Eny ry Tsivery a !
Aminkafaliana no amaliako anao Ramose !!
Tena mihevitra angamba hianao fa « pro-Ravalo aho ity ?? » diso tanteraka hianao fa sady tsy pro ravalo aho no tsy pro TGv " fandaminana ????? hummm ,hihih !! tsy misy mahita ny zavamisy angamba raha tsy ny ao Antananarivo, ary izaho sy hianao samy tsisy mipetraka ao Tanà,fa hianao any amin’ny côte fa izaho koa aty andafy, kanefa manaraka tsara ny fandehan-draharaha any Madagascar, ary dia lazaiko tsara anao fa manaraka akaiky an’io aho,satria rà malagasy ny mikoriana ato amin’ny tenako na dia manana nationalité vazaha aza aho, satria ny fianankaviako rehetra dia any Dago jiaby,
Mba manantena fiovàna koa aho na dia mipetraka aty andafy aza, hianareo manko tsy mahita ny commentairen’ny vazaha aty andafy aty,mandreraka be,
Ny fomba famiraviràna olon-dehibe ohatran’io no nampangotika ny foko fa tsy izay adisezan’ny mpanao politika ,
Haa !! dia marina aza fa mandamina ingahy présidà ao izao ka ! dia hita mihintsy moa ny fanaovany azy , didy jadona hatramin’ny AndronDRatsiraka ka hatramin’izao’’ ,tsisy fiovàny fa vao maika loza !!
Ary lazaiko tsara aminao ry Tsivery fa pro-Ravalo mahery fo aho t@ 2002 ary isan’ny nahavitabe t@ ny nahatongavany teo amin’ny fitondràna, kivy be aho amin’ny zavatra nataony ary dia tsoriko anao fa nanenina tongotra aman-tànana aho, ary tsy maniry ny hiverenany eo intsony fa avy amin’ny nataony no nahatonga ny firenentsika mandalo krizy ohatran’izao,
teniko farany, isan’ny nitolona hoanDravalo aho t@ ny 2002 ay nahavita be sady efa saiky nanaraka mbamin’ny aiko, noho ny inona ?nanantena fiovàna ? Kanefa izaho indray dia tsy hody fanina mihintsy hoe « na dia efa hita fa tsy mamely dia mbola thànana ihany » toy ny ataonareo pro-TGV ireo, na dia efa tsampanareo aza fa tsy mamely dia mbola iankohofana eo ihany,
Mba nahavita zavatra tsara ihany izy any amin’ny Faritany nihaviako , saingy niova hevitra aho ankehitriny fa diso fanantenàna ,ary tsy matoky an’izan’iza intsony,
fa mba tokony asiana fifanajàna fa tsy kobosoroka ohatran’io ? tena tsoriko anao tsara henatra be eran-tany izao zava-mitranga izao, dia hohitan-tsika eto ny tohiny ,
Raha tena lahilahy ary hianareo, teneno i TGv nareo hiroso amin’ny fifidianana fa normalement tokony hatao dans 6mois, kanefa noho ny fahatahorany ho very seza dia mamita hy mandatn’i Ra8, fa maninona no miandry 19mois ? mbola misy 18mois dia mirary soa hoazy aho haharitra ela eo saingy tiako ny milaza aminao « fa efa mihozongozona ny toerany » .
Diso angamba aho ???? saingy tsy miteniteny foana aho,,