Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 07h02
 

Tsakotsako

Betsaka ny ahiahy

lundi 25 août 2008 | RAW

Manoloana ny fanovàna tian-kano tsy tian-kano ny rafi-pampianarana ankehitriny dia iaraha-miaiky fa tsy azo atao andranandrana ny ankizy ary tsy misy ray aman-dreny te-hanao sorona ny zanany. Misy fanontaniana hovaliantsika ireto, hahitàna fa mety andanandrana indray ity ary mety ho lasa sorona ny zaza malagasy.

1. Ireto ny fanovàna misongadina :
- Teo aloha T1-T5 miafara amin’ny CEPE. T6-T9 miafara amin’ny BEPC. Seconde hatramin’ny terminale miafara amin’ny BAC

Ny hiova, tsy mbola mazava mihitsy satria toa tsy misy resaka ny amin’ny diplaoma. Mbola hisy ihany ve ny CEPE sy ny fifaninanana hiakatra taona faha-6 ? Ary rehefa mamarana ity atao hoe « école fondamentale » na ity lazaina hoe roa taona avy eo amin’ny T5, inona ny diplaoma tsy maintsy alaina ? Tsy tsaratsara kokoa ve ny fampitomboana ny isan’ny sekoly mampianatra mamboly, miompy, manomana ny asa vy, asa hazo, na erinaratra, na « plomberie » na « mekanika hafa », na teknikan’ny sampana fahasalamana no atao vaindohandraharaha ?
- Teo aloha ny teny fampianarana dia teny malagasy miampy teny frantsay. Ny boky any am-pianarana dia teny malagasy sy frantsay. Ny hiova dia tsy mbola tena mazava ihany koa. Ny resaka mandeha aloha dia hiditra ao amin’ny taona faha-6 ny teny anglisy.

2. Ny fomba nandraisana fanapahan-kevitra.
- Tsy ampy mihitsy ny lazaina fa hoe fikaonan-doha niaraka tamin’ny lehiben-tsekoly, tamin’ny mpampianatra indrindra ny tamin’ny ray aman-dreny. Izay ny mahatonga ny maro hihevitra fa tsy fanapahankevitra pedagôgika izy ity fa politika. Misy lafiny mirotoroto, teren-ko masaka. Fomba mifanohitra amin’ny lalam-panabeazana itompoina milamina, mazava, tony.

3. Ny mpampianatra sy ny boky fampianarana.
- Teo aloha dia sady miteny malagasy sy teny frantsay ny mampianatra. Raha tsy ampy ny boky malagasy dia nofenoin’ny boky frantsay. Ankehitriny dia mbola misy baraingo manontany hoe aiza ireo boky ary hoatrinona ? Sa dia atao kapo-batana fotsiny ?
- Tamin’ny andron’ny sosialisma nanagasiana ny fampianarana dia iaraha-nahita fa sady tsy nahafehy ny teny malagasy na ny teny frantsay tahaka ireo zokiny ny mpianatra tamin’izany. Ny antony dia tsy ampy ny boky voasedra azo ampianarana ary indrindra indrindra tsy voafehin’ny mampianatra ny teny malagasy enti-mampianatra. Tsy mbola nisy dingana vaovao misongadina vitan’ny fikarohana ny teny malagasy mikasika izany hatramin’izao.

Ny hambom-po manandratra ny maha-malagasy dia mendri-pideràna fa ny fanovaovàna ny rafi-pampianarana antemaka, mirotoroto dia inoana fa hampisafotofoto ny rafitra misy ary hiafara amin’ny fanaovana sorona indray ny zaza malagasy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS