Madagascar Tribune | Asehoy ho fanta-bahoaka
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
samedi 6 septembre 2008
 

 > Teny zato, kabary arivo

Asehoy ho fanta-bahoaka

vendredi 16 mai 2008, par Naivo kely
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

200 ny Malagasy voan’ny SIDA hoy ny haino aman-jery iray teto amintsika ny alarobia maraina teo. Fanazavana azo nandritra ny hetsika nokarakarain’ny ministeran’ny fahasalamana tetsy Befelatanana ny alatsinainy hariva teo no nandrenesana izany. Azo adika fa efa zava-doza mananontanona ny fiainantsika Malagasy ny toy izany.

Tsy ahilikilika ny voan’ity areti-mandoza ity, hoy ny dokam-barotra etsy sy eroa. Marina izany satria olom-belona tahaka antsika izy ireny, ary azo sosoana hoe tsy fidiny azy ireo ny hitondra ity aretina ity, ankoatry ireo nilingilingy tany ambadika tany angaha. Ny ratsy hono tsy misy tandroka, ary tsara raha aseho ho fanta-bahoaka tahaka ireny olona boka na marary voan’ny homamiadana ireny izy ireo. Mora hitandreman’ny hafa ny anton’io. Teny tsy hay kosehina ao andohan’ny maro ilay fomba fiteny hoe raha ho faty aho, dia matesa rahavako. Tsara ny mitandro ny maha-olona ny hafa, nefa tsara lavitra noho izany ny mifehy ity aretina ity tsy hiparitaka amin’ny mpiray tanindrazana.

Hatreto aloha dia ny tsy fahaizana mifehy tena no anton’ny hiparitahan’ny tsimok’aretina haingana indrindra. Sa fahafinaretana aloha vao mandinika ny mety ho vokany ?

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    mai 2008   
    L Ma Me J V S D
          1 2 3 4
    5 6 7 8 9 10 11
    12 13 14 15 16 17 18
    19 20 21 22 23 24 25
    26 27 28 29 30 31  
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP