Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 12h40
 

Malagasy

Fandrahonana olona ho faty

Ben’ny tanàna iray niakatra fitsarana

mercredi 30 avril 2008 |  505 visites  | Nivo T. A.

Ben’ny tanàna iray ao anatin’ny distrikan’Anjozorobe no
notsaraina tetsy Anosy, omaly maraina, noho ny raharaha fandrahonana olona ho faty sy fanaparam-pahefana ary
fihetsika mamoafady. Mpampianatra iray ao amin’ny EPP Beronono (Anjozorobe) no nitory ity olom-boafidy ity.

Tamin’ny volana mey 2007 no nitrangan’ny raharaha ary efa niakatra fampanoavana tamin’ny septambra 2007. Araka ny nambaran’ny mpitory dia nanery an-kolaka hiaraka aminy ilay lehilahy ary nony hitany fa nisy olona niaraka taminy dia nanao fandrahonana ho faty tamin’ny alalan’ny taratasy izy ary lasa nisy nanakorontana tao an-tranony.

« Tsy maintsy ho avy izahay fa miomàna. Raha tsy manone vola 5 tapitrisa Ariary dia ho avy izahay hamono anao », izay no vontoatin’ny taratasy, araka ny fanazavan’ny mpitory. Ny alin’ny 31 mey 2007 moa no voalaza fa nisy andian’olona nandondona tao an-tranon’ity mpampianatra vavy ity ka nony tsy namoha trano izy dia nisy nametraka taratasy vao maraina teo an-tokonam-baravarany. Taorian’izay dia namory fokonolona ilay mpampianatra ary narahi-maso akaiky izy rehefa mivoaka ny trano, indrindra rehefa miala ny tanàna misy azy. Teo an-danin’izay anefa dia toa hoe nilaza ampahibemaso ilay lehilahy toriana (lasa ben’ny tanàna amin’izao fotoana izao) fa tsy ilaina ny miambina ilay mpampianatra satria ny omby sy ny kisoa aza manahirana ny manara-maso azy.

Tsy nijanona teo moa ny raharaha fa nitory tany amin’ny zandary ilay mpampianatra. Nangataka raharaham-pihavanana ny an-daniny saingy tsy nety ilay mpitory. Miaramila roa moa no voarohirohy niray tsikombakomba tamin’ilay ben’ny tanàna. Ilay ben’ny tanàna moa teo anoloan’ny fitsarana dia nandà hatramin’ny farany ny fiampangàna azy. Nilaza izy fa tsy izy no nandefa taratasy fandrahonana sy nitaky volabe
na nanakorontana ilay mpampianatra tao an-tranony.

Ireo miaramila voarohirohy
ho niray tsikombakomba tamin’ity raharaha ity moa dia tsy nipoitra tao amin’ny fitsarana. Amin’ny 3 jiona ho avy izao no hivoaka ny didim-
pitsarana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS