::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 20h41  :  19°C  :  Clair de lune très nuageux
mardi 9 février 2010
 

 > Tribune libre

Fanambarana

jeudi 26 novembre 2009

FANAMBARANA

************

Ny faha18 novambra lasa teo dia napetraka ary niarahana nanapaka nandritra ny fivoariana niarahan’ny Filohan’ny Tetezamita sady filoham-panjakana Andry Rajoelina tamin’ireo filoha mpiara-mitantana ny filan-kevitry ny Fiadidiana ny Tetezamita ary ny Praiministra, lehiben’ny governemanta ny tetiandro tokony nametrahana ireo rafitra rehetra eo anivon’ny Tetezamita :

  1. 21 novambra 2009 : neritreretina hametrahana ny governemanta
  2. 23 novambra 2009 : nokasaina hametrahana ny Komity Nasionaly ho an’ny Fampihavanam-pirenena (CNR)
  3. 25 novambra 2009 : no tokony nametrahana ny Filan-kevitra Ambonin’ny Tetezamita (CST) sy ny Kongresin’ny Tetezamita (CT)

Ny fanambarana ny 18 novambra dia nanamarika fa anjara asan’ny praiminisitra, lehiben’ny governemanta ny manangona ny anarana ary manolotra izany ny Filohan’ny Tetezamita.

Nisy ny fangatahana fanazavana taorian’ny tsy nahafahana nanatanteraka ny fananganana io governemanta io ary raha ny fanazavana azo tamin’ny praiminisitra dia fantatra fa ny fifanitsahana eo amin’ny ministera tokony ho rasina sy ny tsy fanekena ny fifanarahana no tsy nahalavorary izany. Tao anatin’ny fanazavana sy ny valin-taratasy avy amin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta no nanambarany fa ireo ministera iadivana sy heverina fa mampikatso dia tokony ho tazomina eny amin’ny Fiadidina ny primatiora.

Tsara ny manamarika fa ny faha13 novambra, vokatry ny fanelanelanana nataon’Andriamatoa Tiébilé Dramé, dia efa nisy ny fanapahan-kevitra teo amin’ny fifampitsinjarana ny ministera. Marihina fa nisy ny ezaka sy ny fandeferana lehibe nataon’ny firehana Rajoelina amin’ny fanekena izarana ireo ministera iankinan’ny fiandrianam-pirenena ary efa natolotra an’Andriamtoa Praiminisitra ny anarana mifanandrify amin’izany.

Ny firehana Rajoelina dia mitazona hatrany io fanapahan-kevitra tamin’ny 13 novambra io, izay mbola hamafisina an-taratasy amin’ny praiministra, lehiben’ny governemanta.

Farany, ny firehana Andry Rajoelina dia manamafy hatrany ary manizingizina fa olona teknisiana, manana traikefa, madio ara-pitantanana ary vonona hampandroso ny firenena mba ahafahana miroso amin’ny repoblika fahaefatra no tokony handrafitra ny governemanta.

Ambohitsorohitra faha 25 novambra 2009
Ny Fiadidiana ny Tetezamita

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail   

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


Les cauchemars du Gecko

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

octobre 2009   novembre 2009   décembre 2009
L Ma Me J V S D
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
 

 

Maintenant sur votre MOBILE :

 

  • Version pour Smartphone
  •  

    m.madagascar-tribune.com

     

  • Version pour IPhone
  •  

    iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 359  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360