Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 19h59
 

Malagasy

Imatep

Foana sy tsy manankery ny valim-panadinana

mardi 1er juillet 2008 |  2857 visites  | Herimanda R.

Nivoaka ny naoty ofisialy. Foana ary tsy manan-kery ny valim-panadinana ankapobe natrehin’ireo andiana mpianatra faha XVI, Riham-piofanana faha-3, taona 2006-2008 izay notontosaina ny 6 - 11 martsa 2008 teo anivon’ny Imatep (Ivotoerana malagasy momba ny Tetipivoarana) etsy Ambohijatovo-Ivandry. Fantatra ihany koa araka io naoty mitondra ny laharana DFF-076/2008 nivoaka ny 25 jona 2008 fa manomboka ny 4 aogositra ho avy izao no hamerenana indray io fanadinana nofoanana io. Zava-dehibe ho an’ny mpianatra ity fanadinana ity. Voalaza mantsy fa ho afaka hamita ny sora-karoka na « mémoire » izay mpianatra mahazo ny salan’isa 11,00/20 amin’io fanadinana io afa-tsy izay ireo voaheloky ny Fitsarana noho ny fivoahan’ny laza adina mialoha.

Fitarainana

« Mitombina tanteraka ny fitoriana nataoko teo anivon’ny ambaratongam-pahefana mahefa. Ny nilazako fa nisy fivoahan’ny laza adina mialoha ny fotoana tamin’io andro io. Ny mampalahelo dia mitsipaka izany filazako izany tamin’ny fotoan’andro ny tompon’andraikitra ao amin’ny Sekoly araka ny taratasy nalefany mitondra ny Lah /2008/0212-Imatep/DJ/DFF tamin’ny 22 aprily 2008 », hoy ny mpianatra mpiofana iray tamin’ny resaka nifanaovana taminy. Tsy nijanona hatreo ny raharaha fa tonga hatreny anivon’ny Fitsarana. Toy izao no fandehan’ny tantara raha tsiahivina fohy.

Ny 6 sy 7 martsa, roa andro voalohany nanaovana ny fanadinana, dia nahatsikaritra ireo mpianatra vitsivitsy fa misy ireo namany nahita mialoha ny laza adina. Tapa-kevitra izy ireo fa hanao fikarohana hanaporofoana io toe-javatra io. Ny alahady 9 martsa no voalazany fa nahatratrarany ny laza adina izay tsy tokony mbola hivoaka satria laza adina hanadinana amin’ny andro roa farany dia ny alatsinainy 10 sy ny talata 11 martsa izany. Nalefa avy hatrany ny fitarainana.

Voampanga fito

Ny 22 aprily no natao famotorana teny amin’ny Bianco ( Sampandraharaha mahaleotena miady amin’ny kolikoly) ity mpianatra mpiofana sahy nijoro vavolombelona ity. Niakatra teny anivon’ny
« Chaîne pénale » ny raharaha. 7 moa ny isan’ny voampanga amin’izao raharaha izao ka ny 6 amin’ireo dia mpianatra avokoa, ny iray kosa mpiasa eo anivon’ny Imatep . Samy nahazo fahafahana vonjy maika avokoa moa izy rehetra ireo. Ny 24 jona lasa teo moa no tokony ho nanatanterahana ny fitsarana fa nahemotra amin’ny fotoana manaraka.

==============================
- Mpianatra ao amin’i Imatep

« Takiako ny fanafoanana ny tsy fahazoako manao sorakaroka »
Fifandrifian-javatra sa misy ifandraisany amin’izao raharaha « Imatep » izao ? Nambaran’ny mpianatra iray fa iharan’ny antsojay avy aminn’ny mpitantana ny sekoly izy. Toy izao ny fanazavany. « Misy ny naoty nivoaka manondro ireo mpianatra mahazo alàlana haneho ny sora-karoka na mémoire. Tsy tao anatin’izany lisitra izany ny tenako. Ny fandraisako izany dia noho izaho sahy namaky bantsilana ny fisian’ny laza adina mivoaka tao amin’io Sekoly io ». Aminy dia ny fanafoanana io naoty io no heveriny fa mahamaika. Miantso ihany koa izy ny fahefana mahefa hanao fanadiovana ny fitantanana ao amin’i Imatep.

Mikasika ilay fanadinana haverina amin’ny volana aogositra dia nambarany fa tsy mbola fantany na handray anjara izy na tsia. « Mbola hanao tatitra amin’ny toeram-piasako izay nandefa ahy hiofana amin’ity sekoly ity aho vao hampahafantatra ny fanapaha-kevitro ».

Niezaka moa izahay nanontany ny hevitry ny tompon’andraikitra ao amin’ny Sekoly fa tsy nahazo fahafaham-po. Ambaran’ireo mpiara-miasa aminy fa mbola mivory izy ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS