Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 04h29
 

Tsakotsako

Tsakotsako

Fa maninona no mandeha irery e ?

vendredi 8 août 2008 | Njaka, RAW

Tanàna tsy misy mpivarotra, tsy misy rano fisotro na dia loharano aza, tsy misy jiro, tsy misy taxibrosy,.... ny ao Antakavana. Mandeha tongotra ora fito vao mahita ny lalana godorao.
170 km miala an’Antanaanrivo no misy azy, manaraka ny lalampirenena faha-efatra, ao amin’ny tendrony avaratra-atsinanan’ny distrikan’Ankazobe no misy azy. Rehefa afaka 30 km avy aty Antananarivo miala an’Ankazobe, mivily miankavanana, 45 km lalandratsy vao tonga ao amin’ny kaominina Antakavana. Be dahalo, tsy fantatra intsony izay olon-dratsy sy olo-marina ao an-tanàna. Vitsy mponina kanefa be omby satria raha 7000 monja ny isan’ny mponina manerana ny kaominina 720 km2 dia mahatratra 6000 ny isan’ny omby.
Na andro antoandro aza misy ny dahalo milanja basy kalachnikov. Ny sabotsy teo no very ny omby 20 an’ny sefompokontanin’Antaniditra, fokontany any amin’ny 35 km miala an’Antakavana. Andeha hanao fitarainana any amin’ny kaominina izy no faly tampoka raha tojo ireo manampahefana notarihin’ny lehiben’ny faritra Analamanga, Fidy Ratsimbazafy, ny kaomandin’ny vondro-tobi-paritry ny zandary ao Ankazobe, ireo tale ao amin’ny faritra. Efa lasa niampita an’i Betsiboka mifanila amin’Anjozorobe ireo omby hoy izy, ary efa manaraka dian’omby any ny fokonolona fa izaho andeha hanao fitarainana.

Betsaka ireo mpiasampanjaka tsy tamana ao amin’ny kaominina Antakafana. Sahy mitsotra mivantana ireo mponina fa tsy tiany izany « fampandrosoana izany ». Mangataka fifindrana ireo mpiasampanjakana matetika satria mahazo fandrahonana foana, manana olana amin’ny mpiara-monina.
Mpitsabo iray niasa tao Ankazobe no nitantara, taminay. Raha nandeha an-tongotra izy hamonjy an’Antakafana hanao ady amin’ny pesta dia nifanena tamina lehilahy matanjaka voatifitra teo amin’ny sandriny. Noesoriny ny bala. Nony telo taona aty aoriana, raha handeha hitety tanàna toy ny asany Radoko, nifanena tampoka tamina lehilahy nitondra basy kalachnikov. « Fa maninona no mandeha irery dokotera a ? » hoy ny fanontaniana ?, Tadidinao ve aho, hoy ilay tovolahy ? Ianao no nanala ny bala teto antsandriko, andao ianao aterina, aza mandeha irery ntsony amin’ny sisa hoy ilay tovolahy ! Ohatra amin’ny zavamisy ao Antakafana izany tantara izany.

Tonga tampoka ny lehiben’ny Faritra ny alarobia teo hanao dinik’asa hampandroso haingana an’Antakavana. Tonga ny bildozera hanao lalana ; tsy maintsy afindra ny trano efapolotafon’Antakafana. Nafindra ao Andranomiady ny tanàna satria nokoan’ny rano ka tandindonin-doza ireo 40 tafo. Eo ampita ankehitriny no misy ny kaominina Andranomiady na Antakafana hatramin’izay. Hisy ny fampidirana rano fisotro, jiro sy ny sisa ka ho kaominina filamatra na kaominina pilaoty ny ao Antakafana vaovao.
Toerana betsaka harena an-kibon’ny tany moa Antakafana, toa ny volamena, berila, vatotsoa isan-karzany ka mety ho avy ny mpitrndraka vaventy, sady hampandr fahalemana ny tany sy ny fiarahamonina ary ny fifamezivzen’ny olona sy ny entana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS