Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 5 mai 2024
Antananarivo | 20h15
 

Fanambarana

Hafatra avy amin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana

samedi 21 mai 2011 |  1620 visites 

Hafatra

« Ry Mpïambina o, toy inona alina moa izao ? » (Isa 21/11) : Tsy fotoanan’ny fitarainana sy ny fahakiviana ary ny fiheveran-tena ho resy izao, fa fotoana hametraham-panontaniana ny amin’ny fipetraky ny toe-draharaha eto amin’ny firenena ka hanairana ny tena sy ny hafa mba hahatakatra fa « mbola maizina ny andro ». Tsy tapi-dàla-kaleha fa vonona hiandrandra ny maraina ka miasa sy mijoro amin’ny fahamarinana mba hahatanteraka izany haingana.

Adidy lehibe mipetraka eo ambony sorokay Mpitondra Fivavahana ny mitaona ny mpiara-belona aminay mba tsy ho kivikivy foana manoloana ny zava-tsarota iainana an-davanandro ka ilazanay indray hoe : « Avy ny maraina » (Isa.21/12a) : ho an’izay rehetra miraviravy tanana sy mahatsiaro ho voageja sy nalaina ny fahafahany, ho an’izay rehetra manan-kavana maty sy naratra, kilemaina, nigadra, sesi-tany sy mandositra ; eny ho an’izay rehetra mahatsiaro fa « mbola maizina ny tany », na inona na inona firehana sy fiandaniana ; fotoana hitrakana sy handavana amin’ny Anaran’ny Tompo izay rehetra tsy rariny izao.

Nefa adidinay koa ny milaza hoe « Avy koa ny alina » (Isa21/I2a) :Tsy mampisalasala kely akory ny manambara hoe : « Ho vita ihany ny anio fa ny rahampitso no tsy laitra » :Ambaranay fa izao lalana itondrana antsika rehetra izao dia azo lazaina hoe « manorina trano ambony fasika » ka hirodana raha vao sedrain’ny sarotra (cf Mat.7/27)

Firenena haorina eo ambony fihavanana sa ambony fifidianana no ilain’Andriamanitra hitahiany antsika : « Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina. Fa voadidin’I Jehovah ho eo ny fitahiana » Sal.133

Aminay Mpitondra fivavahana dia ilaina ny fifidianana mba hahazoana mizara ny andraikitra sy ny adidy, ho an’ireo Havana, mihevitra hitondra ny talentany ho an’ny firenena. Nefa moa ve ho azo antoka ny hisian’ny fifidianana madio tokoa nefa.tsy avela hiteny sy haneho hevitra an-kahalalahana ny olona na itadiavana hevitra tsy ahazoany mandray anjara ny hafa ! Tsy ho vaha-olana ny fifidianana amin’izay fa fampanekena an-terisetra mba hilaminana eo ampiandrasana ny Krizy manaraka.

Koa manao antso avo amin’ny Mpiray tanindrazana rehetra izahay, Mpitondra Fivavahana, mba hifanantona sy hifampibebaka ary hihavana fa ampy izay ny fiheveran-tena ho marina : Tsy misy marina na dia iray akory aza “ hoy ny Soratra Masina. Ny fifamelana dia mila fibebahana ary ny olona niady no mihavana fa tsy ireo efa tsara fihavanana sy mpiray donak’afo. Koa aoka samy hahatsiaro tena fa ho entina aiza ny tanindrazantsika ?

Aoka izay ny fikirizana fa tsy avy amin’Andriamanitra izany, izay mihevitra ny tenany ho manana alahelo amin’ny namany aza no tokony ho vonona « hanao izay hihavanana » (Mat.5/24). Firenena miorina eo ambony vatolampy ny firenena miorina eo ambony fivavahana ka mafy orina, satria izany no sitrapon’Andriamanitra ! Mbola vonona hatrany izahay hanohy ny asa efa natomboka sy hiara-miasa amin’ny rehetra raha « fifamelana – fibebahana – fihavanana » lavitry ny ady seza no ho resahina !

«  Tsy hangina Aho noho ny amin’ny Ziona ary tsy hitsaha-miteny aho noho ny amin’ny Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany, tahaka ny famirapiratry ny mazava  » (Isaia 62/1).

Ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana

14 commentaires

Vos commentaires

  • 21 mai 2011 à 08:08 | N.R. (#2958)

    Voalohany tokony hihevi-tena ianareo mpitarika HMF ireto fa mampalahelo ireo ondry iadidianareo. Tonga amin’ny voalazan’ny filazan-tsara manao hoe : « Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy ! Fa arindrinareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra ; fa hianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra »

    Afangaronareo politika ny filazantsara ka na ianareo aza tratry ny sangodim-panina. Hafatra iray no ndeha sintonina amin’ny hafatrareo :

    TSY MISY MARINA NA DIA IRAY AKORY AZA

    • 23 mai 2011 à 16:48 | RASOLOBE (#5251) répond à N.R.

      Miditra an-tsehitra indray ireo mitonontena ho mpitondra ny tenin’Andriamanitra,mifangaro vorika ny politika sy ny fivavahana,samy manao izay ho hafany ireo mitonontena ho mpitarika sy mpiandry ondry,ny mpanao politika mifanaritaka @ adi-hevitra sy ny fandresena lahatra:kabary ambony vavahady hanamafisana seza sy hitadiavana tombotsoa,tonga koa ireo mpitondra ny tenin’Andriamanitra manao izay ho hafany @ fomba isankarazany eny fa na dia fomba mamoa fady sy mifanohitra@ maha-olona aza izany.Dia mifanjevo eo isika mianakavy ,ny fotoana mandeha ,ireo ondry dia very dia tanteraka fa difotra ao anatin’ny fahantrana ,na ara-tsaina ,na ara-panahy,indindra indrindra moa ny ara-mofo ;dia hoy ingahy pasy rehefa alahady :tsy ny mofo ihany akory no hivelomana fa ny tenin’Andriamanitra no tena mofo mahavelona, ny rakitra anefa @ izany tatazana ihany , misy maromaro mandritran’ny fotoana fivavahana.Dia voky sy azo antoka ny ara-mofo ny an’ingahy Pasy satria karama io,dia hoy izy hoe :ny fahasoavan ’Andriamanitra no nahatonga izao.Ireo ondry ao ambala dia jamba tanteraka sy difotra ao anaty fahantrana ka tsy mahita intsony izay lalana ho aleha,maniry tahakan’ny bozaka ireo sy antoko-mpivavahana ka samy manao izay ho afany hitarihana ireo ondry (Omby mahia be tandroka ,mitondra ny tsy eran’ny aina).Ny ho hanina androany tadiaviana rahampitso,izay ho harapaka rahampitso tsy fantatra intsony,dia mandry fotsy eo ny ondry madava-toana.
      Ampy angamba izay fa dia ireo mana-panahy no mihevera sy mandiniha-tena.Dia tohizo ny hetsika fa miandry anareo ireo ondry very dia.

  • 21 mai 2011 à 19:42 | rakoto manitra (#5639)

    Rtoa na Atoa N.R.

    Tsarovy, tompoko, fa tsy anjely tsy akory ny « Mpitondra Fivavahana » fa olombelona toa anao, koa manana ZO toa anao, ZO iantohan’ny Lalàmpanorenana : haneho hevitra, hanao fihetsiketsehana, hanana fironan-kevitra, sns.., TOA ANAO ! Koa tsy misy fotokevitra azonao ampiasaina hanapanam-bav azy ireo ! Raha ireo no mangina dia ny vato no hiantsohantso (Liok 19, 40). OLOM-PIRENENA IREO MPITONDRA FIVAVAHANA IREO KA TSY AZON’IZA NA IZA TAMPENAM-BAVA !

    TSY AZO TAMPENAM-BAVA koa izy ireo amin’ny maha Mpanompon’Andriamanitra azy ireo. Faharesen-dahatr« ireo Mpitondra Fivavahana ireo ny hoe : »Ampitondrain’ny Tompo hafatra izy ireo« , inona izany hafatra izany ? Hoy Isaia ao amin’ny Isaia 58, 6 : »Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako : dia ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin’ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra ?« . Tsy afamiala amin’izany »iraka« (mission) ampiandraiketin’ny Tompo azy izany ireo Mpitondra Fivavahana ! Ary tsarovy, ry N.R. fa »iraka politika« (mission politique) io ampanaovin’ny Tompo azy ireo izany ary mainka ny »ONDRY« vao tena hampalahelo raha tsy mahatanteraka io »MISSION POLITIQUE« io ny Mpitondra Fivavahana ! Asa izay Filazantsara lazainao sy inoanao fa toa »filazantsara hafa" (vakio : Galatiana 1, 6. 8. 9) izany heverinao sy inoanao izany !

    Tsarovy fa rehefa « tsy manafaka » ny fivavahana dia manjary « gadra » sy « fandrendreham-bahoaka » hihazonana ny Ondry tsy hihetsika fa ho mora « hetezana » (hahazoana ny volony) sy hovonoina ho hanina ! Izao KRIZY iainana izao dia tsy mamela ny Tompo sy ny Mpanompony hanakimpy ny masony amin’ny fijalian’n Ondriny ! Heveriko aza fa tsy tena bola mahatontosa ny adidiny amin’ny fijoroana ho tena Mpanompon’Andriamanitra ny H.M.F. noho ny mety ho fisisihan’ny tahotry ny ho voasambotra sy hahiboka am-ponja, nefa dia izay no maha olombelona azy ireo !

    Koa mampirisika sy manohana ny H.M.F. handroso hatrany ary manaitra ireo Mpitondra Fivavahana hafatsy mbola mahatsiaro ny « mission » takin’ny Tompo aminy tsy ho variana « hifantina sy hihinana ny Ondry matavy » fotsiny fa mba hanafaka ny ondry tadiavin’ireo Jiolahy Mpanonga-panjakana harapaka !

    • 22 mai 2011 à 07:13 | N.R. (#2958) répond à rakoto manitra

      Tsy manome tsiny anao aho noho ny tsy fahafantaranao. Aoka kosa anefa tsy animbinana na avadika ny fampianaran’i Jeso Kristy. Ny FIDERANA an’Andriamanitra no tian’i Lioka ambara eto fa tsy ny fiandaniana ara-politikan’ny HMF akory, koa manasa anao hamaky tanteraka ny voalaza ao :

      >>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>
      36 Ary raha nandeha Jesosy, dia namelatra ny lambany teny an-dalana izy lreo.
      37 Ary rehefa nanakaiky Izy ka tonga teo am-pidinana amin’ny tendrombohitra Oliva, dia nifaly avokoa ny mpianatra maro be ka nidera an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery noho ny asa lehibe rehetra izay efa hitany
      38 ka nanao hoe : Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah. Fiadanana any an-danitra, ary voninahitra any amin’ny avo indrindra.
      39 Fa ny Fariseo sasany, izay teo amin’ny vahoaka, nanao taminy hoe : Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao.
      40 Fa Izy namaly ka nanao hoe : Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso.
      41 Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy
      42 ka nanao hoe : Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin’ity andro ity aza izay momba ny fiadanana ! - fa ankehitriny miafina amin’ny masonao izany.
      43 Fa ho avy aminao ny andro izay hananganan’ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina
      ka hanidy anao manodidina
      44 ary hamongotra anao hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin’ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao.
      45 Ary niditra teo an-kianjan’ny tempoly Jesosy, dia nandroaka izay nivarotra
      46 ka nanao taminy hoe : Efa voasoratra hoe : Ny tranoko dia trano fivavahana (Isa. 56. 7) ; fa ianareo kosa nanao azy ho zohy fieren’ny jiolahy (Jery. 7. 11).

    • 22 mai 2011 à 07:23 | N.R. (#2958) répond à rakoto manitra

      Tsikaritra mazàva fa nahazao fampianaran-diso ianao :
      Ny Galatiana Tompoko tsy « filazantsara » fa epistily.

    • 22 mai 2011 à 08:43 | ikoto (#4912) répond à N.R.

      Tsy hisalovana andRakoto Manitra aho na hiaro azy bontolobe fotsiny, fa mahay miaro ny heviny izy, fa ianao kosa ry N.R. no tsy mamaky tsara izay laziny. Tsy milaza izy fa « filazantsara » ny Galatiana, fa ao amin’ny Epistily nosorata’i paoly apostolin’i Jesoa Kristy ho an’ny Galatiana toko 1 ka ao amin’ireto andininy manaraka ireto : faha-6 sy faha-8 ary faha-9 dia ahitana ny teny hoe « filazantsara hafa » ! Indro ary iverenako adika eto ireo toko sy andininy ireo :

      - And. 6 : Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin’izay efa niantso anareo tamin’ny fahasoavan’i Kristy ho amin’ny « filazantsara hafa », (aoka hotohizana amin’ity And. 7 ity izay tsy azo sarahina amin’ny And. 6 : "izay tsy filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran’i Kristy.)
      - And. 8 : Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory « filazantsara hafa » aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona.
      - And. 9 : Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny : Raha misy olona mitory « filazantsara hafa » aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy.

      Izao mantsy, ry N.R. : ianao izao dia manana izay fomba « amakianao » ny Baiboly, Rakoto Manitra koa manana izay « famakiany » azy io, ny an’iza no « marina » ny fomba « famakiana » ny Baiboly ? Tsy hoe mandrisikaanareo hiady hevitra eto aho fa tsy ho voatery ho « tsy maintsy marna » tsy akory ny anao ! Fa ny ambarako aminao, rehefa nandinika ny ambaranao ery ambony aho, dia izao : amnao ny « Mpitondra Fivavahana » dia tsy tokony « hanao politika », Rakoto Manitra nefa miaza fa « mission politique » no ampanaovin’ny Tompo ny « Mpitondra Fivavahana », toy ny maha « mission politique » ny iraka (mission) nampanaovin’ny Tompo an’i Msesy nirahin’ny Tompo « hanaisotra ny Zanak’i Israely » amin’ny fanandevozan’i Farao sy ny Egyptiana ! Ekenao ve alohaizay « mission politique » izay ? Tsy hanery anao hanaiky aho fa ny hoe « politique » eto dia « dans le vrai sens du mot » na koa « dans le sens noble du terme » : « politique » = f« ikendrena ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka ao amin’ny tanàna na firenena » fa tsy « fitadiavan-tseza » araka izay mety ho fiheveran’ny maro izany !

      Koa raha niteny ny Tompo tamin’i Mosesy, ao amin’ny Eksodosy 3, 7 - 10 hoe : "Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ny mpampiasa azy ; eny, fantatro ny alahelony ;
      dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin’ny tanan’ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin’izany tany izany ho any amin’izay tany soa sy malalaka, dia any amin’izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin’ny tanin’ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita. Ary ankehitriny, indro, ny fitarainan’ny Zanak’Isiraely dia efa mby atỳ amiko, sady efa hitako koa ny fahoriana izay ampahorian’ny Egyptiana azy. Koa avia ankehitriny ianao hirahiko ho any amin’i Farao hitondra ny Zanak’Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta".

      Koa ny « Mpitondra Fivavahana » dia tsy araka izay mety iheverantsika azy toy ny hoe mandohalika lava, mitoriteny hamonjy ny « fanahy » fotsiny, fa TENA IRAHIN’NY TOMPO HANAFAKA NY VAHOAKA AO AMIN’NY FNGEJANA POLITIKA mihitsy, koa « iraka politika » tokoa no anirahin’ny Tompo azy ireny fa tsy « famonjena » ny ilany « fanahy » fotsiny, famonjena ny OLONA MANONTOLO !

    • 22 mai 2011 à 11:23 | rakoto manitra (#5639) répond à N.R.

      Tompoko,

      Tsy hoe tsy te-hamaly na tsy afaka mamaly anao aho fa tsy mety lasa ato @ ity sehatra ity ny valin-teny ho anao. Asa, sao sivanina na sakanana tsy alefa ! Koa miala tsiny fatratra. Efa hitanao angamba iry fanontaniako ny amin’izany nalefako any @ « Modérateur » !

      Misaotra sy mankasitraka anao, Tompoko !

    • 22 mai 2011 à 14:08 | N.R. (#2958) répond à ikoto

      Ikoto,
      Misaotra anao, sy misaotra ihany koa an’i Manitra Rakoto, mifampizara eto amin’ity sehatra ity. Raha namela hafatra ho an’ny HMF aho, dia tena miantefa amin’izireo mivantana ny fanamarihana, ary inoako fa voarainy tokoa ny hafatra.
      Tsy ho isika samy « ondry » mantsy no afaka hifandahatra eto satria mazava ho azy fa tsy sehatra ahafahana manao izany eto, ary tsy maintsy ho ny fanahy ratsy no hifaly.
      Raha feheziko ny fanazavàna tiako ampitaina, dia ny filazantsara, fampianaran’i Jesoa no ifantohan’ny finoantsika @ maha kristiana antsika. Ahintsy @ fampianaran’i Jesoa ny voalzan’ny teny famonaniana anaty AT, torak’izany koa ny epistily.

      Mankasitraka e, ary ny fahasoavan’Andriamanitra ho antsika rehetra.

    • 22 mai 2011 à 18:36 | rakoto manitra (#5639) répond à N.R.

      Tsy fantatro na misy « misivana » ny hafatra tiako hampitaina aminao fa tsy mety lasa mihitsy (araka ny fitarainako). Tsy mifidy sehatra ny fifanakalozan-kevitra sy y fifampaherezana !

      Dia mankasitraka anao ary mirary ny soa ho anao, amin’ny anaran’ny Tomontsika

      rakoto manitra

    • 22 mai 2011 à 18:53 | rakoto manitra (#5639) répond à N.R.

      Rtoa (sa) Atoa N.R.

      Hozarazaraiko ity resaka ity fa diso mavesatra loatra :

      FIZARANA I°

      Nitanisa ny Lioka 19,4à tokoa aho ho toy ny « illustration » mba anambarako fa rehefa tsy hijoro amin’ny fahamarinana sy amin’ny maha « iraka mpanafaka » azy ny Mpitondra Fivavahana fa tsy hiteny sy hangina fotsiny dia hain’ny Tompo ny manendry na manangana « iraka » hafa hanatontosa izany « iraka » izany.

      Efa mandray io Lioka 19 (36 - 46 no noraisinao ato) io ihany ianao, ianao nfa mametra ka manankina io toko sy andininy io amin’ny ambaranao hoe :
      « FIDERANA an’Andriamanitra no tian’i Lioka ambara eto fa tsy ny fiandaniana ara-politikan’ny HMF akory »

      (hiohy etsy ambany)

    • 22 mai 2011 à 19:00 | rakoto manitra (#5639) répond à rakoto manitra

      N/R/

      Henjana ny « sivana » ka aleo ajanona fa tsy tafavoakako intsony izay tokony ho tohin’ny fanazavana

      Misaotra e !

      rakoto manitra

  • 21 mai 2011 à 20:36 | ikoto (#4912)

    Marina ny an-drakoto manitra fa aoka hohamafisiko !

    Ny mahavoa ny H.M.F. dia ny manisika ao an-tsain’ny « ondry andrasany » fa vokatry ny « fahotan’ny rehetra » izao mianjady amin’ny vahoaka tsy mandady harona izao ! Hoy ny Frantsay hoe : « incriminer »n’ny H.M.F. ka ataony kitapo iray daholo na Fozaorana na Vahoaka iharan’ny geja !

    Inona moa no atao hoe « manota » ka tokony « hibebaa » ? Ny fandavana ny Tenin’Andriamanitra no « ota » ! Izany no nadroahana an’i adama s Eva tao @ Sahan’i Edena sy niharan’ny fahafatesana taminy. « Ota » no namaizan’ny Tompo an’i Farao sy ny Egyptiana nanjioga ny Zanak’i Israely, fa tsy ny Zanak’i Israely akory no nanota ka nahatonga azy ho nandevozin’i Farao sy ny Egyptiana ! Koa aoka hazava tsara ry Mpitondra Fivavahana havana fa :

    - 1 TSY FAMAIZANA TSY AKORY IZAO MIHATRA AMIN’NY VAHOAKA MALAGASY IZAO FA VOKATRY NY FANGEJANA AFITSOKY NY « MIHEVI-TENA HO MAHERY » SATRIA TSY MISY ANTONY HAMAIZAN’NY TOMPO AZY SATRIA TSY NY VAHOAKA MLAGASY NO NANOTA FA IZY KOSA NO NIHARAN’NY OTA AFTSOKY NY SASANY ! Toy ny Zanak’i Israely, tsy izy ireo no nanota ka nandevozin’ny Egyptiana fa i Farao sy ny Egyptiana no nanota satria tsy nety nankato ny baikon’Andriamanitra handefa azy ireo ! Vakio tsara ny Baiboly (Eksodosy) koa aza mi-« incriminer » ny Vahoaka malagasy ampijalian’ny Fanjakana sandoka ianareo H.M.F. ! Aza ny Vahoaka no « ampanotaina » na « ampanotaina miaraka amin’ireo F.A.T. » fa ny H.A.T. no toa an’i Farao sy ny Egyptiana ka mangeja ny vahoaka !

    Tsy milaza aho tsy akory hoe « tsy mpanota ny vahoaka », tsia, fa amin’izao « contexte » izao dia tsy ny vahoaka no manota ! Raha mbola io lalan-tsaina ara-teolojia vandambandana io ihany no teneninareo H.M.F. dia tsy azonay ekena ! Aza hamarinina ho avy amin’ny vahoaka, efa ifadiranovana, ihany ny fahoriany (ka ampangaina ho vokatry ny otany izany) fa SAHIA MANONDRO MAZAVA AN’I FARAO MALAGASY !

  • 22 mai 2011 à 11:17 | rakoto manitra (#5639)

    A Monsieur (ou Madame) le Modérateur de ce Forum !

    Je ne sais pour quelle raison (technique ou politique) je n’arrive pas à faire passer mon « post » lequel n’est qu’une simple replique au post de N.R. Une censure est-telle établie, par qui et pourquoi ?

    Merci !

  • 22 mai 2011 à 21:09 | ROAD (#5617)

    ny mpitondra fivavahana dia manana andraikitra saropady indrindra satria, izy ireo no toy ny vato namelan-kafatra hitory ny tenin’Andriamanitra.noho izany dia tokony ho modely sy fitaratra aloha izy ireo amin’ny fianana ara-panahy ; tsy tokony hanana fiandaniana ara-politika fa tokony hijoro ho mpanalanelana sy ho mpampihavana ; hanitsy ireo izy hitany fa nania fa tsy handrangitra sy hanenjika ny sasany . mino aho fa anatra iray lehibe sy kapoka ho azy ireo ireny teny amin’ny FIGN ireny fa tsy hay indray izay mbola hoketrehan’izy ireo manaraka taorian’ireny fifohazany tamin’ny torimaso herintaona aty aoriana izao. tokony ho tsarovan’izy ireo hatrany fa ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra no tena asan’izy ireo fa tsy hiaro na hanohana firehankevitra politika. azony atao tokoa ny mamory olana saingy tsy tokony hisy resaka politika ao na kely aza fa fivavahana 100% ary tsy tokony hanavakavaka na hifidy loko politika izy ireo. efa hita mantsy hatramizay fa ny pasitera FJKM dia nirona hatrany tany amin’ingahy ra8 sy ny fiarovana azy sy ny fotokeviny, nisy tombotsoa azon’izy ireo angamba tamin’ireny fitondrana teo aloha ireny ka izany no nahasaropiaro azy tamin’iny rangahy iny ary nanohitra ny olona izay nanongana azy. tsy tokony hanana fankahalana na fitiavana manokana an’iza an’iza anefa izany mpitondra fivavahana izany fa ny baiboly aza manao hoe tiavo ny fahavalonareo. ny asan’Andriamanitra dia tsy tokony afangaro zavatra hafa toy ny politika, satria iza moa ny olona tsy nivadika rehefa tafiditra lalina ao amin’io politika io ; lasa any amin’ny tombotsoa no jerena fa adino ny zavatra sy ny andraikitra tokony ho tena natao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS