Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 03h20
 

Teny zato, kabary arivo

Diska loaka

samedi 10 janvier 2009 | Naivo kely

Tsy hisy ahita tombontsoa ao anatin’ny korontana, ka aleo mifampidinika. Efa an-taonany maro no nandrenesana io feo tao ambavan’ny ankolafin’olona maro teto amin’ny firenena, saingy nipoitra hatrany ny olana isan-karazany. Midika izany fa tsy nisy ny finiavana teo amin’ny ankolafin’olona samy hafa hiroso amin’izany fifampidinihana izany.

Mitaky ny fitakiany ny mpanohitra, ary mamoaka ny vanginy amin’ny izay mety ho rombahany, raha toa ka tsy mamaly izany ny eo anivon’ny fitondrana. Ny fitondrana koa ankilany raha nanao fitsidiham-paritra ny filohan’ny Repoblika, dia mbola miantso ny fifampidinihana ihany. Iza anefa no manao be marenina manoloana ity fifampidinihana ity ? Toa efa diska loaka ny fandrenesana izany feo izany. Inona no sakana tsy hirosoana amin’io raha tena eo amin’ny andaniny sy ny ankilany ny finiavana hisoroana ny mety hitrangan’ny korontana eto. Mbola mbe fanantenana ihany anefa ny maro amin’ny hisian’izany amin’ny fo mahitsy eo amin’ny hery samy hafa eto amintsika. Io no làlan’ny fahombiazana tsara indrindra, ka mbola fotoanany izao mialohan’ny ahatapahan’ny tadin’ny mpanohitra sy ny mpitondra. Sa hiandrasana hisy ra mandriaka indray vao hiroso amin’ny fampihavanam-pirenena ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS