Mitohy ny fampisavorovoroana ny saim-bahoaka ataon’ireo vahiny fahavalom-pirenena, ary manaraka ambokony izany ireo teratany mpitsivalam-pandry amin’ny Fiandrianam-pirenena. Ireo filoha izay naloan’ny vahoaka malagasy na naongan’ny Antenimieram-pirenena (empêchement) ary ireo mpomba azy avy no nohosoran’ny GIC ho « mouvances » telo. Nanaiky hosokajina ho « 4ème mouvance » koa Atoa Andry Rajoelina. Fanomezan-danja ary fankatoavana ny foto-pisainan’ireo vahiny mpitsabaka amin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy ireo izany. Ary dia io izy manaiky ny fiantsoan’ny GIC (convocation) any Addis Abeba io ankehitriny.
Hamafisin’ny Otrikafo indray fa mibaribary ny asa fandemena ny herin’ny vahoaka mitaky ny Fiandrianam-pirenena, ary tsy miafina intsony ny famadihana ny Tolom-bahoaka izay noezahina nakatona anaty rindrina efatra, na teto an-toerana (Le Hintsy, Ambassade du Sénégal, Carlton), na tany ivelany (Maputo, Addis Abeba).
Izany dia endrika mazavan’ny fisehoan’ny fanonganam-panjakana nataon’ny Vondron’ny hery iraisam-pirenena mpanani-bohitra sy mpanjakazaka an-tanin’olona (GIC, SADC, …), izay miantehitra amin’ireo saribakoly teratany voalaza etsy ambony ireo.
Manantitra ary manizingizina ny Otrikafo fa TSY MISY AFA-TSY FOTO-PISAINANA ANANKIROA MIFANOHITRA TANTERAKA ETO AMIN’NY FIRENENA, nanomboka tamin’ny andro nananihan’ny vazaha an’i Madagasikara ka mandrakizao.
Mbola hita mibaribary izany amin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenentsika izao :
Andaniny, ireo nanao sonia ary manaiky ny fifanarahana Maputo : i Didier Ratsiraka, i Zafy Albert, i Andry Rajoelina, ary koa i Marc Ravalomanana sy ny mpomba azy, na dia nilaza ho tsy nanaiky ilay fanendrena ny praiministra sandoka aza izy. Fifampizaran-tseza izay afenina ao ambadiky ny ambarany ho « tombon-tsoa avon’ny tanindrazana » no mampifandramatra azy ireo. Tsy manan-kenatra akory ireo milaza azy ho « mpitady vaha olana amin’ny kirizy malagasy » manambara fa ny fizaran-tseza ho an’ireo « mouvances » efatra ireo no antom-pivoriana ankehitriny any Addis Abeba.
Ankilany, ny vahoaka malagasy iray manontolo mandala ny fiandrianam-pirenena, mandà ny fiankinan-doha amin’ny any ivelany ary mitady ny lalana hanafahana an’i Madagasikara amin’izao fampahantrana mahery vaika ataon’ny firenena mpanjakazaka izao.
Ny Otrikafo dia manambara fa miandany hatrany ary vonona hiara-mitolona amin’izay mijoro hikatsaka ny Fiandrianam-pirenena.
Noho izany, lavin’ny Otrikafo tanteraka ny fiheverana na ny filazana fa misy « mouvance faha dimy », ary tsy anisan’ireo manao sonia ny Fanambaran’io « mouvance » io izy, satria tsy fanomezana lanja ny Fiandrianam-pirenena ny fanekena ny maha « mouvance » ny Vahoaka malagasy mitaky Fiandrianam-pirenena tsy miankin-doha.
MASINA NY TANINDRAZANA.
OTRIKAFO
Antananarivo, faha 4 novambira 2009