Meloky,
Misy fahamarinana ny zavatra nosoratanao :
Ny tsy nanasaziana ireo mpitondra rehetra teo aloha nefa nambotry ny firenena ary nampahantra fadiranovana ny Malagasy no nahatonga izao toe-javatra izao. On a laissé « impunis » des pseudo-dirigeants qui n’ont en fait que piller le pays et paupériser et affamer la majorité des Malagaches.
Ny zavatra tokony hatao izany izao, hoy ianao, dia ny fisamborana sy fanasaziana ireo mpanao politika nisandoka ny firenena sy nampahantra ary namono nahafaty ny Malagasy (un affameur est aussi un assassin). Manaraka ny hevitrao tanteraka aho. Noho izany, dia ireto misy soso-kevitra kely :
Sambory aloha ireo namono olona na nampamono olona na nahafaty olona rehetra na tamin’ny andron’iza izany, na tamin’ny andron’iza. Tsy an-kisafidy io fa atao fao-be ! (Tsiranana 1ère Rép, Deba IIè sy IIIè Rép, Zafy IIè Rép, Ratsirahonana Transition, Ravalo IIIè Rép, Tézévé Coup d’Etat).
Sambory daholo ireo mpiray petsapetsa tao (Senatera, depiote, minisitra, ambasadaoro, direkiteran’ny minisitera, HCC, ben’ny tanàna, Chefs de région, PDS, mpanolo-tsaina prezidansa sy minisitera, sy ny maro hafa tsy hay ho tanisaina eto)
Sambory ireo miaramila be basy sy be sandry nitifitra ireo
Sambory ny milisy sy ireo jiolahim-boto mitam-piadiana rehetra
Sambory ireo mpamadika palitao rehetra fa mpandainga sy mpamitaka ary mpamahan-dalitra ka mahatonga ny olona ho matimaty foana amin’ny tsy antony
Sambory ireo be bizina miafina ao ambadiky ny politika (bois de rose, lavanilina, vatosoa, sy ny sisa)
Sambory tsy misy hatakandro sy tsy misy an-kanavaka ... izay nanao ratsy rehetra.
Rehefa vita daholo izany fisamboranana sy fanasaziana izany, dia arosoy ny fifidianana am-pahalalahana sy tsy misy afinafina ary hala-bato. Ka olona vonona hampihatra tanteraka ny lalàna misy no ilaina ! (fa tsy olona mihevitra sy manao ny tenany ho ambonin’ny lalàna, ohatra ny mahazatra !)
Dia asio fepetra vaovao ho an’ireo mpitarika sy mpitondra vaovao. Dia asio fanaraha-maso tsy misy kolikoly. Dia araho fampiharana sazy raha tsy mahavita ny asany sy ny andraikitra nampanantenainy.
Dia ho hitanao fa handroso ny firenena.
Saika adinoko : Ovay tanteraka ilay toe-tsaina gasy manjaka amin’izao fotoana izao, fa raha tsy miova io, dia tsy hisy zavatra vanona eto.
Mirary soa ho anareo rehetra. Ary manantena anareo ho tratry ny asaramanitra.