Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 13h47
 

Tribune libre

Fanambaran’ny antoko MFM

mercredi 18 février 2009 |  3108 visites 

MAILO ISIKA MANAO NY ANDRIMASO DEMOKRATIKA.

Mbola manangatra eto @ tanintsika ny hotakotaka ateraky ny fandrombahana fahefana :

- fandrehetana ny hasosoran’ny vahoaka momba ny fihariana sy momba ny fitondrana,

- famotehana fanahy iniana ny toekarena ary atao fomba fandrombahana fahefana. Sady mampikatso no mampihemotra ny fiainan’ny firenena. Famotehana miaraka amin’izany koa ny fivelaran’ny fihariantsika @ izao tontolo izao (mondialisation),

- famakian-trano sy fandorana velona ny Vahoaka madinika izay voafandrik’ireo tsy mifaditrovana ka lasa nandroba.

Miangavingavy fifandaminana ny raiamandreny ara-panahy, ny Masoivohom-prenena miantrano eto, ny Firaisambe Afrikana (UA), ny Firenena mikambana. Meloka amin’izy ireo sy amin’izao tontolo izao raha tsy manaja lalàm-panorenana na mandrombaka fahefana amin’ny herisetra. Tsy fanjakan’i Baroa na baribarianina no atao fa demokrasia moderina.

Amin’ny MFM dia olobe tsy misy azontsika vingavingaina ireo @ izao taonjato faha-21 izao. Izay no fahaizana miara-miaina @ firenena samy « Civilisé » eo anivon’izao tontolo izao.

MIANDRANDRA VAHAOLANA NY VAHOAKA. Ary mitaky làlan-kivoahana. Ny mikorontana androany alamina. Ny fandrombaham-pahefana mampihotakotaka fongorina tsy hanangatra amin’ny tanintsika. Ny gidragidra politika alevina im-pito mandifotra olona ho lasa fady amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Filamatra voizin’ny MFM hatrany hatrany izany.

NY FANJAKANA IARAHA-MANANA NO DEMOKRASIA.
Mailo isika fa mampifandratra ny fanjakana an-dàlambe, ny fandrombaham-pahefana @ herisetra, ny fiokoan’ny vitsivitsy. ny demokrasia dia tenieranan’ny mpiray firenena manaraka lalàm-panorenana sy manara-dalàna.

TSY VAROTRA OMBY ANATY AMBIATY NY DEMOKRASIA (chèque en blanc) ka ny vatany bokaboka afenina fa ny tandrony ihany no aseho. Tsy kabary ambony vavahady koa. Koa mailo isika fa ny tenierana mazava ankarihary no demokrasia.

Entin’ny MFM ho tenierana ary fa :

- dinika ifandaminana ikaonan’ny hery politika rehetra ny demokrasia atsangantsika,

- fanjakana iarahana manana ny repoblika. Samy tompony na Mpitondra na Mpanohitra.

ireto kosa no tenierana hitsarantsika vahoaka ny governemantam-panarenana :

  • fandaminana haingana. Famaizana tsy misy indrafo na famotsorankeloka ireo tsy mifaditrovana namotika ny toekarena sy nandoro velona ny mahantra,
  • famerenana @ laoniny ny orinasa, ny famokarana ny varotra sy fifamoivoizana,
    • eo @ politika :
      • mandamina ny sehatry ny fanaovana politika ka singanina manokana ny satan’ny antoko mpanohitra,
      • mampifandamina ny firehana politika samihafa momba ny fidirany eo amin’ny hainoamanjerim-pirenena. Mamoaka « Code de communication », sns …
      • manitsy ny Lalàm-pifidianana,
      • manomana fifidianana faobe mivantana andraisan’ny mpifidy rehetra anjara,
      • manomana fifidianana ametrahana haingana ny faritra 22 (regions).
    • eo @ fihariana (ekonomika, toekarena) : velomina ny tenieranan’ny mpiray firenena momba ireto :
      • ny fanarenana haingana ny orinasa sy ny fampananana asa ny olona
      • ny fifaninanana malalaka mifady ny fanararaotana sy ny ampihimamba ary indrindra tsy mahazo mampiasa fahefam-panjakana hitanila @ mpifaninana (Lalàna mazava).
      • ny tetika hanajariana haingana sy ny hampamokarana ny tany midadasika lavavolo
      • ny fitrandrahana sy fanodinana ny harena ambanin’ny tany
      • ny tetika momba ny angôvo sy fitrandrahana azy.
    • eo @ foloalindahy :
      • ny satan’ny foloalindahy sy ny hajany anivon’ny firenena, ny voninahitra sy fifampifehezana ary ny fahefana ao anivon’ny foloalindahy

Mailo ary isika ka araho maso ndrao olombitsy na sivily na miaramila no mioko mandrombaka fanjakana.

NY FOIBE MFM
Antananarivo, 01 febroary 2009

VIGILANCE DEMOCRATIQUE

16 commentaires

Vos commentaires

  • 18 février 2009 à 07:50 | tsikera (#126)

    Faly miarahaba tompoko,
    Tsy dia mpakafy loatra ny antoko MFM ny tenako, nefa kosa mahita ny soso-kevitra ataony izao dia midera sy mankasitraka tanteraka satria ireo ambiny izay mpifanandrina @zao fotoana izao dia toa tsy mitsinjo afa-tsy ny tombontsoany manokana.Ka ny hirariana dia tsy hijanona fotsiny eo @ fikasana sy ny heritreritra fa hisy olona sahy hanatanteraka ireo zava-boalazan’ny antoko MFM ireo mba hampandroso tokoa ny firenena.
    Mino sy manantena fa hialantsika @izay ilay hoe MINOA FOTSINY IHANY.Dia mametraka ny mandrapihaona tompoko.

    • 18 février 2009 à 08:31 | Zokilahy (#128) répond à tsikera

      Misy marina betsaka ny voalazan’ny MFM. Marihina aloha fa atramin’ny voalohany dia tsy mba anisan’ireo antoko « opportunistes » io antoko io ka nijapy izay besandry sy bevava. Mety hiova sy handroso i Madagasikara raha tahaka izany daholo ny antoko politika rehetra manoloana ny raharahampirenena.

    • 18 février 2009 à 14:16 | RADAGIL (#127) répond à Zokilahy

      On le sait quil n’est légal de conquerir le pouvoir par la rue mais quand le Président de la République se comporte comme le dernier des voyous en détournant à son profit tout l’argent de l’ETAT on peut rester en l’état.Pour défendre son précarré il n’a pas hésité à faire tuer ses compatriotes.Il a perdu ce voile protecteur,ce bouclier invisible la révérence qu’impose la fonction de Pere de la nation,Président de la République.Sur le plan national et international il n’est plus crédible il faut qu’il se casse

  • 18 février 2009 à 09:59 | John (#135)

    mankasitraka tokoa ny ila fijerin’ny antoko MFM eo anatrehan’izao korontana izao.Io antoko tokoa moa dia tsy mbola tena hita nanao hetsika mahery vaika teo anatrehan’ny fitondrana rehetra izay nifanesy, ary hita marina @ zany fa sady olon-kendry, goika’antitra @ raharaha politika sy ekonomika tokoa izy ireo.Mandinika am pahanginana ny toe-draharaha mpirenena tokoa ry zareo, torak’izany ihany koa ny fijerin’ny antoko AVI.Raha ny plan an tsoratra voambara ao @ Fanambarana izay nataon’dry zareo no jerena dia hita fa mety tena handaitra @ fampandrosoana haingana ny firenena tokoa. Raha tsy hoe kobaka am-bava fotsiny angaha !!!!! kanefa hatr@ zao aloha dia mbola tsy porofo marina manazava izany, ka maninona moa andramanan-tsika ny antoko MFM ???

  • 18 février 2009 à 11:40 | Beloha (#144)

    Izaho dia Fanilo hatry ny kely - niaina ny clando - nandalo MAP - nandalo Vondrona sy KP ary Mpandrindra KMSB. Efa sarimihetsika tamin’ny 10 aogositra 1991 ny 07 febroary 2009. Tsy nitarika vahoaka tamin’izany nefa kosa tsy nankafy ny fandatsahan-drà. Tsaroako tsara fa hoy i Lynx tamin’izay : « Maloto eo anatrehan’ny vahoaka ny MFM , fa rehefa avy eo dia misasa indray ! » Nefa tafasasa ve ? Tsia ! Zara fa nahazo fanjakana hatrizay. Efa misaina kosa aho izao, ary na tsy mpitrifana toa an’i Pety aza, tsy manaiky kosa ny mpitondra manao vonomoka ny vahoaka ! Tetika sy teti-panorona no nampahalaza ny MFM fa tsy nahay nandray vokatra ka voasongona hatrany ! Tsara petraka hatrany ny tetika hatrizao saingy aiza ny vokatra ? Ny hafa no nijinja !Manameloka tanteraka an’i Constant nanao angoatenda teny Mahamasina aho na dia horoahin’i PN aza ! sa marina tokoa fa nandray vola 45 tapitrisa teny Iavoloha dia nanjary mpiray petsapetsa ? Raha mbola hiray petsapetsa amin’i Ra8 sy Ratsiraka mpamono olona dia veloma ry 27 desambra ! Aleoko hiverina hitrifana ! Beloha

    • 18 février 2009 à 16:22 | zanaigasikara (#130) répond à Beloha

      Tsy fantatro iza no miafina ao ambadik’ilay hoe BELOHA,
      fa izao dia manohjana ny teniny tanteraka, ary manameloka an’i Constant.

      Tao amin’ny MFM/MFT no nipoirako, ireo vahoaka ireo no nitaiza ahy, ka na ho voaroka aza dia tsy hitsipa-doha ny laka-nitana.
      MLM

    • 22 février 2009 à 00:08 | jonas (#185) répond à Beloha

      Mandehana mahazo hoy ny fiten,ny tanora tamin ny fotoan’androny.

  • 18 février 2009 à 12:08 | Rivohanitra (#142)

    Misy atelina nefa misy mahagaga ity firesak’ireo MFM

    Ireo mahantra nodorana dia voafaritra sy voalaza tsara. Marina fa miteraka loza ny fitarihina ankizy androba.Mahakivy ary mampalahelo.

    Fa ahoana ity mpitondra nahavatra nitifitra ireto andihin’ankizy tsy nitora-bato tsy nanopa tsy niteny ratsy no toa tsy asiana fitenenana ? Zanaka mahantra ihany koa ireo maty ireo ary voavolavola no nandehanany namohy aina.

    Tsy tokiny mitongila.

  • 18 février 2009 à 16:48 | Radôdôsy (#164)

    Miarahaba ny Malagasy tsy an-kanavaka,

    Misy hieritreretana lalina ny fanambaran’ny antoko MFM, indrindra amin’izao fotoana mampiotakotaka ny fo izao, izay mampihemotra ny saina.
    Hafa ny nahafantarako ny antoko MFM, ary na dia tsy mifanara-kevitra aminy foana aza aho, dia hitako kosa fa fanambarana hampilamina ny firenena no nataony, mba hanemorana ny korontana.
    Raha misy amintsika ny TENA TIA TANINDRAZANA MARINA (tsy hoe efa mivavaka dia tia tanindrazana ...) dia tokony hieritreritra hatrany ny ho avin’ny Madagsikara eo anatrehan’izao tontolo izao, ary tokony koa hieritreritra ny ho avin’ny vahoaka madinika izay miasa (izay mitaingin-tamboho sy ny mangalatra, sy ny migafigafy dia tokony hampianarina hivoatra).
    Be ny tiana hambara fa mirary soa ho an’ity tanindrazana hiombonantsika ity.

    Radodosy

  • 18 février 2009 à 19:19 | Rabe (#174)

    Efa ratsy hatramin’izay ny fijeriko ity antoko ity. Ka na dia hitako fa tsara izao hevitra atolony izao dia manahy ihany aho sao dia fitiavana te hahazo fotsiny. Sao hiseho amin’ny tena toetrany taloha rehefa omena sehatra.

    Rabe

  • 19 février 2009 à 11:19 | Nini (#218)

    Faly miarahabe antsika tena manaja demokrasia. Izaho mankasitra ny hevitry ny antoko MFM, hita mihintsy fa efa matotra ary efa zatra mifandray amin’ireo democrate erantany ka nahazo lesona. ka amiko dia tsara koa raha miofana politika ireo antoko eto amintsika.

    Misaotra

    Nini

  • 20 février 2009 à 13:05 | rakoto randria (#195)

    Tsiahiviko ireto zavatra vitsivitsy ireto :
    - Misy ny atao hoe lalàna sy ny ara-dalàna
    - Tokony hisy ny fahazoana maneho hevitra an-kalalahana
    - Ary ilaina ny antoko mpanohitra.

    Izao no kianiko amin’ireto mpifanandrina roa tonta ireto :
    - tsy fitadiavana demokrasia izany no anton’izao barofo ataon’i TGV sy ny tariny izao fa sady fankahalàna manokana miaro fitadiavan-tseza tsotra izao satria na ny fihetsika rehetra natao dia efa anti-democratiquie daholo. Efa vita tamin’ny 72 sy 91 izany mandrombaka fahefàna izany.
    - Be dia be ny tsy nety nataon’i Ra8. Ary ny olona rehetra dia mahita izany daholo fa tsy ny TGVistes ihany. Ary ara-dalàna izao fitondràna izao ka tsy azo haongana raha tsy amin’ny alalan’ny hetsika demokratika ihany, izany hoe fifidianana izany.

    Koa :
    - tsy azo esorina eo ny filoha raha tsy resy amin’ny 2012.
    - tsy maintsy manova fihetsika anefa izy aoarian’izao zava-mitranga izao. Tsy misy intsony ny « varotr’omby anaty ambiaty » araka ny voalaza.
    - tsy maintsy asehontsika rehetra rehetra koa fa vonona ny hanarina ny firenéna tokoa isika.

    Noho izany no iandaniako amin’ny hevitry ny MFM. Tsy mijery intsony aho hoe izao sy izao io antoko io fa izy aloha no hitako fa manolotra hevitra tena hahatsara zavatra.

    Ny « polémiques » rehetra dia tsy mamokatra intsony. Aoka ny ho avy no banjinina.

    Amin’ny fihavana.

  • 21 février 2009 à 03:11 | arison (#292)

    Zaho aloha tsy mankasitraka ny fomban’i Constant iny mihitsy satria fantany ny zava-niseho teto amin’ny fitifirana dia sahiny ny namoaka ny teny toa ireny teny Mahamasina.
    Voaporofo amin’izao fanambarana izao fa mitongilana any amin’ny fitondrana ankehitriny izy ary mankasitraka ny famonoana olona anjatony.
    Tsy afa-miala tokoa io antoko io satria anisany nandray volaba tany Iavoloha de miady mafy ny hiara hiasa amin’ny ravalo.
    Tsy ekeko ny foto-kevitra ijoroan’ny MFM fa tokony tsy hiteniteny foana fa handinika tsara ny zava-misy eto amin’ny firenena fa tsy hanao toa ireny fa manala-baraka nefa mba antoko manana ny maha izy azy. Mahafaly an’i R. CON-stant ny faty olona teny Ambohitsorohitra satria ny MFM anisany mpanolotsaina tao anatin’iny fanapahan-kevitra iny.

  • 21 février 2009 à 18:24 | fandresena (#299)

    asa raha diso ny vaovao reko fa ny MFM ange ka nihaoana tamin-dRatsiraka hono e ! ka asa fa dia sarotra ny raharaha e !

    • 22 février 2009 à 00:15 | jonas (#185) répond à fandresena

      Rehefa tsy maka fahefana amin’ny herisetra dia tsara na avy aiza na avy aiza.Fakana fahefana amin’ny fandresen-dahatra no ara-demokratika

    • 23 février 2009 à 11:04 | Rakoto (#358) répond à jonas

      Efa ela tokoa no nisian’ny antoko MFM fa hatramin’izao tsy hita marina ny porofo mampiseho fa antoko manana fahalalana @ fomba fitondrana izy ! T@ izao tao @ io antoko io (efa ela tokoa satria t@ taona 1975) tsy mbola naheno akory an’i izany hoe Ra8, Na Andry TVG. Io antoko nivoahako io anefa nahita ny tantara rehetra avo sy iva niainan’i Madagasikara. Maro ny tanjona nampianarana ny mpitolona ho an’ny fanjakan’ny madinika hatramin’izay ! Kely dia kely ny zava-bita mihoatra @ vitan’ny mpitondra fanjakana Ra8 no sady « fanta-bahoaka » fa mpangoron-karena be tsy misy ohatr’azy tokoa ao Madagasikara ! . Aiza ny fampiarana ny fifanarahana voalohany nifaneraserana t@ mpiara-mitolona hoe « tsy tsara ny fangoronan-karena sy ny fanabakana vahoaka » ! Aiza ny reseka hoe ny « tany ho an’izay mamboly azy !... Marina tokoa angaha raha Daewoo aloha no mahazo alalana avy @ tompon’ny fahefana ... 99 taona tsy misy hiadian-kevitra @ vahoaka akory !... Demokrasia MFM vaovao ve izany !!!... Aza adino fa mbola maro ny mijery sy tsy manadino ny famitahana ny saim-bahoaka @ alalan’ny »KABARY TSARA LAHATR’« i »Andriamatoa Manandafy Rakotonirina" izay be tantara tokoa !!!.
      Hamaranan’an’izany dia aza adino ny tokoa ny hoe « Foin’i Zanahary ho an’i Vahoaka madinika ny »TANY« sy ny »Fanjakana«  ! ... Tsy misy filazana an’i Ra8 io tanjona io hatramin’izay !. Tsy adisanina na arithémitique na baolina kitra koa ny Demokrasia ka mila miandry »2ie na 3ie mi-temps« vao mila soloina na dia fantatra fa tsy manjary intsony aza !!!... Jereo ny fivoaran’ny teknolojia era-tany, soa ihany fa tsy mila miandry hoe efa tapitra izay azo atao @ teknika iray vao hieritreritra indray hoe inona no hanoloana azy !!! Ho an’izay nianatra ny »matérialisme dialéctique sy historique« dia tokony ho fantatra fa tsy tongatonga ho azy izao fisehoan-javatra izao fa vokatrin’ny »tsy fitoviam-pijery etsy sy eroa = contradictions« . Jereo ny vokatrin’ny krisy ekonomika era-tany, jereo koa ny ankamaroan’ny olona tsy manaiky izany !. Na i Karl Marx aza izay nianarana tao@ io antoko MFM io dia efa nanambara ny lojika ekonomika fangoronan-karena io !!! ... Aza fitahana intsony ny olona fa mba hilazao ny tena marina !!! Tsy vala be mandry intsony fa »AMPY IZAY " !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS