Ry Malagasy tia tanindrazana, mampalahelo ny toe-tsain-tsika Malagasy ankehitriny : valifaty, fifankahalana, fitiavan-tena, nefa hampandroso ny firenentsika ve izany ? tsia ! vao mainka hampahantra ny Malagasy. Lasa Mr Ravalomanana, inona moa no soa azon-tsika manampotika ny fananany, izy mety tsy hiraharaha, satria izy mbola manana, fa ireo Malagasy maro miasa ao @ TIKO no tokony mba tsinjovina, Malagasy toa antsika izy ireo, mila mihinana isan’andro, hevero ho toy ny fananan’ny rehetra satria mahasoa ny hafa : hivelomany, maro isika izay mitady asa ankehitriny dia izay hita no atao, tsy ankijery na olona tsara na ratsy no tompon’ny orin’asa, satria fitadiavana, rehefa tsy mamoa fady no ataon’ny orin’asa dia miditra rehefa voaray satria tsy maintsy miasa hahafahana mihinana, dia ho tsinin’izy ireo ve no niasa tao @ TIKO ? na ireo miara-miasa mivantana aminy toy ireo mpamokatra ronono sns...tsy olon-dratsy izy ireo fa olona miasa mba afaka mihinana isan’andro toa anao, noho izany tsy mendrika ny fanampotehana ireo orin’asa ireo raha mahasoa Malagasy maro, olona iray ve no ankahalaina dia fitadiavan’olona maro no ho potehina ? tsy mendrika, samy mahalala ny rariny avokoa isika Malagasy fa ny mahatonga ny mason-tsika jamba ka manaonao foana matetika dia ny tsy fitiavana, raha tia tanindrazana isika, voalohany tokony atao dia mitia ny akaiky antsika, ny samy Malagasy, tsarovy fa tsy misy lehibe indrindra mihoatra ny fitiavana, ny fankahalana no manjaka dia mahatonga antsika hamaly faty tsy misy farany, raha izao no mitohy dia tsy ho lasa lavitra velively ity tanindrazan-tsika ity, mino aho fa raha atao amim-pitiavana ny fitadiavana izay hahasoa ny firenen-tsika dia handroso tokoa, ka na isika Malagasy aza dia samy ho sambatra, saingy indrisy fa mbola lavitra ny dingana satria manjaka ny FANKAHALANA, VALIFATY, FITIAVAN-TENA, raha samy mandinika isika fa olombelona tsy tanteraka avokoa dia samy hanao hezaka hanarenana ny tsy mety dia tsy misy afa-tsy ny FITIAVANA no afaka hitarika antsika hanantanteraka ny fikasana rehetra mba hanehoantsika amin’izay fotoana izay fa TIA NY MALAGASY REHETRA SY TIA TANINDRAZANA isika.