Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 10h09
 

Teny zato, kabary arivo

Aza maika ny hanidina

vendredi 16 janvier 2009 | Naivo kely

Takon’ny resaka politika ny sehatra maro eto amin’ny firenena. Ary mahaliana ny maro izay maneho hevitra amin’izany. Isan’io ny nambaran’ingahy ben’ny tanàna sy ny filohan’ny Repoblika ny alarobia teo.

“Na inon-kidona na inon-kihatra, dia tsy hihemotra amin’ny jadona ny tenako”, hoy ny ben’ny tanàna Rajoelina. Niantso ny vahoaka rehetra ny tenany ny sabotsy izao mba hiara-hifanotrona etsy Ambohijatovo. Ny filoha ihany koa anefa, raha nihaona tamin’ireo ankolafin’olona maro teto an-dRenivohitra teny Iavoloha, dia nanamafy, fa vonona ny hanatsara ny renivohitra ny tenany. Nampahatsiahiviny tamin’io, fa manomboka miha-potika ireo asa natao teo aloha. “Tsy avelantsika ho potehin’olona iray ny Renivohitra, satria misy olona maika ny hanidina nefa tsy ampy elatra", hoy ihany ny filoha.

Samy mamisavisa ireo andahan-teny ireo ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany. Raha atao indray mijery tokoa, dia zary adino hatreo ny asam-bahoaka eto an-dRenivohitra. Mifantoka tanteraka any amin’ny resaka politika mantsy ny ankamaroan’ny mpitondra eto. Hiasa no nametrahan’ny vahoaka azy ireo, fa tsy hitarika grevy. Na eo aza anefa ireo hambara ho fitakiana hiseho manomboka ny sabotsy ho avy izao, dia tokony hizotra tsara ihany ny asa atao eto. Zary sorona tsy fidiny ireo mpandoa hetra raha tanàna maloto sy potika no iainany, nefa teo aloha efa mba namiratra teo anivon’izao tontolo izao i Antananarivo, ka nahatonga antsika nahazo ireny loka eran-tany ireny. Aza maika ny hanidina, ary aoka ihany koa tsy hifampihantsy ady. Any amin’ny vahoaka izao ny baolina, ka izay mendrika amin’ny filoha sy ny ben’ny tanàna no ahazo ny fon’Antananarivo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS