::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter    Google+ Google+   ::::
Antananarivo | 12h38  :  26°C  :  Très nuageux
samedi 25 mai 2013
 

 > Tribune libre

SECES Sampana Antananarivo

Fanambarana

vendredi 8 juin 2012

FANAMBARANA

Mahatsapa ny SECES Sampana Antananarivo fa misy ny tsy fanarahan-dalàna ankehitriny ety amin’ny Oniversiten’Antananarivo : misy ny fidirana tsy misy fisoratana anarana sy tsy misy didim-panjakana mametra izany, ao amin’ny Toeram-pianarana DEGS, Médecine, ENS, ESS Agronomiques.
Marihina anefa fa tsy anjaran’ny ray aman-dreny, na ny Mpianatra na ny Mpampianatra Mpikaroka na ny SECES no misolo vaika ny adidy sy andraikitry ny Fitondram-panjakana.
Renay koa ny fikasana hampiakatra tsy toko tsy forohana ny saram-pisoratan’anarana ety amin’ny Oniversitem-panjakana mba hampandehanana ny fampianarana.
Mino ny SECES Sampana Antananarivofa ny COPRIES hatao any Toamasinaamin’ny zoma 8 jona 2012 dia tsy hankasitraka na hanamafy ireo tsy fanarahan-dalàna ireo fa handray andraikitra feno.
Ny SECES Sampana Antananarivo dia manamafy hatrany ny fiarovany ny Oniversitem-panjakana natao ianaran’ny zana-bahoaka !
Fomba fanaon’ny Fltondram-panjakana ankehitriny ny fanomezana ampahany kely amin’ny fitakian’ny Sendika ary fananganana « commission ad hoc » ka rehefa manaiky an’ireo dia hodiany tsy hita indray. Noho izany, ny Fitondrana misy dia Fitondrana tsy azo itokisana intsony ary tsy mitana ny teny nomeny efa matetika loatra.
Koa misintonany sain’ny rehetra fa ny SECES Sampana Antananarivo dia mampitandrina fa tsy maintsy hikatso indray ny fampianarana ary izay vao tena ho taona fotsy (Année blanche) raha toa ka tsy tanteraka ny fanambarana an-tsoratra nataon’ny Fitondrana hatramin’izay  :
- Ny fandoavana ny ambin’ny« indemnité de Recherche et d’investigation »
- Ny vokatry ny asan’ny « Commission ad hoc » natsangan’ny Fitondrana natao hampiharana ny Didim-panjakana 2009-1216 mampitovy zo ny Mpampianatra Mpikaroka sy ny Mpikaroka Mpampianatra amin’ny Mpiasam-panjakana rehetra.
- Farany : tsy ekena ihany koa ny fampanaovam-panadinam-panjakana rehetra raha tsy vita ny fadaharam-pianarana feno eny amin’ny Sekolim-panjakana satria famotehana tsotr’izao ny ho avin’ny zana-bahoaka izany.

Antananarivo 06 jona 2012

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

 2 réactions Lire les commentaires

  • Fanambarana
    8 juin 2012 09:28, par Bardadas (#5458)

    Tsara rehefa mijoro hiaro ny Oniversitem-panjakana sy ny ho avin’ny zan-bahoaka. Saingy aoka mba ho tena tanjona tratrarina mandrakariva izany :

    - mba hijoro hatrany ianareo hiady amin’izay fikasana hanangom-bola amin’ny zana-bahoaka efa mahantra sy fadiranovana
    - mba enjehinareo ireo mpanao tsolotra ao @ université toy ny ao Barikadimy Toamasina izay tsy menatra maka vola ho tambin’ny fisondrotana kilasy
    - mba tsy ianareo indray no manao izay hampikatso ny fianarana eny @ Université.

    bardadas yahoo.fr

  • Fanambarana
    8 juin 2012 12:08, par plus qu’hier et moins que demain (#6149)

    Fanambarana mpitari-bato vilambava ka mampikatso ny an’ny fanjakana fa mampandroso toeram-pampianarana ambony tsy miankina izay hiasan’ny ankamaroan’ireo mpikambana ao amin’ny SECES ireo. Milaza ho mpampianatra mpikaroka kanefa tsy mahalala akory ny toerana misy ny fiariankarenan’ ny firenena amin’izao tetezamita izao ka manjary ohatra ny FARY ka ny lohany indray no matsatso. Aoka isika tsy hanao ohatran’ny mpitaingin-tsambo mangetaheta ka handoaka ny fanambanin’ny sambo mba hakana rano hosotroina, izay mazava ho azy fa hiafara amin’ny faharendrehan’ny sambo na koa anao ohatran’ny mpaka kitay ka sampan-kazo itaingenany ihany no kapainy ka lasa famonoantena tsy fidiny. Ny fitakiana tsy voalanjalanja dia mitera-doza ho an’ny firenena. Raha mpiasam-panjakana ianareo mitaky dia fantaro ny hetra alohan’ny orinasa tsy miankina sy fanampiana avy any ivelany no miantoka ny karama omena anareo : raha ny voalohany no resahina dia iaraha-mahalala fa mikoroso fahana ny fiarian-karena eto amintsika ka noho izany dia mihena ny hetra miditra amin’ny fanjakana ary manaraka an’izay koa ny fahafan’ny fanjakana manome fahafahampo ny fitakiana rehetra ; raha ny faharoa indray no resahina dia efa tamin’ny 2008 io no tapaka noho fahampiasam-bola tsy nazava « fiaramanidina force one two » na izany aza dia mitohy ihany ny fanampiana sosialy hafa izay tsy mankany any amin’ny kitapom-bolampajankana fa lasan’ny ONG ny fanjakana mpanome an’ilay fanampiana ihany ny ankamaroan’ny vola miditra amin’io.
    Efa lany andro ihany koa izany karama mitovy izany ho an’ny mitovy diplaoma rehetra satria izany ihany no naharava ny fanjakana kaominista eran’ny tany noho ny tsy fisian’ny safidy sy ny tsy fandraisana andraikitra naterany ka isika indray ve no hiverina amin’izany lalana tsy mankaiza izany.

Vols, Hôtels, Séjours :
Les meilleurs prix

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Nous suivre

     
Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

avril 2013   mai 2013
L Ma Me J V S D
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 410  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP

    Faire un crédit rapide en France | Découvrez aussi : Xbox 360