::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 15h01  :  27°C  :  Soleil et nuages épars
mercredi 15 février 2012
 

 > Tribune libre

FANAMBARANA

mardi 22 décembre 2009

Araka ny Lalàm-panorenana ;

Araka ny hitsivolana laharana faha 2009-001 tamin’ny 17 marsa 2009 manome ny fahefana feno ho amin’ny Fitondrana Miaramila ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2009-002 tamin’ny 17 marsa 2009 mamindra ny fahefana feno ho an’Andriamatoa Andry Nirina Rajoelina ;

Araka ny fanapahan-kevitra voarakitra ao amin’ny taratasy laharana faha-79-HCC tamin’ny 18 marsa 2009 ;

Araka ny hitsivolana laharana faha 2009-012 tamin’ny 18 septambra 2009 mikasika ny fandaminana vaovao ny fitondrana tetezamita ho any amin’ny Repoblika fahaefatra ;

Araka ny hitsivolana laharana 2009-012 tamin’ny 18 desambra 2009 izay manafoana ny hitsivolana laharana 2009-009 tamin’ny 08 septambra 2009, izay nankatoavana ny satan’ny Tetezamita natao sonia tany Maputo tamin’ny 9 aogositra 2009 :

Foana avy hatrany noho izany ny fifanarahana rehetra miaraka aminy sy ny sata tovana tany Addis Abeba.

Vokatr’izany, tsy manana alalana hanatanteraka ireo andraikitra voafaritra ao amin’ny sata tovana, izay efa tsy manankery intsony, ireto olona manaraka ireto :

- Emmanuel Rakotovahiny
- Fetison Rakoto Andrianirina
- Mamy Rakotoarivelo
- Albert Zafy

Noho izany :

Tsy ara-dalàna ny fampiantsoana ny Kongresin’ny Tetezamita.

Tsy manana zo hibaiko ny mpiasam-panjakana na/sy hampiasa fitaovam-panjakana intsony izy ireo.

Ambohitsorohitra, faha 20 desambra 2009

Ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

 6 réactions Lire les commentaires

  • FANAMBARANA
    22 décembre 2009 10:37, par Manantena (#1345)

    FANAMBARANA avy @ fanjakana tsy refesi-mandidy.

    Hitsahina daholo na Lalam-panorenana, na Traités, na Accords iraisam-pirenena, eny na dia Charte nireharehana fa avy @ tena ary natao sonia aza.

    Sans foi ni loi, ireo teny ireo no mahafehy ny momba io FATy io.

    • FANAMBARANA
      22 décembre 2009 11:10, Zama (#3497) répond à Manantena (#1345)

      IAMIN DADA EST RESSUSCITE
      L’ONU VA DEVOIR PRENDRE EN COMPTE DES MEFAITS DE ANDRY ET DE LA FRANCE, DES MILITAIRES COMME CHARLES ET LILYSON. OU EST LE TPI ? A BAS LA HAT

  • FANAMBARANA
    22 décembre 2009 11:20, par Mandimbisoa (#2104)

    Rajoel a !

    Fa iza no mandidy ?iza no manapaka ?iza no manao sonia ARY IZA NO NANDEHA TANY MAPUTO NANAO SONIA NIARAKA TAM ireo mouvances sasany ARY nanaiky izay tapaka tany ?

    NOTERENA ianao sa NOVOZOINANA hanao ilay SONIA tany ???

    Tsy kilalao hoy aho ny firenena !
    mahaiza misaina rehefa te -hitondra fa ratsy izao famindranao izao,inona no nanarahan’ireo olona anao tsy hoe ny hanafahana azy am didi-jadona koa manotany anao aho:TSY DIDI-JADONA VE IZAO ATAONAO IZAO ???

    • FANAMBARANA
      23 décembre 2009 04:09, lala (#3516) répond à Mandimbisoa (#2104)

      sao marary fo ry neny a, lanjalanjao fa ho sahirana anie ianao
      Mitondra firenena izany tsy maintsy mihenjana fa raha malemilemy dia be ny mpanararaotra
      Izy izao no eo @ fahefana dia manao izay tiany hoatra izay nataon-dRatsiraka, Zafy penjy, R8 t@izy ireo nitondra
      Aidiry ao andohanao fa ny mitondra olona dia tsy maintsy mihenjana, manao didy jadona na iza na iza mitondra eo fa kosa ny famaritana ny fampiasana ny jadona no samy hafa
      Ho avy eo koa ny manaraka dia ho hitanao ny fampiharany ny didijadona @ fomba hafa
      Ary ireo olona 3 mouv ireo ve moa tsy efa naloan’olona avokoa ? manimanina ny tongolon’i Egypte ?
      Ny mpanohitra tsy maintsy misy fa mila mahataty sy mihenjana izay eo
      Ampalahelo ianareo nahita ranondranony t@ fitondrana teo aloha
      Anjaran’ny hafa izao fa aza mijijy ee

      Tandremo ny tosi-dra

  • FANAMBARANA
    22 décembre 2009 21:26, par bodida (#175)

    On connait depuis le début que Rajouel veut jouer, il veut le pouvoir pour faire sa vie, pour manipuler le peuple !
    On savail très bien qu’il ne veut pas la démocratie, ni la liberté, ni le profit du peuple !! Tant pis que les peuples, les jeunes tégévistes sont plus naifs, qui ne comprennent rien même la situation est très grave !
    Quel dommage ? Si ça continue comme ça, Madagascar va devanir le pire des pire cet année prochaine ! Quel destin !!!

  • FANAMBARANA
    23 décembre 2009 14:35, par Azavao (#3623)

    Tena misy oul tsy afaka mieritreritra intsony an ! Fa nahoana moa « lala » ny oul rehefa tsy mitovy fijery aminao dia nahazo ranondranony t@ fitondrana teo aloha ? raha izao ataonareo (sa ataon’ny TGV ?) izao dia tsy hihevitra mihitsy aho fa hisy soa ho an’ny fireneko. Naloan’ny vahoaka hoy ianao. Hafa ny hitako satria nenjehin’ny miaramila hoy aho ka izao ny vahoaka no mitaky fa tsy lasa ity dia ampiasaina izao indray ireo mpandroba mitam-piadiana ireo. Izaho tsy manozona satria malagasy mitovy amiko ireo, izaho tsy handatsa anareo mpomba ny TGV satria izay no hevitrareo, raha ity article misy antsika ity fotsiny izao dia mihomehy irery eto aho hoe mba nianatra droit ve ilay lehibe sa napetraka satria « NITOLONA HONO » ?

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

novembre 2009   décembre 2009   janvier 2010
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 427  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360