Amin’ny firenena toa an’i Ma/kara dia tsy misy olona mitsofoka any @ ireny tranomaizina ireny raha tsy nanaraka fombafomba ary nankasitrahan’ny fitondrana.
Mazava aloha izay.
Ary raha olo-manan-kaja toa ireo olona voatonona ireo(ambasady dimy tonta izany) dia tsy maintsy nandalo tany @ ambaratongam-pahefana ambony ao @ HAT ny resaka ka azo antoka fa i Andry na i MOnja Roindefo farafaharatsiny no nanome baiko hamelana malalaka ireo olona ireo hiditra sy hiresaka @ ireo « gadra » ireo. Tsy maintsy dinihina @ lafiny ara-pôlitika izany io toe-javatra io fa tsy azo tsotsorina fotsiny.
Ka inona ary hoy isika no ao am-badika ? Satria ny iaraha-mahita dia nanao « famangiana » ireo « ex » ireo ny diplômaty vahiny isan’ny ngeza eto amintsika.
Izany hoe raha avadika ny fanontaniana dia hoe inona no zavatra nifampiresahana teo @ ireo masoivoho sy ny mpitondra HAT ka tsy nampandry eritreritra ireo vahiny ka nahatonga an-dry Roindefo namoha midanadana hoazy ireo ny vavahadin’ny fonjan’Antanimora.
Sady marina tokoa fa sambany io tarehin-javatra io no niseho teto M/kara.
Ny sasany manko eto dia te-hanambara, araka ny fomba fanaony, fa fanehoana tsy fankasitrahana ny HAT izao zavatra izao, na fiandaniana na fanohanana ireo voafonja izao.
Resaka « speculation » ihany izany anefa satria dia misy fomba hafa izay tsotra nefa mahomby azon’izy ireo natao raha izany tokoa no eritreriny.
Ny zavatra azo inoana fa marina @ io endri-javatra io dia ny hoe nanao tantara valamaty tany ho any ry Raveloson Constant sy ry Raharinarivonirina fa tsy ao am-ponja intsony ireo olona ireo fa novonoina ary nariana ny fatiny rehefa avy nampahoriana( torturés et exécutés). Mitovy tsy misy valaka @ resaka afafy momba an’i Manandafy e.
Mety niady hevitra izy samy izy ireo ambasady ireo satria ao ny tsy nino ilay lainga satria mahalala zavatra, ao ny tsy natoky loatra noho ny tsaho mila mankarenin-tsofina.
Ny dikan’izany dia izao hoe :
tonga tao tokoa ry lerony ary dia nahita maso sy niresaka mivantana. Azo inoana fa tsy maintsy nitantara atsanga tsy aman’orana tao ry Ralanto, nanantena fa izay no hahaavotra azy. Saingy ny tanjon’ny HAT dia tsotra ary tratrany satria dia resy lahatra tokoa iretsy masoivoho fa velona soa aman-tsara ireo lazaina fa maty ary tsy niharana habibiana akory araka ny vao2.
Ka iza ary izany no nahazo tombony t@ io « opération » iray io hoy isika ? Ny pro-ra8 ve sa ny HAT ?
Manomboka izao izany dia tsy hino intsony ny lainga ataon-dry Constant sy ny tariny i Niels.
Ho tonga @ tantaran’ilay KOTO kely bevazivazy ny raharaha izao.Na ilay resaka « lainga toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony »