SEHATRA FANARAHA-MASO NY FIAINAM-PIRENENA
SeFaFi
Observatoire de la Vie Publique
Rue Rajakoba Augustin Ankadivato Antananarivo
Tél. : 22 663 99 Fax : 22 663 59
Email : mrcabram moov.mg
ANTSO HO AN’NY ANKOLAFIN-KERY
ETO AMIN’NY FIRENENA
Tsy voalohany ary enga anie ka tsy ho fara fanairana ity ataon’ny SeFaFi, izay ao anatin’ny Firaisa-monin’ny Olompirenena ity, fa irina mbola ho maro ny olompirenena tsara sitra-po hihika sy hiantsoantso fa :
MILA VONJY I MADAGASIKARA !
LATSAKA ANATY HITSOKA NY TANINDRAZANA !
SEMPOTRA NY VAHOAKA !
Eo am-pelatananareo mpanao politika ny ain’ity Firenena ity, dia ianareo ankolafin-kery na « mouvances » efatra, notsongaina tao anatin’ny maro izay mba mahefa ihany koa. Fa ianareo no nomem-boninahitra, nametrahana fitokisana fa hahita vahaolana haingana hivoahana amin’izao krizy izao.
Koa manamafy ny efa voalaza ombieny ombieny izahay hoe :AOKA RE TSY NY TOMBON-TSOA MANOKANA, TSY NY FIAROVAN-TENA, TSY NY HAMBOM-PO DISO TOERANA NO SANATRIA HANAOVANA SORONA NY FIRENENA !
Izao no fotoana hanaporofoanareo fa raha nisy ny biloka teo amin’ny fitantananareo, dia misy kosa ny tena fitiavan-tanindrazana marina, manery anareo tsy hijery afa-tsy ny tombon-tsoam-pirenena. Izany manko no nianiananareo raha nandray fahefana ianareo.
Fa isika ampahana vahoaka afaka miteny sy mihetsika kosa, aoka tsy ho vato misakana amin’ny fizoran’ny dinika, na hanelingelina ny firoson’ny Tetezamita, na iza na iza no mitondra eo, mba hahatongavantsika haingana any amin’izany REPOBLIKA FAHA 4 izany.
Aoka tsy hohadinointsika fa ireo tena maro an’isa, ny any ambanivohitra rehetra any, ireo tsy an’asa, tsy misy ny harapaka, no mibaby ny vokatr’izao fitarozahan’ny krizy izao, nefa tsy afaka manambara akory ny heviny.
Ary ho lesona ho antsika rehetra anie izao toe-draharaha mampalahelo izao, ka tsy ho isika intsony ilay vahoaka mpiasabe diso be fandeferana toa mbola voazanaka, na sanatria koa mora jonoina amin’ny variraiventy, fa hanara-maso sy hitsikera mandavan-taona izay tsy mety ataon’ireo hitondra ny firenena na olom-boafidy na olom-boatendry.
Antananarivo, androany faha 15 Jona 2009





