Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 02h36
 

Editorial

Aretina mikiky

samedi 31 octobre 2015 | Ndimby A.

Mahatonga saina ihany ny mandinika antsika Malagasy.

Mitabataba daholo amin’ny « délestage ». Kanefa, raha mba nametraka izay vaha-olana takany i raFanja, dia mimenomenona daholo indray : « fa maninona no thermique, ahoana ny solika amin’io, mitabataba be ilay groupe, iza no mahazo tombony @ vidin-tsolika sns... ». Kanefa, hanaiky ny hiaritra ve isika mianakavy raha toa ka tohana mpamokatra herin’aratra (« barrage hydroélectrique ») no namboarina, ka mety afaka roa na telo taona any aoriana any vao nivaha ny resaka « délestage » ?

Mitabataba daholo amin’ny làlana ratsy. Kanefa raha mba manamboatra amin’ny andro atoandro i raFanja, dia mimenomenona daholo indray : « fa manina koa izao raha mba natao amin’ny alina ny fanamboarana fa maha be embotaka ? ». Dia rehefa manamboatra amin’ny alina i raFanja, dia mivazavaza daholo indray ny manodidina : « tsy misy hatoriana e !!! ».

Mitabataba daholo fa tsy manome vola ny fiarahamonina iraisampirenena (« communauté internationale »). Kanefa rehefa misy vola mivoaka avy amin’ny Union européenne, FMI, Banque mondiale, Banque africaine, vazaha, sinoa, japoney, karana sns, dia mimenomenona daholo indray : « inona foana ary ity trosa lavareny ity ? Manao toetran’androrosy... ». Dia maro no mahita volana alohan’i Habib : « Io izao dia lany mission, consultants, fividianana fiara... fa tsy miantraiky any amin’ny mponina mivantana ». Asa loatra, angamba rehefa manome vola ny FMI, dia ny fanirian’ny sasany hoe alahatra etsy amin’ny biraony daholo ny Malagasy 22 tapitrisa dia mba mahazo raviny (ravim-bola an) kely avy daholo, izay vao ho afa-po.

Mitabataba daholo fa maloto ny tanàna, voretra, mikorotana. Kanefa rehefa mba misy lamina apetrak’i raFanja ka hampiarina ny lalàna, dia mimenomenona daholo indray ... « jadona e... tsy rariny e... ».

Mitabataba daholo fa be loatra ny seminera, ny atrikasa, ny fikaonan-doha. Kanefa rehefa misy zavatra tsy mety na tsy ampy fandrindrana, dia mimenomenona daholo indray. « Tsy mazava ny fizarana andraikitra e... Misy tsy manao ny asany... Tsy mety izao ». Ary tsy maintsy misy « rôle » foana eo manazava fa raha izy no nanao an’io an, dia « aoka fotsiny ».

Nitabataba daholo ny mpandeha tamin’ny RN4 fa mangozohozo mitady hidaraboka ny tetezana. Kanefa raha mba nanamboatra i raFanja, dia mimenomenona daholo indray : « fa maninona no adiny roa isan’andro ihany no sokafana ny làlana mandritra ny fanamboarana e... tsy mahay miasa... maninona raha atao amin’ny alina ».

Mitabataba daholo fa miparitaka ny « sachet » plastika, izay fantatra fa hisy fiantraikany ratsy amin’ny tontolo iainana any aoriana any, satria manentsina ny lalan-drano. Kanefa, rehefa mandrara i raFanja dia mimenomenona daholo indray ... « resaka sachet ve no atao lahara-pahamehana... Fanjakana tsy misy atao ».

Mitabataba daholo amin’ny toetran’ny vahiny izay lazaina fa manjakazaka eto an-toerana. Fa firy amintsika no mikiribiby mandefa zaza any amin’ny Lycée français, « écoles holomoguées », na any andafy mihitsy aza ? Firy amintsika no mizesta ery fa tany Frantsa no niala-sasatra ? Firy amintsika no manonofy ahita vady vazaha, ary manao izay afaka mba ahatanteraka izany ? Firy amintsika no tsy miantsena raha tsy Scorrre, tsy mijery raha tsy CanalSat, tsy mamaky raha tsy lahantsoratra amin’ny teny frantsay, ary miandrandra mafy ny ahita asa amin’ny « projet » na « organisme international » ?

Mitabataba daholo fa very zo ara-demokratika tamin’ny fanonganam-panjakana nataon’ilay bandy ratsy taiza iry. Kanefa, noho ny niverina ny fifidianana (Filohampirenena, solombavabahoaka, Ben’ny tànana), dia nanao ahoana ny taha-pahavitriana ?

Mangorera daholo fa nogiazin’i Lafrantsa ireto nosy lazaina fa nosy Malagasy ireto. Kanefa firy amintsika no sahy hilaza fa mahay mametraka an’ireo amin’ny sarintany ? Firy amintsika no mahafantatra ny tantaran’ireo nosy ireo ?

Ekena fa tsy dia mahomby loatra ny mpitantana, nanomboka tamin’ny 1960 ka hatramin’izao. Fa mila sahy miaiky koa isika vahoaka fa misy lesoka goavana. Tsy hoe miaro an’i raFanja aho, fa misy aretin-tsaina mikiky toa ny « schizophrénie » ihany angamba isika, ary miseho izany n’iza n’iza mitondra eo. Zistoara sy jeografia ihany ity raharam-pirenena ity ka.

63 commentaires

Vos commentaires

  • 31 octobre 2015 à 09:29 | Noue (#2427)

    Mitabataba daholo na @ inona na @ inona , atao ahoana e ! fomban-javatra io

    ON ne sait plus vers quel saint se vouer car ras le bol de tout ce qui se passe , il ne faut pas s’étonner que combien de personne justement @ io mitabataba foana io no indrisy misy tena tapaka lalandrà nihafarany .

    Iza moa no tsy hitabataba satria tsy hita intsony hoe atao ahoana ity fiainana ity , ny mpitondra bif bof .

    Atao ahoana e ! ireo manana sy mpangorona ihany no tsy mba mitabataba , ntssss ! mitabataba ihany ry zareo satrio mbola tsy ampy hatrany ny eo am-pelatanana.

    Mitabataba , mitabataba dia ho tabatabaiko lol

  • 31 octobre 2015 à 10:41 | Liberty (#3679)

    Misy antony matoa mitabataba (mimenomenona) ny vahoaka madinika.

    Tsy mitabataba fahatany ireo fa misy antony matoa izy manao toy izany.

    Raha mandeha tsara daholo ny fiainan’ny tsirairay isam-batan’olona dia tsy hitabataba araka ny voalazanao ny valala be mandry. Fa misy zavatra tsy manjary ao matoa izy tsy mety mangina. Fomba ahoana tokoa moa no hahafahanao hangina raha mbola maro amin’ny mpiara-belona aminao (92%) no miaina ambany « fenitry ny fahadiranovana » (seuil de pauvreté) ? Sa mitampina ny masonao angamba ka mety kokoa aminao y mangina eo anatrehan’izany tarehin-java-misy iainana isan’andro eto izany. Ka hoy aho hoe adala angamba ianao...

    • 31 octobre 2015 à 10:58 | Rakitoza (#689) répond à Liberty

      Tokony nataonao t@ teny frantsay ry Ndimby ny edito, fa toa tsy azon’i Liberty ny tian’ny mpanoratra ambara.

    • 31 octobre 2015 à 11:09 | Liberty (#3679) répond à Rakitoza

      Rakitoza :

      Aoka ary ianao ihany no hanazava eto amiko marina izay tian’ny mpanoratra ambara raha toa ka manana fomba fijery mitombina kokoa noho ny ahy izato ianao Rakitoza.

      Aza misalasala, mandraisa andraikitra fa samy olombelona matotra sy vory saina isika aby eto.

    • 31 octobre 2015 à 11:43 | Rakitoza (#689) répond à Liberty

      Eka.

      Misy ny olana => rariny raha mitabataba ny olona (mitovy hevitra isika amin’io).

      Kanefa rehefa vahana ny olana => dia mbola mitabataba ihany ny olona.

      Izay fotsiny

    • 31 octobre 2015 à 11:48 | Liberty (#3679) répond à Rakitoza

      Mbola mitabataba ny vahoaka satria tsy voavaha ilay olana.

      Raha voavaha tokoa araka ny nampanantenainareo ilay olana dia hangina ny vahoaka.

      Tsy izany anefa ny zava-misy iaraha-mahita.

      Ka rariny raha tsy mety mangina ireo vahoaka izay tiana ho tampenam-bava.

    • 31 octobre 2015 à 11:56 | amidemada (#9121) répond à Liberty

      Liberty :

      Tian’ny mpanoratra ho lazaina = mimenomenona ianao raha te himenomenona fa aza ilaozana miandry fotsiny ny FMI, etc ... hanatitra vola eo am-baravaranao eo (... miala tsiny tsy ho anao kay moa io fa ireo vahoaka madinika).
      Miray hevitra @nao aho ry Ndimby, vavany daholo isika eto na ambony na ambany fa tsy te-haniky mihitsy hoe misy asa tokony hataon’ny rehetra aloha vao « tsara daholo ny fiainan’ny tsirairay isam-batan’olona » (dixit Liberty).

    • 31 octobre 2015 à 12:09 | ASSISE (#1505) répond à Liberty

      Fanontaniana ny ahiko, izay hinoako fa tsy hahita valiny alohan’ny 3 volana sa 3 taona, andeha hoe 33 taona e !

      Raha nangiana tsy nanakiana tokoa re ny malagasy be naonaona, inona ary no nitranga teto ?

      Enga isika mbola hanana A Ndimby hahita izany dia ny valiny « angamba » : sitrana ny aretina mikiky.

      Miracle mon ami !!!

      Ny azo lazaina koa anefa dia hoe : mitabataba aza izao no misy, sa ilay tabataba no antony tsy maha voavaha ny olana ?

      Mbola maro ny fanontaniana ho valiana (olana ho vahana) raha ny hatreto aloha, resaka ka tiana hatao.

      Samia ho ela velona hoy izy izay.

    • 31 octobre 2015 à 13:11 | caro (#7940) répond à ASSISE

      « ... mitabataba aza izao no misy... » :

      Raha resaka tabataba hono, hoy Rajao, dia aleo andramana indray ny mangina !

      Ataovy eo amin’ny 2:06 ny mari-pamakiana :

    • 31 octobre 2015 à 18:14 | Einstein (#3390) répond à amidemada

      Dia aleo izany samy mangina miandry ny rariny eto e.

      Mandritra izany fotoana rehetra izany ny sasany mitaingina fiara tsy mataho-dàlana, ny sasany mitaingina fiara-manidina misiditsidina mitety vazan-tany efatra...

      Fa ianao Ra-Malagasy kely mitrongy vao omana : Mangina ny sahaza ho anao fa mety ho avy eo ihany Jehovah hamonjy anao indray andro any. Mangina fa aza mitomany...

    • 31 octobre 2015 à 19:29 | caro (#7940) répond à Einstein

      « Mangina fa aza mitomany... » :

      Iny hono izy Ravorona.

      https://www.youtube.com/watch?v=1gdIJDSmMac

  • 31 octobre 2015 à 10:48 | Mihaino (#1437)

    « Izao tontolo izao marary avokoa »( Les Adelines) ka noho izany tsy isika malagasy ihany no tia MITABATABA rehefa tsy faly na kivy amin’ny tsy mety afitsokin’ny Mpitondra ! Raha manaraka ny vaovao eran-tany isika isan’andro dia maheno foana fa mihetsika ny Mpiasa , ny Mpianatra , ny Mponina etsy sy eroa ! Milahatra an-dalambé ka matetika dia voadaroka aza ka misy maratra sy voasambotra ??!!

  • 31 octobre 2015 à 10:55 | Gérard (#7761)

    encore du grand Ndimby !

    même si j’ai du me faire aider pour comprendre !

    un pied de nez aussi à cette francophonie envahissante qui semble vouloir absorber toute notre attention et tous nos moyens durant un an !

    La schizophrénie, fût elle (entre autre) linguistique,ça se soigne

    • 31 octobre 2015 à 13:25 | caro (#7940) répond à Gérard

      « … francophonie envahissante… » :

      à prendre au premier ou à l’autre degré mon cher Gérard ?

    • 31 octobre 2015 à 16:24 | Gérard (#7761) répond à caro

      puisque vous m’en offrez l’occasion, je poursuis...

      ce qui est envahissant c’est le tapage, les moyens mobilisés, pour une réunion « gadget »

      Mitabataba daholo amin’ny « francophonie » ?

      comme si cette réunion pouvait être une priorité au milieu du champs de ruines qui nous entoure

      comme si « mon » petit hexagone représentait l’avenir des nécessaire échanges de Madagascar avec l’étranger, plutôt que l’Inde, la Malaisie, la Chine, etc

      Ce qui est envahissant c’est que, dans ce naufrage des valeurs et de l’économie, la ville ou je réside ne sera bientôt plus que le refuge de vieux mâles pâlichons, chaque jour plus nombreux, indécents et arrogants, et dont mon épouse dit que, en 30 ans de vie parisienne elle n’en avait jamais rencontré de pareils !

    • 3 décembre 2015 à 16:00 | Ibalitakely (#9342) répond à Gérard

      Déjà en 2008 nous avions eu l’opportunité de préparer et de recevoir et LE SOMMET AFRICAIN pour 2009 et LE SOMMET DE LA FRANCOPHONIE prévu pour 2010 mais des imbéciles ont fait des malheurs à leurs sales manières, on sait toutes et tous la suite. Pourtant opportunité j’ai dit parce que ces deux événements auraient pu lancer encore un peu plus haut MADAGASIKARA. Des imbéciles qui commençaient avec du tgv, puis du udr-c, puis du mapar, puis de l’alliance Ambodivona, puis du armada. Prochainement peut-être c’est du aizanimiaramilasynyhcc. Dia mizesta ery hoe nahazo kaomina vitsivitsy tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo amin’ny taha-pahavitriana 20%. Enfin ne soyons point xénophobes et regardons positivement ce qu’il y a à faire.

  • 31 octobre 2015 à 11:10 | Noue (#2427)

    nrooooooo ! il fut un temps où les Malagasy vivaient dans le « moramora » sauf que justement , le « moramora » ne colle plus , maintenant , on a besoin de « mitabataba » parce que rien ne va plus.

    Seulement , est-ce que ce gouvernement entend le mitabataba des vahoaka ? ou bien disent-ils aleo hitabataba eo fa tsy hangiana ve @ farany ?

  • 31 octobre 2015 à 11:31 | racynt (#1557)

    Tena miombon-kevitra zato isan- jato amin’ny Ndimby amin’ity lahatsoratra ity. Tehaka mafy be. Fa saingy izao kosa, misy mahasamihafa ny hoe mimenomenona, sy mitsikera be fahatany sy ny manao fitsikerana manasoa ( critique constructive) ary miaraka amin’ny vahaolana raha azo atao. Rehefa miezaka mitady vahaolana manko ianao ry vahoaka dia ho tsapanao fa tsy moramora ny mitady vahaolana mahafaly ny be sy ny maro. Tsy misy vahaolana tonga lafatra fa ny zava -dehibe dia ny fampandrosoana izay asa hita fa tena ilaina, ary tsy maintsy mitaky ezaka sy fihafiana avy amin’ny tsirairay daholo izay atao. Izay ilay hoe tsy ary ho azo daholo akory ny valala manatody sy ny fandrina maraina.

    Raha tsy miova fo isika tsy handroso mihintsy. Indro ny lalàn’izay te hanova fo fa miainga avy amintsika tsirairay avy ny fiovana alohahttp://moissondeselus.org/etude-de-la-prophetie/smyrne-la-persecutee-pergame-la-seduite/

  • 31 octobre 2015 à 11:49 | hrrys (#5836)

    Nalain-dRafanja ny tanin’ny dadan’i Ndimby fa tsy mba nimenomenona leiry-BRAVO Ndimby a !tena OBJECTIF tokoa rangahy !

  • 31 octobre 2015 à 11:55 | leclercq (#4410)

    Manao ahona daholo
    Ny gasy rehetra dia ohatry ny mietsiketsika tsy misy antony eo ambny ny ankalana fotsiny amin’izao fotoana izao ,,tsy mandroso fa manoa sur place faona !! ça aboie , parfois ça gueule même très fort mais ça ne mord pas car , tsy misy nify intsony na bé vava aza .

  • 31 octobre 2015 à 12:11 | vohitsara (#8896)

    Misaotra an´i Ndimby A nohon´ny fampiasany ny teny Malagasy. Tohizo fa mahavelom-panantenana. vohitsara

    RY TENINDRAZAKO !

    Teny mamiko ianao ry tenindrazako, ry teniko !
    Tiako ianao, lalaiko loatra, ary izao dia tsy afeniko
    Fa ny foko manontolo sy ny saiko sy fanahiko
    Mampitovy lanja anao sy Neny ‘lay niteraka ahiko.
    Moa tsy taminao indrindra no nianarako niteny
    nanononako an’I Dada, nanononako an’I Neny ?
    Dia I Dada sy I Neny, sampan-drano nitsinjovako
    ny loharano niandohako, dia ireo ràzana tsarovako.
    Dada, Neny, Mamy izany, Aina nisehoan’ny felana
    tany nisehoan’ny voa, lalana nanelanelana,
    Vavolombelona hita maso naneho ny lasa izay takarina
    ho tsinàpa sy azo raisina ary tena nisy marina...
    Tiako I Dada, mamy I Neny, nefa inona lazao
    ny ho nanononako azy raha tsy tao tokoa ianao ?
    Ry tenindrazako lalaiko, ry teny mamy tsy hariako,
    taminao no nahalalàko ny faka nitsiriako ...

    Ary raha zohiana indray ny zana-tohatra niakarako
    Teny an-dàlan’ny fiainana nisoritan’ny tantàrako
    dia lasitra namboarinao notinefinao maharitra
    hifanentana amin’ny molotro, no nahaizako namaritra
    ny hasoan’ito taniko. Ka na lanitra balika
    na tanety mena volo, na ny fanja soa sariaka
    na ny rano mikoriana, na ny vorona mikalo,
    eny anivon-takariva mampiherika mpandalo,
    ka mampody aina indray ilay tanàna haolo ngàzako ...
    Taminao dia taminao ! Taminao, ry tenindrazako.

    Ary nony vaky volo ilay fitia tanaty foko
    Ka niràraka ho hanitra ny embona ela notrotroiko,
    Moa tsy teny taminao no nanokatra ny molotro
    hanambara ilay fitia nampombain’ny fo natolotro ?
    Teny tsotra mahalàza ny fitia sy ny alaheloko
    izay nifaritra ho tantaran’ny tsiambarambararateloko
    Eny, ho’aho, ry tenindrazako, ry fiteny malagasiko,
    tsy nindrana aho fa ambiny aza ireto vita an-taratasiko !

    Tapitra eo va re ny fy sy ny voa izay notazako
    taminao ry teny tiako, taminao, ry tenindrazako ?
    Moa ny herinao voafetra ho an’ny andro fahazazako
    ka raha misondrotra ny taona dia hiletsy ilay malazako ?
    Tsia, ry teniko lalaiko ! Tsia ry teny izay hiamboko !
    Tsia, ry teny malagasy ! Ry fiteny iray tsy foiko !
    Ataoko ahoana no hanadino, fa ireo aina sy solofoko,
    ireo taranaka avy amiko ary tena sombi-nofoko :
    tsiro vokatry ny faka, piti-drako tonga aina,
    sarobidiko lalaiko, nofiko raha hadiva haraina !
    Noro, Fanja, Vero, Tiana, Hery, Zo, Voahangy, Mamy...
    Tsy taminao daholo va no nanononako an’izany ?
    Taminao no nahitako izay mba laniko ho anarany,
    na i Ramatoaniaiko, na izato Andriamparany...
    Ry tenindrazako lalaiko ! Afa-po ny faniriako,
    fa azo taminao daholo izay nitiavako ny tiako.

    Ary moa ho lany tsiro ny herinao raha toa fakaina
    ny hasinkasin-kevi-tsoa italanjonan’ito saina,
    rehefa injay ianao velarina hanamboarana ny fiainana :
    mibaribary sy miseho ny marina ekem-pisainana.
    Voazavanao ny tsy hita maso, tazoninao ny fahagola
    raketinao ny fahendrena tamin-drazako efa tola.
    Abaribarinao an’ohatra ny adim-piainana itolomako
    ny eritreritra sy nofiko, ny hevi-dalina ironako,
    ny fanahy mikatsaka hery, ny finoana izay ilomako
    hay tsy zava-baovao, f’ efa nisy ka iombonako
    tamin’ireto razambeko, olon-kendrin’ny fahiny
    italanjonan’ny taranaka mandimby ankehitriny !
    Dray ! ry teny mamy laotra ! Dray ry teny iray mba tiako
    Moa tsy toro-hevitrao no nanitsiako itony diako ?
    Tiako ianao, lalaiko loatra ! Ny momba anao sy ny forongony
    Noraiketin’ity foko amin’ilay vilany nongony...
    Ka ny satanao rehetra sy ny zony no andrianiko
    Ny hevitra napetrakao hozohiko sy antoaniko
    Ka na firy refin’andro hany sisa holalovako,
    Ahy, ianao ry tenindrazako , ary hijanona ho lovako.

    RADO
    (Dinitra -takila 15,16,17)

  • 31 octobre 2015 à 12:19 | ASSISE (#1505)

    Inay aho nilatsaka ho fidiana Filoha dia hoy aho hoe afaka 3 andro dia hirehitra ny jiro. Dia ahoana hoy ianareo ?

    Ny tiako ho lazaina dia hoe : tiako raha mba mahay mihoatra ny PRM aho.

    Saka be loha aloha no ho lafoko amin’izay.

    Fa ilay 3 volana ve anefa kajikajy tena izy sa saka no namidy ? Fa nandeha ny tsenany raha nivarotra izy an !

    Ilay miaritra ve Ndimby, misy hiandraisany @ ilay hoe : miharitra kely fa hanana ny soa (?) Fa mbola hafa koa anefa raha hilaza hoe : mahareta h@ farany (5 taona anie izany dia vita e !). Iza anefa no ho sahy hilaza izany ?

    • 31 octobre 2015 à 12:27 | hrrys (#5836) répond à ASSISE

      Tsy fantatra intsony koa angamba ny manavaka ny tsikera sy ny mimenomenona—Efa nivadika ho loko manga koa ry Tanalahy Ndimby

    • 31 octobre 2015 à 13:30 | Rakitoza (#689) répond à hrrys

      Ary ny foza tahaka ny hrrys dia mihevitra fa rehefa tsy manompo an’i Bitro, dia na TIM na HVM.

      Fa i Bitro izany ve no tena milay, ka tsy misy afa ts’izy eto ???

  • 31 octobre 2015 à 12:53 | caro (#7940)

    Karaha akory e, akory ambarakaly, manahoana tompoko, ...

    Diasonao raha ‘ty vôlagniko amy malagasy ofisialy.

    Mitabataba hoy ianao ? Ny maty ihany re tompoko no mangina mandrakizay !
    Mety ho marina ihany angamba ny voalazanao raha voaporofo fa tsy ilaina ny tabataba : koa ilaina va sa vazavaza fandaniana andro ?

    Matoa mitabataba dia misy ny antony raha tsy hoe efa adala manary lamba angaha :

    Iza no olona andeha hitabataba, handany andro na rora amin’ny zavatra tsy misy dikany ? Raha ireo zava-drehetra voatanisa izay tsymandeha amin’ny laoniny ireo no hampangina dia olona efa maty momoka daholo ny miaina eto amin’ity Nosy ity : na jiro, na rano, na fahadiovana, na fitondran-tenan’ny tsirairay, sy ny tsy ambara rehetra efa fantatry ny maro,… dia efa mampiteny ny moana eto amintsika, koa aiza no tsy hisy ny tabataba ?

    Ataoko fa mba mahalefitra ihany ilay gasy, saingy efa lasa sangy mihoatry ny loha ny zava-misy fa tonga halohalika ny ranom-bary, ka na hatao aza ny hangina, ny fo rano mafana hoy ny fitenenana ka rehefa tafahoatra mitroatra ihany.

    Saingy ilay tabataba ve mitombina ara-drariny lalandava ?

    Anisan’ny rambony ny malagasy amin’ny fisokajiana eran-tany amin’ny tany mahantra. Ny fahantrantsika anefa raha marim-pandinihana ny tsirairay dia tsy avy amin’ny firenen-kafa ihany fa indrindra avy amintsika samy isika ihany. Tsara ny fitiavan-tanindrazana fa tsy manery hanilika ny andraikitra tsy noraisina amin’ny hafa izany.

    Azo heverina fa anisan’ny marani-tsaina ny malagasy ary kinga amin’ny fanarahan-kefa, afaka mifandrindra haingana amin’ny zava-misy, na amin’ny zava-tsisy angamba no marimarina kokoa.
    Ny mampalahelo dia ny fomba fampiasantsika io hakingana io amin’ny lafiny ratsy mitondra amin’ny fitiavan-tena, amin’ny fitiavan-kely, amin’ny fisintonana fotsiny ny lafiny ratsy avy amin’ny toe-tsaimbahiny sy ny zava-panaony fa tsy ny lafiny tsara.

    Tsy misy mahadiso ny fangetahetana ho toy ny hafa, ho toy izay manana, na ho toy izay madio, kanefa raha hisompatra na hialona no iheverana fa lalana mitondra amin’izany dia toy io hitantska eo ambany maso ankehitriny io ny vokany.

    Tsara ny mahatsiahy fa matoa anie misondrotra ny olona e, matoa tafita ny sasany, matoa mandroso ny firenena iray dia nisy ezaka tao avy amin’ny tsirairay, izay nitambatra ho « harin-karena », na fampandrosoana ankapobeny ho an’ny Firenena manontolo.
    Ny zava-misy amintsika mantsy dia efa toe-tsaina mamohehatra matetika no mitoetra, ary raiki-tapisaka ka saro-mila, tonga amin’ny voalaza hoe : « rehefa ho lany ihany ny paiso ao an-kady, dia aleo mba hirotsaka i Lambosalama ». Izany ve dia mba toe-tsaina mendrika sa hanao hoe aleo ho any izay ho any fa ny ampitso mbola any an-kibon’ny omby ?

    Trafon-kena ome-mahery tompoko, am-bava homana, am-po mieritra.

    PS . Aleo ihany mamaky ny mpanoratra amin’ny teny frantsay fa tsy mbola mahatratra ny lentany amin’izany ny fanoratany ny tenin-drazana.

    • 31 octobre 2015 à 13:28 | Ndimby A. (#444) répond à caro

      caro,

      « PS . Aleo ihany mamaky ny mpanoratra amin’ny teny frantsay fa tsy mbola mahatratra ny lentany amin’izany ny fanoratany ny tenin-drazana ».

      Tena ekeko zato isan-jato io tsikeranao io, ary raisiko amin’ny fo madio, ka hampiezaka ahy hatrany hanatsara izay kely hay.

      Ny tena tetika androany dia ny fijerena raha mahaliana ny olona ny matoandahantsoratra amin’ny teny Malagasy, eny na dia tsy dia avo lenta loatra aza, ka tsy mahafa-po tanteraka anao na izaho.

    • 31 octobre 2015 à 13:44 | Behantra (#9165) répond à Ndimby A.

      Mahaliana tokoa Ndimby a : tohizo

    • 31 octobre 2015 à 13:49 | caro (#7940) répond à Ndimby A.

      Ndimby,

      Fiteny ihany ka fiteny ny hoe « mahafa-po », satria n’aiza n’aiza dia tsy hisy ho tonga lafatra akory.

      Raha nanao io fanamarihana io aho dia sanatria tsy hanaivaiva akory, ary ravo fa tsy noraisinao ho toy izany koa. Tsy iadian-kevitra ny fahaiza-manaonao amin’ny teny frantsay, kanefa ny ezaka amin’ny tenin-drazana koa dia zava-dehibe araky ny nolazainao hoe : « Ny tena tetika androany dia ny fijerena raha mahaliana ny olona ny matoandahantsoratra amin’ny teny Malagasy ».

      Misaotra tompoko ary lavà andro iainana hampatsiahy ny mpiray tanindrazana fa na eto, na any, dia i Madagasikara hany NO TENA ANTSIKA ary miandry antsika zanany !

    • 31 octobre 2015 à 14:05 | vohitsara (#8896) répond à Ndimby A.

      "« PS . Aleo ihany mamaky ny mpanoratra amin’ny teny frantsay fa tsy mbola mahatratra ny lentany amin’izany ny fanoratany ny tenin-drazana ».

      Tena ekeko zato isan-jato io tsikeranao io, ary raisiko amin’ny fo madio, ka hampiezaka ahy hatrany hanatsara izay kely hay.

      Ny tena tetika androany dia ny fijerena raha mahaliana ny olona ny matoandahantsoratra amin’ny teny Malagasy, eny na dia tsy dia avo lenta loatra aza, ka tsy mahafa-po tanteraka anao na izaho.« Caro sy Ndimby »

      (1.) Tsy ho tafita ny teny Malagasy raha tsy ampiasaina isan-andro isan-
      andro.
      (2.) Ny fanandevozana ara-tsaina dia manambany ny olona lalina kokoa
      nohon´ny fanandevozana ara-batana.
      Ny « francophonie » dia fanandevozana ara- tsaina

      vohitsara

    • 31 octobre 2015 à 14:56 | saricine (#2893) répond à Ndimby A.

      Miarahaba anao Ndimby a !

      Aza matahotra ianao fa mahaliana foana ny adihevitra amin’ny teny gasy e !
      Fa izao e ! Hisy (efa nisy sahady androany) ange ny mitabataba (ankolaka aloha izy androany fa tsy tena natao mivantana, toetsaina efa fantatra ilay izy) fa hoe maninona no ande hiady hevitra amin’ny teny malagasy nefa i MT efa gazety frankôfôna e !
      Deraiko manokana ny fanetre-tenanao, mila mianatra lalandava mba hanatsara fa tsy mihevitena ho dadany rehefa mihevitra fa mahafehy tenimpirenena iray na roa.
      Tohizo fa tsara

  • 31 octobre 2015 à 16:41 | ratiarivelo (#131)

    Salama e !! Tena Marina IREO voalazanao ra-Dimby o ! Ny toa andri-Hrrys sy ny FORONGONY no efa tsy manan-koçlazaina, fa efa jamba an’i DOMELINA**** samy tsara e !!

  • 31 octobre 2015 à 17:02 | Yet another Rabe (#4812)

    Miarahaba,

    Resaka toe-tsaina ny mahatonga ny Malagasy ho mahantra na ara-pivelomana https://fanahy.wordpress.com/2009/09/20/tout-le-monde-quelquun-chacun-et-personne/
    Am-bava omana ary an-tsaina miheritreritra satria ho ahy ny saina no miheritreritra fa tsy ny fo.
    Mankasitraka Tompokovavy, Mankasitraka Tompokolahy.

    YaR

  • 1er novembre 2015 à 11:53 | Mihaino (#1437)

    Tsy sasatra mihitsy izaho mamerina mamaky an’ity « Aretina mikiky » n’i Ndimby ity sy ny hevitra maro amin’ny teny Malagasy . Tsoriko fa ny tenako manokana dia taty aoriana be vao nianatra nanoratra ny tenintsika ary mbola mikezaka mianatra azy foana hatramizao ...
    Amiko dia ilaina no mifanakalo hevitra amin’ny teny Malagasy dia mangina tsy mitabataba eto intsony ireo vahiny na vazaha manaratsy gasy lava izao !! « Vazaha lany mofo » , hoy ny fiteny taloha ary tadidio mandrakariva koa fa misy ny« Vazaha mody miady » hiaro ny tombontsoany fotsiny ?!

  • 1er novembre 2015 à 12:24 | lanja (#4980)

    marina fa ny malagasy dia olon ny fo marina, izay mampitony ny fony no ilainy fa tsy izay mahasoa azy, ohatra iray : ny mpankahala an dRavalomanana dia manenjika an I HR satria naome fahafahana azy, raha vao nogiazan ny fanjakana HR indray ny tanin dRavalo dia faly indray, dia miova ny délira , dia izay ny eto.

  • 1er novembre 2015 à 15:57 | Isandra (#7070)

    Tena toe-tsain’ny gasy io mitabataba io,...tohizako ny tabataban’ny rain-Dimby :

    Mitabataba fa toa olona tsy manana ny fahalalana sy nandalim-pahaizana loatra, ary tsy alehany no mitondra, kanefa rehefa tonga ny fifidianana dia tsy misy mandray ny andraikiny milatsaka rizalahy lazaina fa avara - pi, ny vahoaka sasany indray ilaozany manjono na manao loto toy izay mifidy.

    Mitabataba rehefa nanao didy jadona sy nangoron-karena, ary nibodo ny tsena ny fandraharahana I Ravalomanana, kanefa rehefa nitarika ny vahoaka avy eo notohanan’ny miaramila hanoherana sy hampitsaharana izany i Rajoelina, dia io fa lazaina fa mpanongam-panjakana sy sari-bokolon’ny Frantsay.

    Mitabataba fa hoe tsy mahavita zavatra ny tetezamita, kanefa mitehatehaka ery rehefa notapahan’ny mpamatsy vola ny famatsiam-bola sy ny fanampiana, nohon’ny lobbying napetrak’i Ravalomanana sy ny forongony.

    • 2 novembre 2015 à 03:20 | Rakitoza (#689) répond à Isandra

      Raha ireo resaka ireo kosa aloha dia tsy ahazo rariny mihitsy ianao ry madama an.

      Resa-jiolahy mpanongam-panjakana ve tsy hampitabataba ? Sady tsy mety azoko ity resakao aller-retour momba ny hoe tapaka ny fanampiana an’i Gasikara t@ tetezamitatra. Fa mihevitra tokoa izany ianao fa tokony nanaiky fotsiny ny adalan’ny mpanongana ny Malagasy ???

      Ny fanapahana ny fanampiana (AGOA, UE sns) dia ao anaty fifanarahana an-tsoratra mazava tsara, tsy misy idiran’i Ra8 na kely aza. Dia tena mihevitra ve ianao fa raha tsy nitaky izany Ra8, dia tsy nampihatra ny fepetra mikasika ny AGOA sy ny Accord de Cotonou i Obama sy ny UE ? Sao heverinao fa azo ahondrana any ivelany ary ny resa-jaza (ratsy taiza hoy i Dimby) nataonareo teto ? Hafa ny fanajan’ny olona ny lalanany, adalanareo F.O. ny manitsakitsaka ny anareo.

      Aza mody gaga ianao, fa mba sahia manaiky fa nanongam-panjakana ianareo F.O, ary nangalatra, ary mangin’izay tsy nahay n’inon’inona ka tena nanimba ny firenena.

    • 2 novembre 2015 à 11:02 | Isandra (#7070) répond à Rakitoza

      Manomboka masiso izany kitoza izany, ka tsy mandinika ny zava-misy.

      Fanontaniana kely fotsiny,

      Fononganam-panjakana ve ny tany Burkina faso, ny printemps Arabo(Egypte sy Tunisie,), farany teo tany Ukraine sa inona ?

      Mitovy amin’ireny ny zava-nitranga teto,...nihetsika ny vahoaka,...mety nampian’ny miaramila tosika kely mba hanafainganana azy,..avy eo samy nametra-pialana sy nitsoaka ny filoha.

      Lazaina fa fanonganam-panjakana ny teto amintsika satria izay no itiavan’ny ngeza hiantsoana azy, na dia mitovy aza ny zava-misy tany amin’ny tany hafa, satria nahatsiaro very tombon-tsoa rizareo rehefa niala ny mpilelaka azy.

      Ny amin’ny AGOA indray, mahasahy milaza aminao aho, fa raha pro-Amerikanina Rajoelina, raha iny fandehan’ny zava-nisy teto, fametra-pialana, faneken’ny HCC iny, dia tsy nisy olana ny amin’iny, saingy amin’ity tany ity izay mahadiavolana ny ngeza ihany no arahana. Dia izay no zava-misy.

    • 2 novembre 2015 à 11:08 | Isandra (#7070) répond à Isandra

      Tsy fanonganam-panjakana ny tamin’ny 2002, na dia efa mazava izao fa tsy mitombona ilay premier tour de vita,...ary tsy sahy nolazaina ho ady an-trano akory aza ny fanafihana nataon’ny zanan-dambo, na dia tsy mifanalavitra amin’izay ny zava-nisy,... satria izay no hitan’ny ngeza fa ahazoany tombon-tsoa mihoatran’ny sasany, dia io fa manaraka daholo ny firenena sasany, mpanaran-drenirano.

    • 2 novembre 2015 à 18:11 | Rakitoza (#689) répond à Isandra

      Confusion mentale ny anao ry namako... ary ny anao no tena dridrangilo...

      na hiodi-kavia ianao na hiodi-kavanana, coup d’Etat iny. Na hijery ny définition juridique, na ny fandehan’ny raharaha.

      Ny hitondranao ny resaka hoe rehefa « légitime » (légitime araka ny fahitanao azy, fa matoa voadaka tamin’ny ambava-fony i Rajoelina t@ réaction ny opposition teto sy ny communauté internationale dia tsy légitime loatra izany) ny coup d’état dia tsy coup d’etat izany. Lasa géométrie variable ny siansa raha izany.

      Misy sofim-bitro manakona angamba ny masonao fa mikisaha kely

    • 2 novembre 2015 à 18:38 | Isandra (#7070) répond à Rakitoza

      Tsy novalianao ny fanontaniako, izaho mantsy tsy mahazo fa voatakona hoy ianao ny maosko, averiko ilay izy.

      Fononganam-panjakana ve ny tany Burkina faso, ny printemps Arabo(Egypte sy Tunisie,), farany teo tany Ukraine sa inona ?

  • 2 novembre 2015 à 01:44 | negusti (#1339)

    Ireo mpitabataba,ny tsy afa-po, ny tsy tia, ny be tsikera misy foana.

    Fa ireo mpitondra azo atao hoe tena « leader » no ilaina amin’izao fotoana izao, mitondra sy mamohy amin’ny toerana nokatsaina ahatongavana, na misy rivo-doza, na havandra, na onja masiaka, mba ho fanatsarana sy fanondrotana ny malagasy.

    Zany no ilaina amin’izao. Ireo malagasy mba miezaka mantsy betsaka no tena voapotitr’ilay politique tsy mahomby.

    • 2 novembre 2015 à 08:12 | toky (#8231) répond à negusti

      Marina misy ny vahaolana fa voa maika htitondra olana hafa zay no mampitabataba ny olona. Ny hadinony : firy amin’ny gasy moa no hahazo jiro ????? Efa délestage hatramin’izay ny kamaroan’ny any ambanoivohitra. tsy rariny raha ny jirama no andaniana vola be amin’ny volampanjakana dia ahoana izany ireo tsy manan jiro ???? Tsy manjary ny fitanilana goavana tahak’izany, any ny no tokony hitabatabana mba samy hitovy ny chance e !

  • 2 novembre 2015 à 10:34 | plus qu’hier et moins que demain (#6149)

    Assalaamo alaikoum

    Aza adino aloha fa ny zaza vao teraka aza dia kapohin’ny mpampivelona kely mba hitomany.
    Faharoan’izany na dia ny maty aza hono tsongontsongoina nohon’ny fahatarona ny adevim-belona.
    Ka tokony ho faly ny mpitondra tompon’andraikitra raha mitabataba ny vahoaka ho entiny satria :
    - manana vahoaka velona sy misaina izy.
    - manamporofo izany fa miasa izy fa sainga tokony hiaino ny hanitsy ny ezaka ataony ho any amin’ny tsaratsara kokoa.
    - tsy miasa jamba rafozana izy.
    - ny hevitrin’ny maro mahatakadavitra ka ny fanehoan-kevitrin’ny hafa dia fanampiana lehibe indrindra ho an’ny mpitondra mahay maka lesona sy mitsinjo lavitra satria tsy misy olombelona tampim-pahalalana sy ny tampim-pahendrena ary manana ny ampy amin’ny lafiny rehetra izany ka izay indrindra no ilana ny tabatabata mba ialana amin’ny jamba mifam-pitantana ka any an-kady no hiafarany.

  • 2 novembre 2015 à 11:53 | kakilay (#2022)

    Aza misy miteniteny...
    Aza misy miteniteny...

    Eny fotsiny ihany
    manerana ny tany
    Ny teny fanorenana,
    Ny Tsia,
    tabataba fotsiny ihany...
    tsy misy mpitondra mamorika
    izany eto...
    fa ny maroloha no betsaka...
    ny daholo manipaka ny daholo
    ny daholo mitsipaka ny daholo
    ny mpitondra
    mirailoha
    mazava saina
    very manaradrenirano
    ny daholo tsy mandady arona...

    Ny mpitondra mahalala ny tokony ataony
    fa i bay-sy-ny-maro no manadala azy...
    foana !
    Foana ny atokony ?
    ny daholo no antony...
    sy erany

    Olom-pirenena mahiratra
    olom-pirenena
    mienieny foana
    ...
    dia Hahiratra ny mpitondra :
    mandalà ny demokrasia
    variana mihaino ny sahona
    noho ny demokrasia

    Moa ka tsy izany va ?

  • 2 novembre 2015 à 15:15 | Saint-Jo (#8511)

    Tsy mety ity mampifangaro zavatra samihafa ity e !

    Afangaron’i Ndimby, ohatra, ny mpitondra fiara mimenomenona fa atao atoandro ny fanamboaran-dalana, sy ny mpikarama rerakin’ny laha-asa nataony ny antoandro teo ka mila matory tsara mba ahazoana aina ho atotona indray ny ampitso.
    Karazan’olona roa tsy mitovy fotoana iasàna ireo. Dia mazava ho azy fa izay mahasoa ny anankiray dia mety manorisory ny faharoa.

    Na inona atao, na inona. Na inona koa tsy atao, na inona. Dia tsy maintsy foana ny mahita tombon-tsoa amin’izany, sady tsy maintsy misy koa anefa ny voasembatsembana ny amin’izany ihany.

    Dia toy izany daholo rehefa fiaraha-monina.
    Izany akory tsy tokony isakana ny fanaovan-javatra.
    Satria izay mahasoa ny olona miisa 22 tapitrisa dia tsy tokony hiafy anoloan’izay mahasoa olona miisa 2 alina.

    Ka izay no demokrasia.

    • 2 novembre 2015 à 17:26 | Saint-Jo (#8511) répond à Saint-Jo

      Teny iray adino :

      « Na inona atao, na inona. Na inona koa tsy atao, na inona. Dia tsy maintsy MISY foana ny mahita tombon-tsoa amin’izany, sady tsy maintsy misy koa anefa ny voasembatsembana ny amin’izany ihany. »

  • 2 novembre 2015 à 17:42 | Isambilo (#4541)

    Effectivement, nous nous prenons pour les damnés de la terre parce que notre horizon est borné par le manque de curiosité. Le tavy a repris du poil de la bête ces derniers temps, mais que faut-il penser de Bornéo où ce sont des milliers d’hectares qui partent en fumée depuis des semaines pour planter un palmier à huile cancérigène ? Les exemples ne manquent pas pour montrer que nous ne sommes pas les plus mauvais. Cela ne justifie en aucun cas la résignation mais permet, peut-être, que tout n’est pas foutu.

  • 2 novembre 2015 à 20:48 | Behantra (#9165)

    Korano mangigina amin’izay ary e !

  • 2 novembre 2015 à 22:06 | Saint-Jo (#8511)

    Puisqu’on prétend que nous, les Gasy, n’arrêtons pas de râler, voici un point de vue historique expliquant pourquoi de nombreux Gasy ne portent pas les Karana dans leur cœur.

    Le texte suivant fait suite à un texte de caro, pour un apport de précision sur l’arrivée des Karana chez nous.

    " 2 novembre 18:40, caro (#7940) répond à Saint-Jo (#8511)
    « Ils [les Karana] font partie du paysage, mais nous ne saurions admettre qu’ils oeuvrent dans le destruction de ce pays. »

    Avant la colonisation et pendant les premières années de celle-ci il n’y avait aucun Karana chez nous.

    Le pouvoir colonial, dans son objectif d’asservir les Gasy tout en exploitant le plus efficacement possible le peule indigène et les richesses naturelles du pays, devait trouver un moyen pour contrôler ce qu’on appelle le « petit commerce ».
    Ce petit commerce ne devait surtout pas être exclusivement entre les mains des Gasy. Bien au contraire.

    Alors le pouvoir colonial avait ouvert le pays à l’arrivée des Karana, dans le but de contrebalancer l’influence des commerçants hova.
    Ce pouvoir colonial avait encouragé ses banques à faciliter l’octroi de crédits pour des fonds commerciaux aux Karana.

    Par contre, les Gasy n’y avaient pas accès.

    Le Gouverneur Général Gallieni avait fait venir des Sinoa (que je distingue des Chinois) dans le but précis de servir de coolies pour les travaux de construction des lignes de chemins de fer.
    C’est la raison de l’encore présence actuelle des Sinoa dans les sites le long de ces lignes de chemins de fer.
    Quand Gallieni fut rappelé en Métropole, la construction des lignes de chemin de fer s’était éteinte progressivement, et les Sinoa s’étaient reconvertis dans d’autres activités, en particulier le petit commerce.
    Mais les Sinoa non plus n’avaient pas accès aux crédits pour des fonds commerciaux.
    Alors les Sinoa avaient créé leur propre banque pour pallier à ce défaut.
    Cette banque sinoa s’appelait alors Banque Franco-Chinoise ( la BFC).
    Son siège était à Analakely en face du garage Citroën, pas très loin de la Croix Rouge.
    Quand les sentiments anti-Mao montaient dans les arcanes du pouvoir PSD, la BFC se changeait en Banque Française pour le Commerce.
    Et quand la malgachisation était en vogue, la BFC devenait Banky Momba ny Varotra.
    Du temps où j’étais adulte, j’avais encore vu des cadres sinoa dans cette banque.

    Les Karana, eux, n’avaient donc pas besoin de créer une banque pour eux-mêmes, car ils avaient les faveurs du pouvoir colonial.
    De l’argent, les Karana en disposaient donc à gogo.
    Ils avaient libre accès à la Banque de Madagascar et des Comores à Antaninarenina, de l’autre côté de la rue en face de la Banque Centrale.
    Mais, à un degré moindre aussi, à la BNCI-OI à Analakeky (Banque Nationale pour le Commerce et l’Industrie-Océan Indien).

    Mais les Gasy ? Tin-tin !
    S’ils avaient besoin de fonds pour quelque chose, ils n’avaient qu’à se débrouiller entre eux.

    Remarque :
    Est-il raisonnable de soupçonner que ces anciens passe-droit bancaires, octroyés par le pouvoir colonial aux Karana, fût une des sources de cette habitude des Karana à corrompre tout Gasy détenteur de pouvoir, du plus minuscule des minuscules pouvoirs jusqu’au top des tops de la hiérarchie ?

    • 2 novembre 2015 à 22:18 | Saint-Jo (#8511) répond à Saint-Jo

      Evidemment, à longueur de temps, le petit commerce se développe, continue à se développer, et finit par se muer en grand commerce.

      Le dit grand commerce se développe toujours aussi et finit par devenir une des clefs de l’économie du pays.

      Toutes les espérances du pouvoir colonial, qui avait trouvé cette idée de faire venir des Karana et avait appliqué ces mesures de préférence « karanesque », étaient très largement dépassées.

  • 3 novembre 2015 à 01:20 | J.A.R. (#9279)

    Misaotra anao Ndimby mampiakatra ny fomba fijerin’ny fiainana eto Madagasikara. Mpamaky gazety internet malagasy sy frantsay momban’i Madagasikara aho, mampalahelo anefa fa manaraka ny fitotongan’ny fiainana ny fitotongan’ny ady hevitra na dia maro dia maro aza izy ireo. Dommage que vous-même vous ne preniez pas la plume plus souvent, ou que vous n’ayez pu à ce jour regrouper autour de vous des éditorialistes de votre qualité pour aborder tous les sujets de société. Derrière la médiocrité de nos élites, qu’elles soient résidentes ou de la diaspora, il y a cependant des majorités silencieuses qui se battent tous les jours pour créer de la valeur, pour elles-mêmes, pour les plus défavorisés qui leur sont proches et par ricochet pour la société toute entière et le pays tout entier. Que vous, ou moi, ou tout autre qui soit un tant soit peu honnête avec lui-même, avec la volonté de faire du bien, de faire du concret, puissions-nous nous regrouper bientot pour retrouver notre fierté d’être malgache.

    • 3 novembre 2015 à 13:20 | Isandra (#7070) répond à J.A.R.

      « Dommage que vous-même vous ne preniez pas la plume plus souvent, ou que vous n’ayez pu à ce jour regrouper autour de vous des éditorialistes de votre qualité pour aborder tous les sujets de société. »

      Ndimby ne prends plus souvent la plume, parce qu’il est maintenant à court d’argument, car sa source d’inspiration(Rajoelina) n’est plus au pouvoir,...intervient rarement dans la politique nationale,...

  • 3 novembre 2015 à 10:02 | ni3tzsche (#6884)

    Ela zay tsy nijery MT.

    Sendra nijery androany dia faly nahita lahatsoratra amin’ny tena gasy.

    Tano ny an’ny tena fa ny an’ny hafa tsy omeny e !

    - Ny ahy ny tena mahagaga ahy radio kely nakatona sy tany nototofana tetsy andohatapenaka dia namotehana ny firenena @ tolona tsy misy fotony. Izo efa mihinana ny anamaminy mihitsy, tsy misy asa, tsy misy jiro, efa tsy hisy rano koa angmba dia mbola miafy ihany... Ny sasany @ io happy birthday any ivelany, miaraka @ sipa sy sôlafa... Tsssssssssssssssssssss

  • 3 novembre 2015 à 17:34 | valoha (#7124)

    Mila mandamina sy manarina ny eto miaraka isika samy Malagasy aloha ! Ary malaky araka izay mety ! Io no tsy mampitabataba sy tsy mampimenomenona na ny vahoaka na ny mpitondra.
    Atao izay ifarimbonana @ ny asa fampandrosoana rehetra miala ifotony ho an’ity nosy ity. Iaraha-manapaka sy mitantana ny asa famokarana ahazoan’ny maro(tantsaha/mpiompy/mpanjono) tombony !
    Izany hoe mila asa mirindra ho an’ny Malagasy rehetra ity tany ity. Miara-mamadika ny bainga, manao toho-drano miaraka, manetsa miaraka, mijinja miaraka, mitady varotra anatiny sy ivelany miaraka. Ny soa azo rehetra dia iarahana manamboatra ny tsy mety sy manarina izay azo atao ho an’ny kilonga Malagasy !
    Izany hoe izay atao rehetra dia entina ijerena an’i Gasikara !
    Any vao hangina tsy hisy ny tabataba sy menomenona, araka ny nosoratan’ny namana Ndimby !
    Isaorana indrindra ny lahatsoratra ary mankahery ny rehetra !!! Tenintsika ny Malagasy. Tsara tiavina, lalinina, kolikolona sy reharehana ! Tahio ny an’ny tena fa ny an’olo tsy homeny e !!!

  • 3 novembre 2015 à 21:18 | Tsitohaina (#9285)

    Tsy dia aretin-tsaina iombonana (schizophrénie collective) loatra Ndimby no mitranga raha ny hevitro fa toy ny olona manaintaina rehetra dia tsy maintsy maneho ny fijaliany na manalefaka izany amin’ny fihikiakiazana na ny fitenitenena foana (cris et délires) na efa fantatra izao aza fa tsy izay no ahasitrana.

    Tsy tokony ho sakana ho an-dRafanja anefa io menomenona fao-be io fa tokony hisarika ny sainy amin’ireto lafiny manaraka ireto :

    - Rehefa fizarana T-shirts sy fampandizana fitombenana ara-java-kanto no hevi-baventy nentina nampandaniana ny mpitondra dia rariny raha tabataba sy tsy faharetana no setriny rehefa tonga eo satria tsy nisy ilay dinik’asa nifanarahana na ny teny miera nifanaovana amin’ny fomba hitondrana ny fiainam-pirenena izay antom-pisian’ny fifidianana, nandaniana volam-bahoaka tsy toko tsy forohana. Rafanja manao izay danin’ny kibony mamerina ny lany sy manangom-bato itsinjovana ny vody andro merika moa ny vahoaka mihorakoraka, izao vao manontany tena hoe fa ho entina mankaiza marina ilay firenena. Asakasak’ireo be tsy niteny tsy naneho ny heviny na tsy nino fa manana anjara adidy amin’ny fiainam-pirena izy nefa miara-mizaka ny ngidiny !

    - Mila fotoana ny fanarenana ary tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy, tsy azo lavina izany. Raha sady tsy hanabe ny vahoaka amin’ny lalana tsy maintsy hombana Rafanja no misalobo-komana nefa tsy avanana amin’ny fizarana voan-dalana sy ny ody fanaintainana dia fara-faharatsiny mba kinga tamin’ny fihetsiketsehana manara-penitra ka ny afomanga sy ny kopikole no natao misimisy ahadomelina ireo izay mijaly.

    Fehiny, tsy mitady mpihaino loatra ireo mpimenomenona fa miala-sakana rehefa tsy afa manoatra. Sanatria ho feno ny kapoaka mangidy ka hanapoaka sarombilany indray... Etsy andaniny tsy hisy fanjakana tsara orina ahazo ny tso-dranom-bahoaka , hanana fotoana afaka hamahana ny olana fototra sy tsy hanao mpamono afo lava izao raha tsy miainga amin’ny fifanarahana sy fifampitaizana ary vina hiombona’ny maro an’isa. Mbola hitroatra ve sa haka lesona hifampihaino amin’izay ? Ho sarotra ho an’ny voky loatra sy ny maty noana ihany ny ahavita hiresaka ny ampitso, nefa lala-tokana tsy maintsy hombana...andao raha sahy.

  • 4 novembre 2015 à 11:24 | I MATORIANDRO (#6033)

    Fanjakana azo t@ hala-bato dia fanjakana modaka !

    Za nahatrikaritra fa ireo rehetra nividy bakalorea ka nahazo diplaoma dia manjenjena fotsiny satria tsy nohon’ny ezaka nataony no nahafahany fa noho ny risoriso na hala-tahaka !

    Fa fanampin’zany koa, rehefa protestant tsy ampy traik’efa no mitondra dia sady tsy azo atoro izy ny tsy tan-dalana !

    Menomenona sy tabataba sisa atao betsaka satria bongomason’ny nahiny !

    Mankasitraka manokana @lay lahatsoratra @ fiteny Malagasy ! 20/20 !! Tohizo fa tena tsara !

    Samia velon’aina !

  • 4 novembre 2015 à 14:21 | Tsisdinika (#3548)

    Hoy ilay hiran’i Poopy izay hoe « Tsy mety afa-po raolombelona ». Izay no mampitabataba azy, ary tsy ny Malagasy ihany tsy akory no manao an’io. Izao tontolo izao marary avokoa hoy i Adeline momba izay.

    Tsy misy afatsy ny fahaiza-mihanina ihany anefa no vahaolana. Ny atao hoe mihanina dia mifaly amin’izay ananana.

    Mety hisy hilaza anefa hoe raha izany no izy, tsy hanararaotra toy ny banga mihomehy alina ve ny mpitondra fanjakana ka tsy vitan’ny tsy hiezaka ny hampisondrotra ny fari-piainam-bahoaka izy fa mbola hangoron-karena izaitsizy koa ? Tena marina izay ary zava-misy efa iainana.

    Iza anefa no homen-tsiny ? Tsy misy afatsy ireo mpifidy nametraka ireo olona ireo teo amin’izany toerana izany ihany. Raha olona tsy nahay nitondra ny tokantranony ohatra ka nisara-panambadiana no asainao mitondra firenena dia hanantena inona eo ianao ? Ny ankohonana no rafi-piaraha-monina sy rafi-pitondrana kely indrindra ary ny fitambaran’ireny no mamorona ny firenena. Raha io kely indrindra io aza tsy hainy ny mifehy azy dia inona no andrasanao ho vitany eo ? Mety masiaka izany teniko izany ary ialako tsiny ialako fondro raha misy tafintohina. Fampiasa talohaloha teo tamin’ny resaka lalàna anefa ilay fiteny hoe « en bon père de famille » ilazana olona mahay miaina sy mahay mitantana. Apetrako eo iny aloha.

    • 4 novembre 2015 à 15:00 | I MATORIANDRO (#6033) répond à Tsisdinika

      Marina mihintsy ny voalazanao kah !!!
      Mankasitraka sy mankatelina !

      Ny ankohonana no firenena kely indrindra !!!

      Ny lalam-panambadiana aza tsy hajain’ny sasany koa aiza izy no iraharaha zay lalam-panorenana sy fampandrosoam-bahoaka any rehefa tonga eo @ fitondrana ???!!!!

      Samia velon’aina !

  • 4 novembre 2015 à 18:18 | V N (#9287)

    Azo atao koa anie ny tsy mandany andro sy manary hery mihaino an’ireny olona be menomenona ireny fa mitodika sy mankasitraka ary manampy an’ireo izay miasa isan’andro manatsara tsikelikely ny fiainan’ny Malagasy.

    Fanamarihana kely momba ny fanoratra ny teny « lalana » sy « lalàna » : Ny « lalana » andehanana dia tsy misy tsindrim-peo fa ny « lalàna » tokony hajaina ihany no misy tsindrim-peo. Toy izany koa ny teny hoe « tanana » sy ny « tanàna ».

  • 6 novembre 2015 à 10:48 | Turping (#1235)

    Salama daholo,
    Aza misy mitabataba fa ny hetsika no tokony atao .
    Ireo nosy kely « Iles éparses » izao no tena vonton’antom-baovao .I Rajao toa tena mangina tokoa ,mody fanina satria mbola miandry vola fanampiana ,sy hanao fitsangantsanganana any ivelany etsy sy eroa ,....
    - Rahampitso toa hisy dinika etsy @ lapan’ny tanàna eto Antananarivo mikasika ny famerenana ireo Nosy kely izay bodoin’ny frantsay araky ny tranga misy sy ny voalazan’ilay masoivoho frantsay vao tonga .
    Mila mihetsika izany sy manisy lanjany an’izany rehetra izany satria ny ho avin’ilmay firenena sy ireo fara mandimby no tokony ho jerevana .
    Tany tokony ho tafavoaka sy manana i Madagasiukara raha miova ny toe-tsaina sy ny fomba fanaovana politika .Tsy ny vahiny sy ireo tombotsoany no tokony hibaiko antsika sy ireo mpanao politika izay tsy mitady afa-tsy ny tombotsoany.
    Izay mitambatra vatoo ,fa izay misaraka fasika .
    Ny tena mahavariana sy mahatalanjona ,dia ny fakao mbola feno eran’ny tanana ,ny 4X4 koa betsaka ,...nefa tsy misy tompon’andraikitra ny fakana ireo maloto ,sy ny fanamboarana ny lalana simba be ,ny lavaka ,sns...ny mahantra no tena feno eran’ny tanana .Ny delestazy misy foana iny isan’andro ,na dia fotoana fohy aza ,...
    Il y a encore du pain sur la planche hoy ny vazah .
    Courage daholo e ! à bientôt !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS