::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 07h10  :  20°C  :  Soleil et nuages épars
lundi 22 mars 2010
 

 > Tribune libre

FANAMBARANA

jeudi 21 janvier 2010

Eo anatrehan’ny zavamisy ankehitriny, izay ahitana ny tsy nampahomby ny fanantanterahana ny fifanarahana vita tany Maputo sy Addis Abeba, ny RARE dia mihevitra fa :

Tsy misy afa-tsy amin’ny alàlan’ny fifanakalozan-kevitra madio sy ny fitadiavana ny marimaritra iraisana ihany no hahitantsika vaha-olana amin’izao krizy misy eto amin’ny Firenena izao. Koa manainga antsika Malagasy hifampiresaka sy hifandefitra, fa raha tsy izay dia hahazo vahana ny fifankahalana sy ny fifanenjehana izay mety hitondra antsika any amin’ny fifandonana. Izany fifanankalozan-kevitra eo amin’ny samy Malagasy izany dia handraisan’ny hery velona rehetra eto amin’ny Firenena anjara fa tsy ho apetraka amin’ireo ankolafiny politika efatra izay namolavola ny fifanarahana tany Maputo fotsiny akory.

Ho fanantanterahana izany fifampiresahana sy fifanankalozan-kevitra izany dia tokony hijoro haingana ny solontenan’ny Ray amandReny na ny Olobe to-teny vitsivitsy avy amin’ny Faritra rehetra misy eto amin’ny Firenena handinika ireto zavatra manaraka ireto :
- ny antony tsy nampahomby ny fanantaterahana ny satan’ny Tetezamita,
- handroso tolon-kevitra toy ny sata vaovao sy ny lalan-kizoran’ny Tetezamita homeny an’izay solontenan’ny Hery Velona misy eto amin’ny Firenena mba ho dinihina.

Ny fanaovana fifidiana alohan’ny hisian’ny marimaritra iraisana dia tsy mahavaha ny olana misy.

Ny nanekentsika ny nampijoroana ny Tetezamita rahateo moa dia ny mba afahafan’ny Malagasy rehetra hamolavola Lalampanorenena vaovao eken’ny maroanisa sy hametrahana ny fitsipi-dalao mazava hisian’ny fifidianana madio tsy hampisy olana sy korotana intsony eto amin’ny Firenena.

Ny RARE dia vonona handray andraikitra hampifanatona ny hery rehetra ahitana ny marimaritra iraisana amin’ny samy Malagasy ivoahana haingana amuin’ny olana ara-politika misy ankehitriny.

Ny Mpandrindra ny RARE
VELOMPANAHY Aristide

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail envoyer par mail   

 1 réaction Lire les commentaires

  • FANAMBARANA
    21 janvier 13:15, par vodkasola

    - HATAOKO MILLIARDAIRE DAHOLO NY MALAGASY REHETRA
    - HATAOKO MAHAZO FIARA 4L DAHOLO NY MALAGASY REHETRA
    - HATAOKO TAFAVOAKA NY TUNNEL ISIKA TSY HO ELA
    - HATAOKO HENO MANERANA NY NOSY NY RADIO REHETRA IZAY MISY ETO MADAGASIKARA
    - HATAOKO MAHAZO ASA DAHOLO NY TSY AN’ASA
    - HATAOKO MITOVY DAHOLO NY MALAGASY REHETRA NA NY MANAMBOLA DIA ATAOKO MITOVY AMIN’NY MAHANTRA ARY NY MAHANTRA ATAOKO MITOVY AMIN’NY MANAMBOLA
    - HATAOKO MAIMAIMPOANA NY FIANARANA
    - HATAOKO MAIMAIMPOANA NY FITSABOANA
    - HATAOKO MAIMAIMPOANA NY FITATERANA
    - HATAOKO PARADISA SOSIALISTA I MADAGASIKARA
    - HATAOKO PARADISA KAPITALISTA I MADAGASIKARA
    - HATAOKO MANGARAHARA DAHOLO NY FITANTANANA ARA-BOLA ETO MADAGASIKARA KA NY KAONTINAO ANY AMIN’NY BANKY DIA TOKONY HO FANTATRIN’NY MALAGASY REHETRA ENY SA TSIA ? FIDIO AHO RY MALAGASY- VELOMA

    Noter ce commentaire
    3 votes

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Expo Fleur d'école - L'enfance ailleurs

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

décembre 2009   janvier 2010   février 2010
L Ma Me J V S D
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
 
  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 142  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360