Vavaka ho an’i Madagasikara - 2009
1/ Fanekena an’Andriamanitra
Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah – eny, Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah.
Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra ? Eny, Hianao no manapaka amin’ny fanjakan’ny jentilisa rehetra, ary eo an-tànanao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao.
“Ianao no mandahatra ny andro sy ny fotoana ; Ianao no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka”, araka ny Soratra Masina.
Fa an’i Jehovah ny fanjakana ; ary manapaka amin’ny firenen-tsamy hafa Izy.
Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, Mahitsy sy marina ny làlanao, Ry Mpanjaka mandrakizay.
2/ Fitalahoana/ Fangatahana
Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko haharesy ny firenena tsy misy famindram-po ;
Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba sitrano re Madagasikara. Hifonako aminao ireo Malagasy. Hifonako aminao ireo manampahefana. Mifona aminao aho, mamelà ny helok’ity firenena ity araka ny halehiben’ny famindramponao ;
Mifona izahay fa tsy hataonay fitaovana fotsiny ny Anaranao Masina mba hanatanterahanay ny sitraponay sy ny politikanay. Te hibebaka izahay, izany hoe hiala amin’ny ratsy fanaonay ka tsy hinia hanao izany intsony, ary tena hitady anao amin’ny fo rehetra fa tsy amin’ny molotra ihany. Mahatezitra Anao ny mpihatsaravelatsihy.
I Jona mpaminaninao aza raha nitory hoe : rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive, dia nino an’Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin’ny lehibe ka hatramin’ny kely. Ary nony efa ren’ny mpanjakan’i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin’ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin’ny lavenona (Jona 3:4-6).
Aoka koa isika hibebaka, hiantso fifadian-kanina, hitafy lamba fisaonana ary hipetraka amin’ny lavenona. Na ny lehibe na ny kely, na ny mpiandraikitra ao amin’ny fanjakana na ny vahoaka. Angamba hahita famindram-po eo anatrehan’Andriamanitra ihany isika.
Sitrano i Madagasikara satria koa Ianao Andriamanitra efa niteny, ao amin’ny bokinao 2 Tantara 7 : 14, hoe : “Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny”. Ary indray vonjeo ity taninay.
3/ Ny amin’ny fitiavana an’Andriamanitra
Andriamanitra no atahory, ary ny didiny (ny Baiboly) no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra. Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany na amin’ny firenena, na amin’ny olona tsirairay.
Hahatsiaro ka hiverina ho amin’i Jehovah ny faritany rehetra ; Ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon’ny firenena. Fa an’i Jehovah ny fanjakana ; Ary manapaka amin’ny firenena Malagasy Izy.
Koa araka izay lazain’ny Fanahy Masina hoe : « Anio, raha hihaino ny feony hianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ny fahasosorana … » (Salamo 95 : 7-11).
4/ Fanoloran- tena
Koa avaozinay etoana ny fanoloran-tenanay ho an’i Kristy Ilay Mpanjaka mandrakizay.
Atolotray ho anao ry Jesoa Kristy Tomponay i Madagasikara. Mba ho anao tanteraka tokoa, ka tsy zaraina amin’ny hafa. Fa Andriamanitra saro-piaro tokoa ianao ; Ary ny voninahitrao tsy omenao ny hafa.
Arianay ny fanompoan-tsampy rehetra eto amin’ny firenenay fa tsy sitrakao izany, mampahatezitra Anao izany. Fa Ianao no niteny fa ny firenena manompo sampy, dia ny tavanao no hanandrina azy. Koa aiza no halehanay raha mitsanganko-fahavalonay Ianao Jehovah o !
Hanompo sy hanaiky Anao izahay amin’ny fo manontolo, fa tsy amin’ny molotra sy ny fomba ivelany fotsiny. Ho Anao Irery i Madagasikara, ary i Kristy ho an’i Madagasikara.
Vady ara-dalàna ka tsy mijangajanga intsony, araka ny voasoratra hoe : “Eny, hofofoiko ho vadiko amin’ny fahamarinana ianao. Ka dia hahalala an’i Jehovah” (Hosea 2:22).
Amena !
5/ Vakinteny
Izahao Levitikosy toko 26 :
Fitahiana sy ozona.
Izahao Nehemia toko 9 :
Ny fivorian’ny olona rehetra hanetry tena noho ny fahotany sy hanao fanekena hanaraka ny lalan’Andriamanitra.
Izahao Jona toko 3 :
Ny nitorian’i Jona teny tao Ninive.
Adiresy E-mail : info madagascar4christ.com