Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 23h13
 

Teny zato, kabary arivo

Ben’ny tanàna hafa kely

mercredi 10 octobre 2007 | Naivo kely

Resy tsy miady ny ankamaroan’ny mpanao politika hambara ho goavana amin’ny fotokevitra eto amin’ny tanàna raha vao mandre ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna amin’ny 12 desambra izao. Miondrika tanteraka eo anatrehan’ingahy PDS Hery Rafalimanana izy ireo, ka tsy sahy hiezaka hahavita bebe kokoa noho ny vitan’ity olona napetraka hitantanana ny tanàna ity rehefa nandao ny toerany ny ben’ny tanàna amperin’asa. Azy ny azy, fa tsy miemotra amin’izany kosa ny mpandraharaha izay hita fa tanora eto. Fantatra mantsy fa efa mametraka ny lamina maty paika izy ireny mba handrombahana ny fahefana hitantanana ny tanàna eto andrenivohitra. « Miova ny tanàna », hoy ny sasany tafaresaka tamin’ny mpanao gazety, saingy mbola azo atao ny manova tsaratsara kokoa noho izao ? « Hapetraka ihany koa ny fahaiza-miasa miaraka amin’ny mpandraharaha fa tsy ilana kisa mba ho tafapetraka ilay tarigetran’ny filohan’ny nosy, 3P, ary tsy hanaovana antsojay tahaka izao ». Isan’ny teny nivoaka tamin’iray izay heverina fa ho kandida ho ben’ny tanàna ireo. Ny PDS amperin’asa dia mbola tsy nandrenesam-peo, kanefa mino ny rehetra fa hanohy ny ezaka efa natombony ny lehilahy sy ny mpiara-dia aminy. Hatreto aloha dia mety ho ben’ny tanàna hafa kely no ho hita satria ny mpanao politika manana fotokevitra voavolavola tao amin’ny antoko aza tsy sahy milatsaka, koa ahagaga ve raha voahilikin’ny mpifidy hatrany izy ireny amin’ny fotoana iray ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS