Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 13h47
 

Tribune libre

Fanambarana avy amin’ny Prefet de police

samedi 24 janvier 2009 |  1673 visites 

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA
Fahafahana - Tanindrazana - Fandrosoana

MINISTERE DE L’INTERIEUR

PREFET DE POLICE DE LA VILLE D’ANTANANARIVO

N° 003 1 09 - MININTER /PREF / POL / OP

Fanambarana avy amin’ny Prefet de Police eto amin’ny tananan’Antananarivo
Eo anatrehan’ny fiantsiana miendrika fanonganam-panjakana tamin’ny kabary teny Ambohijatovo tamin’ny Sabotsy 17 janoary 2009 teo, sy ny fametrahana fe-potoana hialan’ny mambra sasany ao amin’ny Governemanta ;
Eo anatrehan’ny fandavana tsy hanatanteraka didy avy amin’ny fitondram-panjakana sy ny fanevatevana Andrim-panjakana ;
Eo anatrehan’ny fiantsoana ny vahoaka ho tonga eo amin’ny kianjan’Ambohijatovo rahampitso Sabotsy 24 janoary 2009, kanefa tsy nangatahana alàlana avy amin’ny Solontenam-Panjakana ;

Ny Préfet de Police-n’Antananarivo dia :
- manambara fa tsy ara-dalàna io famoriam-bahoaka eo Ambohijatovo rahampitso Sabotsy 24 janoary io,
- manao antso avo amin’ny vahoakan’Antananarivo tsy ho tonga amin’io famoriam-bahoaka tsy ara-dalàna io.
- matoky ny fahendren’ny vahoakan’Antananarivo.

Antananarivo, anio 23 janoary 2009
RAKOTOMAVO Edmond
Administrateur Civil

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS