Ry Vahoaka Malagasy,
Tsy atao tompon-trano mihono isika Vahoaka, koa raisinay efatra mirahalahy izay isoloako tena eto (ny Filoha Rajoelina, ny Filoha Mpiara-mitantana Rakotovahiny, ny Praiminisitra Mangalaza ary ny tenako) ho adidy ny mitondra izao fanazavana izao.
Vao tafaverina avy tany Addis-Abeba izahay dia niezahana ary natao ho vaindohan-draharaha ny hametraka ny rafitra tetezamita hiaraha-mitantana, anisan’ny voalohany amin’izany ny fananganana ny governemanta tarihin’ny Praminisitra Mangalaza Eugène.
Efa narosonay taminareo Vahoaka taorian’ny dinika niarahanay farany teo, tao Ambohitsorohitra, ireo daty samihafa hanolorana aminareo Vahoaka ny anaran’ireo tompon’andraikitra handrafitra ny rafitra ao amin’ny fitondrana Tetezamita.
Tsy afenina antsika Vahoaka anefa fa sarotra ny raharaha. Ilàna fahamatorana, fahendrena, fahavononana ny fanatanterahana an’izany.
Maro ny te handray andraikitra nefa raharaham-pirenena no atao, iankinan’ny ho avin’ny Vahoaka sy ny Firenena ka tsy azo atao ankamehana, tsy hirotorotoana foana.
Mila fandinihina lalina, famadibadihana tsara ny lafiny mety sy ny tsy mety.
Nisy ny sakana samihafa eny andalana eny, koa aleo manao zavatra voahevitra tsara sy voalanjalanja, toy izay efa miroso vao voatery hiverin-dalana.
Noho izany :
Miantso antsika Vahoaka hanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra aminay ka hiandry ampitoniana, tsy hifanome tsiny, na hifamendrofendro fa hiombon-tsaina tanteraka aminay Mpitondra, fa hery lehibe ho anay izany amin’izao raharaha sarotra hatrehina izao,
Mangata-tsodrano aminareo Vahoaka, fa voatery hifampidinika any ivelany ny ankolafy efatra (noho ny tsy maha eto an-toerana ny Mpitarika ny Ankolafy roa, hifampidinika, hikatsahana ny mahasoa sy izay mety ho an’ity firenena ity.
Hery lehibe ho anay ny fanehoanareo fiombonantsaina hikaroka ny mahasoa ny firenena isika.
Mino izahay fa ny fiaraha-midinika atao am-pahendrena tsy maintsy miafara amin’ny fifanarahana satria “ny isavorovoroan-kilantoana”.
Mangataka anareo Vahoaka hatoky anay ary hitondra amim-bavaka ny dinika ary indrindra indrindra hanana faharetana, fa fahendren-tsika Malagasy ny hoe : “didi-maso asiam-panafody, mahareta fa hanana ny soa”
Koa dia mahereza mandrakariva, aza manary toky. Samia ho tahian’Andriamanitra.
Fetison Rakoto Andrianirina
Filoha Mpiara-mitantana
21 novembre 2009





