Vaovao farany voaraiko koa ity ary tena mampivarahontsana !
"Raha manao izao fanambarana izao aho dia satria hisy zavatra lehibe, zava-doza hitranga eto @ firenentsika ity. Mikasika ny fanonganana ny filoha Ravalomanana izany. Source tena atokisana no nahazahoako izao vaovao izao satria officier supérieur ao @ Capsat, anisan’ireo manamboninahitra mikarakara izany fanonganam-panjakana izany no nilaza izany.
Raha nahatsikarika isika dia somary efa nihareraka ny tolona notarihan’i Andry Rajoelina. Betsaka no efa nieritreritra fa izay no izy @ io tolona io. Tampoka teo nefa, toa nivadika ny baolina, araka ny fitenenana, ka nahazo vahana be indray ity fihetsiketsehina ity.
Raha ny nambaran’ity manamboninahitra ao @ Capsat ity, dia i Norbert Lala Ratsirahonana no nanome hevitra an’i Andry Rajoelina, ary nilaza azy fa tsy mahatafavoaka an’ity tolona ity izy ireo raha tsy mahazo fanampiana avy ao @ tafika. Ary ny manamboninahitra ao @ Capsat no nasainy nantonin’i Andry Rajoelina. Nanambara araka izany ity manamboninahitra ao @ Capsat ity fa notambazan’i Andry Rajoelina vola be izy ireo, ary misy sasany aza nomena toky fa hahazo toerana ao @ governemanta mihitsy.
Mbola i Norbert Lala Ratsirahonana ihany no nanome hevitra ireto mpitolona hametraka fitarainana any @ HCC. Fantatsika rehetra moa fa Ingahy Ratsirahonana no filohan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana na HCC teo aloha. Mazava ho azy fa efa nantonin’i Andry Rajoelina koa ireo mpitsara ao @ HCC.
Raha mizotra tsara araky ny eritreretin’ireto mpitolona ireto, dia izao no trangan-javatra tokony hiseho :
Hanaiky ny fitarainana nataon’i Andry Rajoelina ny HCC, ka manala ny fahefana @ filoha Ravalomanana (Destitution). Ny filoha Ravalomanana moa efa nanambara fa tsy hiala eo @ fitondrana. Izay nefa no andrasan’ireto miaramila ao @ Capsat ireto, mba haha-« légale » ny fanafihana ho ataony eny Iavoloha.
Efa miandry ny « top » @ alalan’ny fivalian’ny fitarainana eny @ HCC tokoa mantsy izy ireto hanafiana ny lapan’Iavoloha. Ny tetik’ady dia efa voalamina hatry ny ela. @ izao fotoana hanoratako izao dia mety efa miresaka @ Andry Rajoelina ireo manamboninahitra ao @ Capsat handamina ny « détails » @ ity fanafihana ity.
Araka ny filazan’ity manamboninahitra ity, dia efa voaangona ao @ Capsat daholo ny fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny mitrailleuses. Ireo Tanks izay tany Arivonimamo koa dia nakarina eto Antananarivo daholo ary efa miandry fotsiny any @ toerana izay tsy nolazainy teto moa.
Hisy miaramila halefan’ny Capsat hiaro ny filoha Ravalomanana, nefa hivadika rehefa tonga ny fotoana. Hisy miaramila koa halefan’ny Capsat hanao barrage hiaro ny filoha, nefa hampiditra ireo miaramila hanafika ny lapan’Iavoloha.
Araka ny filazan’ity manamboninahitra ao @ Capsat ity ihany, dia nanafatra mpikarama an’ady na mercenaire vahiny ny filoha Ravalomanana, ka tokony hiditra eto amintsika avy eny amorontsiraka. Nisy camion iray nalefa hitsena ireo mpikarama an’ady izay efa voasakan’ny Capsat. Ny Capsat koa dia efa nandefa miaramila hisambotra ireo mpikarama an’ady ary haka ny fitaovam-piadina avo lenta entin’izy ireo.
Efa maro izao ny olontsotra sy miaramila voatana ao @ fonjan’ny Capsat, ary mety mbola hitombo ny isan’izany ato ho ato.
Hamaranako ity fanambarana ity, dia voaporofo izany izao fa Ratsiraka no ao ambadik’izao korontana mahazo ny firenentsika izao. Niantso an’i Andry Rajoelina i Pierrot Rajaonarivelo nilaza azy fa tsy manaiky ireto ministra tetezamita voatendry ireto ry zareo satria dia tsy zay no efa nifanarahana tany ampiandohana.
Misaotra anareo namaky hatramin’ny farany. Nilaza izay zavatra fantatro fotsiny aho fa anjaran’ny tsirairay no mandray andraikitra @ izay hitany fa mahasoa ity firenentsika ity.« Hoy Henry RATSIMBAZAFY hoe : »Vola ô ! Hatraiza moa ny fetran’ny herinao . . .