Hamokatra horonan-tsary iray ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena Malagasy (Men) ho entina mampahafantatra ny dingana vita ankehitriny ho fanatanterahana ny « Sekoly vaovao ho an’ny rahampitso ». Halefa sy haseho any Oslo, renivohitr’I Norvezy izy io mandritry ny fivorian’ny antsoina hoe « Groupe de haut niveau » izay karakarain’ny UNESCO izay tanterahina any amin’io firenena io ny 16 ka hatramin’ny 18 desambra ho avy izao.
Ity horonan-tsary ity, araka ny voalaza, dia mampiseho indrindra ireo asa natao amin’ny fametrahana ny rafi-pampianarana vaovao eto Madagasikara.
Handray anjara mavitrika amin’io fivoriana io isika. Zatovo 6 mianadahy no hisolo tena ny firenena malagasy. Hifandinika sy hifanakalo hevitra amina zatovo norvezianina tahaka azy izy ireo. Ho resahina amin’izany ny manodidina ny sekoly lafatra sy ny mpampianatra lafatra (good school, good teacher).
Tamin’ny herinandro lasa teo, noraisin’ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena ireto tanora hisolo tena ny mpianatra namany. Hiara-dia amin’ireo namany norvezianina mitovy taona aminy mandritra ny dimy andro izy ireo ka hanolotra ny vokatry ny dinidinika hataony miaraka ho an’ny Ministry ny Fanabeazana norvezianina sy malagasy.
Voarakitra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’izy ireo ihany koa ny fitsidihana sekoly Fanabeazana Fototra maromaro, ny tanàna sy toerana manan-tantara ary mpanao asa-tànana malagasy.