Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 09h01
 

Tribune libre

Hafatra avy amin’Ikaky Ravahö (Vahombey)

mercredi 1er juillet 2009 |  1559 visites 

ATSANGANO NY SAINA FOTSY ISAN-TRANO

Vao tafaverina avy tany ambanivahotr’i Toamasina sy Antsihanaka aho io. _ Ny antondiako tany : misahirana mandrafitra ny « processus de paix » eto Madagasikara.

Tsy maintsy ifanomezan-tànana ny fandaminana ity firenena ity.

Ambavahoana isika izao.

- « Atsangano ny saina fotsy isan-trano ! »

- « Atsangano ny kilôty fotsy isam-baravarana ry andriambavilanitra, raha ilaina hampifandefitra ireo lehilahy miziriziry mifandrohitra ireo izany ! »

- « Mitondrà brassard fotsy eny andalambe mba tsy ho voadarodaroka fahatany intsony fotsiny ! »

HAFATRA :

« Mifona, milela-paladia amin’ireo rehetra mafy be eto antanindrazana amin’izao fotoana izao ».

AOKA IZAY

Filaminana no ilaina, hanatanterahana fifidianana mangarahara.

Tokony ampiana araka izay tratra io fitondrana eo antoerana io hanatanteraka izay raharaha izay dia samy miala tsy misy rahoraho.

Avotsotra madiodio daholo rehefa gadra politika.

Tsy misy ilàna ny « assises régionales » raha tsy ny « réconciliation nationale » nodradradradrain’ny Filoha Zafy Albert aloha no tomombana.

Tokony samy handinika ny isan-tokony dia manomana antsakany sy andavany ny fihaonana imaso imason’ny filoha efa-tonta : Didier RATSIRAKA – Albert ZAFY – Marc RAVALOMANANA – Andry RAJOELINA.

Mifona milela-paladia, tompoko ô … !

Ny filaminantsika eto antanindrazana no manamora ny dinidinika ifanaovan-dry zareo samy maventy.

Ho an’ny filaminana,

ATSANGANO NY SAINA FOTSY !"

IKAKY ravahö.
Antsirabe 30 jona 2009.

7 commentaires

Vos commentaires

  • 1er juillet 2009 à 07:50 | Noue (#2427)

    Dia mino ve ianareo fa hampiova ny fandehan-dravatra ny fananganan-tsaina fotsy ?

    La HAT a beaucoup plus à faire que de pencher ou regarder les fenêtres jonchées de drapeau blanc . Il n’y a que le drapeau vert , rouge , blanc hissé pour le 26 juin pour faire voir au monde que la HAT est bel et bien aimé par le peuple Malgache dont le but c’est d’attirer l’attention de l’UE qui les ont préoccupés .

    • 1er juillet 2009 à 14:46 | Bena (#2721) répond à Noue

      voila une forme de diversion de plus -certes plutôt philosophique et satirique- pour faire accepter un coup d’Etat.

      mais on n’est pas dupe mon vieux !

  • 1er juillet 2009 à 09:28 | RAVELO (#802)

    N’en déplaise à « IKAIKY RAVAHO »,j’appelle de tous mes voeux à tout faire pour que ces pseudos dirigeants déguerpissent le plus vite possible.
    Faut-il toujours vous rappeler qu’ils sont illégitimes ? laisser les affaires de l’état entre leurs mains est irrésponsable.

  • 1er juillet 2009 à 12:43 | rajery (#2199)

    O ry Ikaky a, sao dia efa tsy mety intsony ity mandefitra lava ity e, hajaiko ny hevitrao kanefa mba jereo fa midingidrambo ny sasany rehefa miseho malemy ny andaniny ;
    tsy miharitra trèfle intsony isika izao fa efa miharitra ny maimbo. Hevero izay tokony hatsangana hafa mba hampandeha ny raharaha fa efa tsy vitan’ny vava sy ny soratra intsony ity. Hataovy hitsindalana tonga dia any ambovonana ny resaka fa aza miholikolika mody mitady fihavanana eo kanefa mpihatsara velantsihy daholo.

  • 1er juillet 2009 à 13:49 | ikopa (#671)

    Ka inona ary no tadiavin’Ikaky Rajery hatao ? Moa va tsy efa natao daholo izay mety ho fanoherana azo natao teto Antananarivo ? Barazy, razily, filaharan’ny vehivavy notarihin-dry Hanta, toraka cocktail M., fametrahana baomba, fanelezana tsaho mampisavorovoro saim-bahoaka, angano notantarain-dry Ndimby.....

    Manana ny fanohanan’ny tafika io fitondrana io (hatr@ izao aloha) ka na inona holazainao na tadiavinao hatao dia tsy misy fika.

    Koa ny atao izany hoy ianao dia aleo misasatra mivazavaza sy mitaraina ny hatezeranao eto toy izay mikaroka lalana hafa.

    Izay io aroson-dRavaho eto io.

    Izahay tsy te-hahalala hoe voa porofo fa mahomby na tsia io hevitra io, fa dia ny fotsiny hoe tsy mahomby foana raha mbola làlana mienndrika fihantsiana ny HAT no atao hamahana ny olana.

    Koa aoka re ty fanaratsiana be fahatany hevitr’olona ity fa mitory fahambanian-tsaina

    • 2 juillet 2009 à 06:57 | rajery (#2199) répond à ikopa

      O ry Kaky isany a,

      efa t@ 1991 Radidy no nidradra ny mandefitra manana ny rariny nefa voadaka ambavafo ka niandry kihondalana fotsiny hamelezana, ...

      efa hatramin’ny 2002 i PrZafy no niantso fifamelankeloka nefa tsy nohainoina dia izao no vokany,

      Rehefa ady Gasy ihany no entina hamahana olana dia hivereno ka hampiasao ny fahendrena Gasy :

      1) misy ny hoe heloka hibaboana mody rariny,
      2) misy koa ny hoe tsy manenji-dresy (raha tena misy tokoa ny resy),
      3) ary misy koa ny hoe teny hierana...

      Raha tena mitady filaminana isika ary tena mitsinjo ny ho avin’ny taranaka dia :

      1) hitalahoy ireo nanao heloka t@ fiarahamonina hiaiky izay heloka nataony (efa nisy nanao izany raha tsy diso aho t@ volana mars)
      2) avereno hiverina ao @ fiarahamonina izay resy fa tsy ahilikilika any antsesitany any (efa nisy niverina izy ireo),
      3) ataovy teny ierana eo @ daholo be ny hitondrana ny fiainana eto (mbola tadiavin io),

      Aleo tsy atao ampo loatra ny fandaminana ny raharaha ary sahia isika miatrika tanteraka ny tena olana, saina milamina sy tony no entina mikaroka ny tena vahaolana.

      Ary tadidio fa ny Gasy miady hevitra tsy manambany mihitsy ny hevitry ny hafa, fa mitady hatrany ny marimaritra hiraisana.

  • 3 juillet 2009 à 02:51 | Tiamarina (#795)

    Tsy hamaly an’i Zoky Vahobey aho (merci tamin’ilay fandraisana anjara niarahana tamin’ny taona 2002, niari-tory isika ary nanentana tokoa) saingy tsy hitako ny hidirana amin’ny tribune libre de eto aho no miditra.

    HO AIZA E ? HO AIZA IHANY ANIE IZY IZANY A, HO AIZA E, HO HITANTSIKA EO IHANY (hoy Zoky Dama amin’ilay hirany izay).

    Marina ary tsy misy sahy midohika io nolazainy io. Satria de tena tonga tokoa ilay Ranamana, tonga tamin’ny andro « fifidianana ». De tena be fampanantenana (ho tena tanora tokoa no hitondra, de tena hihena ny vesatry ny vidim-piainana, de tsy ho ekena intsony ny fanararaotam-pahefana, de ho mora ny menaka, ny vary sns, ary tsy hiditra ao anatin’ny fibaikona ny anjara andraikitrin’ny mpandraharaha tokoa ny fitondrana satria tsy ho sakana izy, de « hiadana sy ho finaritra, eh sambatra tokoa izahay »).

    Indrisy mantsy, ny miteny mora, ny manatanteraka sarotra (asa raha noho isika vatony loatra ka tsy nahalala izany, na de asa loatra). Enim-bolana izay no nitolomana (ehehe tenenina foana), saingy mitady ho lasa toa ilay tunnel izy ity, hivoaka tao ihany isika fa mety hiditra indray (angamba). Ny an-tanana votsotra, ny nantenain-tsy azo, akory atao.

    De iza indray izao no tompon’andraikitra ? Ho ahilika amin’iza indray ny toe-java-mitranga ? Toa tsy de heno intsony ireo « tenors » (asa mety variana manao ady sahanina izay mety ho toerana ho raisina ?). Aiza re ianareo izay nampanantena fa ho tsaratsara kokoa (mora kokoa ny fiainanao amin’ny magasin M), sa tsy misy fika handrobana intsony ? De lazaina zao fa efa nisy zany fanapoahana bombe zany taloha e ? Aza mandainga an. De lazaina zao fa miavotra ny vahoaka malagasy (tantaraiko anareo ny isan’ny tokantrano rava ?). Tsy nety ny nataon-dRa8, marina io, fa lazao raha mety kokoa ny ataonareo. Ataovy ny bilan tsotsotra, inona no votsotra dia inona no azo, dia lazao tsotra amin’ny AMBANILANITRA, aza ahodikodina sy laroina zavatra hafa (toe-draharaha iraisam-pirenena, changement climayique...). Mbola hihinan-kanina ve izy rahampitso ? Iza no miantoka ? Raha very asa izy, izy no mamelona ny fianakaviany ?

    Namana Sareraka, sahia miteny fa tsy enao no hilaza ratsy io fitondrana entinao io (mpikambana manontolo ao amin’ny fitondrana enao zao) afaka fotoana vitsivitsy (tadidikko ry zalahy e, le enao niresaka tamiko teo amin’ny SHOPRITE tamin’ny 2002...).

    Ianareo manampahefana rehetra, inona no mahasamihafa anareo tamin’ny hafa teo aloha ? Asehoy ny fiovana, hahatsapana fa tsy diso ny olona nanosika anareo ho eo. Sa ho lazaina fa adala izy satria ianareo ihany no hendry ? Inona marina ilay tatatra na ony hiampitana ka ilàna ilay tetezamita ? Toa ianareo aza tsy mahafantatra izay aleha sy izay anton-dia (mifanipaka ankarona toa valala amin’ny fandaminan-kevitra) ? Rehefa tsy mety ny nataon’ny teo aloha, aza didim-pitsarana fotsiny no avoaka, fa asio didy fampisamborana de ataovy mandat d’arrêt international, alefaso INTERPOL sy Tribunal Penal International, de ho hita eo e, fahafirin’ny tany Bosnie izany ? Aza asiana izany débât d’amnistie izany fa samy olon-dehibe nanapakevitra fa tsy Maman’i Lita akory. Efa film hita ny 1972, 1975, 1991, 2002 dia mbola atao tsy maty manota ve ? Sa misy voasaringotra ianareo (zay indray aloha tsy hidirako) ?

    Misy fomba fanao, hatahorako hiverina : ilay nampangaina fa nahavanon-doza (nasiana film manokana nojerena isaka ny salle vidéo hoe carnage à Iavoloha) atahorako mbola ho lany 96% raha misy fifidianana, de ho tsenaina amin’ny fomba manetriketrika, hatreny Ivato ka hatrany an-tranony re olona. Tsy nanana paika matotra ilay olona voadona ka tena nitsikasina tamin’izay, na ny fiaramanidina aza tsy nandray azy rehefa injay tonga ny hasina tokony homena azy, izy tsy niteny fa ny vadiny no niaro azy ?

    Lazao fa mahavita ny firenena ny volan’ny malagasy ka tsy maninona raha tsy mankasitraka ny firenen-dehibe. Budget de l’Etat ohatran’iza re no harosonareo ka tsy hisy ny participations internationales e (70% mahery io tamin’ny farany teo ary niantoka ny fampandehanan-draharaham-panjakana amin’ny ampahany betsaka) ? Aza resahana fa tsy maintsy hifehy hetra (serer la ceinture isika) satria ianareo no nilaza fa ho tsaratsara kokoa ny fiainana teny amin’ny kianja naleha. Asehoy, tsy atao saupoudrage médiatique fa tsy izay no nifanarahana, fa ataovy général.

    Tsy fanenjehana izao fa raiso ho torolalana sy fampatsiahivana. Saingy ataovy toa ny voankazo an’ala ka ny mamy atelomy fa ny mangidy kosa a pouah hoy Itompokolahy Mamy Nanahary mahay azy izay.

    Dia veloma mandra-pisainana Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS