Madagascar Tribune | Asa mahafaty, fa tsy mahavelona
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
dimanche 20 juillet 2008
 

 > Teny zato, kabary arivo

Asa mahafaty, fa tsy mahavelona

vendredi 2 mai 2008, par Naivo kely
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

Vita iny ny voalohan’ny volana Mey. Nanao izay ho afany ny mpiasa nandritra ny filaharana omaly maraina. Niainga tamin’ireny kabary maro nifandimbiasana ireny ny ventsoventsom-po tany anaty tany. Tsy tora-po kosa aloha no ilazana izany fa fijerena ny tena tombontsoa iraisana eo amin’ny samy mpiasa tsy ankanavaka.

Toa mivaona amin’ny tena zava-misy ny hiainan’ny mpiasa Malagasy ankehitriny. Toa asa mahafaty fa tsy mahavelona no eto. Raha ireo fijaliana any amin’ny orinasa afaka haba no jerena dia hita taratra io. Fampiasana ny mpiasa mihoatra ny ora mahazatra, ny vehivavy bevohoka tsy azo ampiasaina raha vao hita fa mitsaika ny zaza ao ankibony. Ny fanolanana atao amin’ny vehivavy, fa raha vao tsy manaiky dia roahina avy hatrany. Hita io amin’ny toeram-piasana maro samy hafa. Mazana ny tovovavy ratsy bika na endrika dia tsy mahazo avara-patana, fa ny tsara endrika sy bikana, na dia heverina ho tsy mahavita ilay asa, no mahazo toerana sy avara-patana amin’ny sehatra maro.

Endrika mbola hisehoan’ny fanandevozana amin’ny sehatra maro ny toy izany. Tsy ho gaga isika raha sarotiny miady mafy ny zo tokony hananan’ny mpiasa ny sendika maro. Tsy natao hitaky fisondrotan-karama ihany ny sendika fa mijery ifotony ny zo maha-olana, ary mitaky ny hampiharana ny lalànan’ny asa. Ho ela velona ny mpiasa malagasy ary samy ahazo ny vokatry ny hatsembohana fa tsy ho sanatria hamelona ny hafa lava izao.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    mai 2008   
    L Ma Me J V S D
          1 2 3 4
    5 6 7 8 9 10 11
    12 13 14 15 16 17 18
    19 20 21 22 23 24 25
    26 27 28 29 30 31  
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP