::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter    Google+ Google+   ::::
Antananarivo | 01h59  :  17°C  :  Clair de lune très nuageux
samedi 25 mai 2013
 

 > Teny zato, kabary arivo

HIMO mira fahantrana

mercredi 14 janvier 2009, par Naivo kely

Raikitra indray ny tetikasa HIMO. Faly ny mponina sahirana fa mba misy vola kely ho raisina ahafahana amidy sakafo. Tomefy olona manadio tatatra sy manala ny lobolobo isaky ny fokontany. Olona aman-jatony maro no miara-misalahy amin’ity asa ity.

Ny fanjakana no mandray an-tanana ny raharaha, ary hita taratra, fa misy vokany ilay asa. Inona tokoa no tsy vitan’ny fifanomezan-tanana ao anatin’ny sarotra. Ny mponina mahazo vola, ary ny tanàna madio. Tsy tokony hirehareha anefa isika amin’itony tetikasa Himo itony. Ny antony dia Himo mira fahantrana. Porofo mitohaka amin’ny isam-batan’olona izao, fa be ny mahantra tsy mana-kohanina eto. Samy mahatsapa ireto vahoaka ireto, fa rano maloto no lalaovina, nefa vola tsy mahazo vary iray kilao no mba tambin’ny asa adin’ny dimy. Misy fianakaviana maro no indray mifanome tanana ao, mba hifameno ny vola hiditra ao an-tokantrano. Dia raha tsy nisy izany ity tetikasa Himo ity, dia inona no mba ho hanin’ireto mponina ireto satria tsy misy ny asa ho atao ? Izay no ilaina ilay tetikasa goavana entina hiadiana amin’ny fahantrana, satria mitombo andro aman’alina ny vahoaka sahirana, ka diso hevitra izay milaza fa ho afaka ao anatin’ny fahantrana ny antsasaky ny vahoaka malagasy amin’ny taona 2015.

Ity no tonga amin’ilay fomba fiteny hoe “mitrongy vao homana”, ary ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao. Raha mampiasa ny vahoaka madinika toy izao ihany, nahoana re raha mba nampiakarina hatrany amin’ny dimy arivo isan’andro no omena azy e ? Loto sy aretina anie no lalaovin’izy ireo, ka raha vola Ar 1 500 isaky ny adin’ny dimy no omena ny vahoaka, mba ohatrinona isaky ny adin’ny iray re ny vola miditra amin’ny isam-batan’olona e ? Sa Gasy madinika no miasa, ka tsy olana ny karama omena azy ? Hay ve amin’izao vanim-potoana izao, ka mbola azo ampiasaina amin’ny vola Ar 300 isaky ny adin’ny iray ny Malagasy nefa asa mafy no asaina ataony e. Izany tokoa ny mahantra.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Vols, Hôtels, Séjours :
Les meilleurs prix

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Nous suivre

     
Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

avril 2013   mai 2013
L Ma Me J V S D
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 101  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP

    Faire un crédit rapide en France | Découvrez aussi : Xbox 360