Tsy hamaly an’i Zoky Vahobey aho (merci tamin’ilay fandraisana anjara niarahana tamin’ny taona 2002, niari-tory isika ary nanentana tokoa) saingy tsy hitako ny hidirana amin’ny tribune libre de eto aho no miditra.
HO AIZA E ? HO AIZA IHANY ANIE IZY IZANY A, HO AIZA E, HO HITANTSIKA EO IHANY (hoy Zoky Dama amin’ilay hirany izay).
Marina ary tsy misy sahy midohika io nolazainy io. Satria de tena tonga tokoa ilay Ranamana, tonga tamin’ny andro « fifidianana ». De tena be fampanantenana (ho tena tanora tokoa no hitondra, de tena hihena ny vesatry ny vidim-piainana, de tsy ho ekena intsony ny fanararaotam-pahefana, de ho mora ny menaka, ny vary sns, ary tsy hiditra ao anatin’ny fibaikona ny anjara andraikitrin’ny mpandraharaha tokoa ny fitondrana satria tsy ho sakana izy, de « hiadana sy ho finaritra, eh sambatra tokoa izahay »).
Indrisy mantsy, ny miteny mora, ny manatanteraka sarotra (asa raha noho isika vatony loatra ka tsy nahalala izany, na de asa loatra). Enim-bolana izay no nitolomana (ehehe tenenina foana), saingy mitady ho lasa toa ilay tunnel izy ity, hivoaka tao ihany isika fa mety hiditra indray (angamba). Ny an-tanana votsotra, ny nantenain-tsy azo, akory atao.
De iza indray izao no tompon’andraikitra ? Ho ahilika amin’iza indray ny toe-java-mitranga ? Toa tsy de heno intsony ireo « tenors » (asa mety variana manao ady sahanina izay mety ho toerana ho raisina ?). Aiza re ianareo izay nampanantena fa ho tsaratsara kokoa (mora kokoa ny fiainanao amin’ny magasin M), sa tsy misy fika handrobana intsony ? De lazaina zao fa efa nisy zany fanapoahana bombe zany taloha e ? Aza mandainga an. De lazaina zao fa miavotra ny vahoaka malagasy (tantaraiko anareo ny isan’ny tokantrano rava ?). Tsy nety ny nataon-dRa8, marina io, fa lazao raha mety kokoa ny ataonareo. Ataovy ny bilan tsotsotra, inona no votsotra dia inona no azo, dia lazao tsotra amin’ny AMBANILANITRA, aza ahodikodina sy laroina zavatra hafa (toe-draharaha iraisam-pirenena, changement climayique...). Mbola hihinan-kanina ve izy rahampitso ? Iza no miantoka ? Raha very asa izy, izy no mamelona ny fianakaviany ?
Namana Sareraka, sahia miteny fa tsy enao no hilaza ratsy io fitondrana entinao io (mpikambana manontolo ao amin’ny fitondrana enao zao) afaka fotoana vitsivitsy (tadidikko ry zalahy e, le enao niresaka tamiko teo amin’ny SHOPRITE tamin’ny 2002...).
Ianareo manampahefana rehetra, inona no mahasamihafa anareo tamin’ny hafa teo aloha ? Asehoy ny fiovana, hahatsapana fa tsy diso ny olona nanosika anareo ho eo. Sa ho lazaina fa adala izy satria ianareo ihany no hendry ? Inona marina ilay tatatra na ony hiampitana ka ilàna ilay tetezamita ? Toa ianareo aza tsy mahafantatra izay aleha sy izay anton-dia (mifanipaka ankarona toa valala amin’ny fandaminan-kevitra) ? Rehefa tsy mety ny nataon’ny teo aloha, aza didim-pitsarana fotsiny no avoaka, fa asio didy fampisamborana de ataovy mandat d’arrêt international, alefaso INTERPOL sy Tribunal Penal International, de ho hita eo e, fahafirin’ny tany Bosnie izany ? Aza asiana izany débât d’amnistie izany fa samy olon-dehibe nanapakevitra fa tsy Maman’i Lita akory. Efa film hita ny 1972, 1975, 1991, 2002 dia mbola atao tsy maty manota ve ? Sa misy voasaringotra ianareo (zay indray aloha tsy hidirako) ?
Misy fomba fanao, hatahorako hiverina : ilay nampangaina fa nahavanon-doza (nasiana film manokana nojerena isaka ny salle vidéo hoe carnage à Iavoloha) atahorako mbola ho lany 96% raha misy fifidianana, de ho tsenaina amin’ny fomba manetriketrika, hatreny Ivato ka hatrany an-tranony re olona. Tsy nanana paika matotra ilay olona voadona ka tena nitsikasina tamin’izay, na ny fiaramanidina aza tsy nandray azy rehefa injay tonga ny hasina tokony homena azy, izy tsy niteny fa ny vadiny no niaro azy ?
Lazao fa mahavita ny firenena ny volan’ny malagasy ka tsy maninona raha tsy mankasitraka ny firenen-dehibe. Budget de l’Etat ohatran’iza re no harosonareo ka tsy hisy ny participations internationales e (70% mahery io tamin’ny farany teo ary niantoka ny fampandehanan-draharaham-panjakana amin’ny ampahany betsaka) ? Aza resahana fa tsy maintsy hifehy hetra (serer la ceinture isika) satria ianareo no nilaza fa ho tsaratsara kokoa ny fiainana teny amin’ny kianja naleha. Asehoy, tsy atao saupoudrage médiatique fa tsy izay no nifanarahana, fa ataovy général.
Tsy fanenjehana izao fa raiso ho torolalana sy fampatsiahivana. Saingy ataovy toa ny voankazo an’ala ka ny mamy atelomy fa ny mangidy kosa a pouah hoy Itompokolahy Mamy Nanahary mahay azy izay.
Dia veloma mandra-pisainana Tompoko