            
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP