Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 06h31
 

Tribune libre

Antso ho an’ny ankolafin-kery eto amin’ny firenena

mardi 16 juin 2009 |  1486 visites 

SEHATRA FANARAHA-MASO NY FIAINAM-PIRENENA SeFaFi
Observatoire de la Vie Publique
Rue Rajakoba Augustin Ankadivato Antananarivo
Tél. : 22 663 99 Fax : 22 663 59
Email : mrcabram@moov.mg


ANTSO HO AN’NY ANKOLAFIN-KERY
ETO AMIN’NY FIRENENA

Tsy voalohany ary enga anie ka tsy ho fara fanairana ity ataon’ny SeFaFi, izay ao anatin’ny Firaisa-monin’ny Olompirenena ity, fa irina mbola ho maro ny olompirenena tsara sitra-po hihika sy hiantsoantso fa :

MILA VONJY I MADAGASIKARA !

LATSAKA ANATY HITSOKA NY TANINDRAZANA !

SEMPOTRA NY VAHOAKA !

Eo am-pelatananareo mpanao politika ny ain’ity Firenena ity, dia ianareo ankolafin-kery na « mouvances » efatra, notsongaina tao anatin’ny maro izay mba mahefa ihany koa. Fa ianareo no nomem-boninahitra, nametrahana fitokisana fa hahita vahaolana haingana hivoahana amin’izao krizy izao.

Koa manamafy ny efa voalaza ombieny ombieny izahay hoe :AOKA RE TSY NY TOMBON-TSOA MANOKANA, TSY NY FIAROVAN-TENA, TSY NY HAMBOM-PO DISO TOERANA NO SANATRIA HANAOVANA SORONA NY FIRENENA !

Izao no fotoana hanaporofoanareo fa raha nisy ny biloka teo amin’ny fitantananareo, dia misy kosa ny tena fitiavan-tanindrazana marina, manery anareo tsy hijery afa-tsy ny tombon-tsoam-pirenena. Izany manko no nianiananareo raha nandray fahefana ianareo.

Fa isika ampahana vahoaka afaka miteny sy mihetsika kosa, aoka tsy ho vato misakana amin’ny fizoran’ny dinika, na hanelingelina ny firoson’ny Tetezamita, na iza na iza no mitondra eo, mba hahatongavantsika haingana any amin’izany REPOBLIKA FAHA 4 izany.

Aoka tsy hohadinointsika fa ireo tena maro an’isa, ny any ambanivohitra rehetra any, ireo tsy an’asa, tsy misy ny harapaka, no mibaby ny vokatr’izao fitarozahan’ny krizy izao, nefa tsy afaka manambara akory ny heviny.

Ary ho lesona ho antsika rehetra anie izao toe-draharaha mampalahelo izao, ka tsy ho isika intsony ilay vahoaka mpiasabe diso be fandeferana toa mbola voazanaka, na sanatria koa mora jonoina amin’ny variraiventy, fa hanara-maso sy hitsikera mandavan-taona izay tsy mety ataon’ireo hitondra ny firenena na olom-boafidy na olom-boatendry.

Antananarivo, androany faha 15 Jona 2009

21 commentaires

Vos commentaires

  • 16 juin 2009 à 06:46 | mahefa (#1776)

    Salama daholo tompoko,

    Tsara dia tsara ny antso ataonareo, saingy ... malahelo mafy aho milaza aminareo fa nisy hadisoana lehibe avy aminareo nahatonga ny firenena nilatsaka an-kady toa izao. Raha vao naomboka kelikely ny krizy dia nitongilana tany @ mpitondra HAT moramora ianareo. Ianareo izay noeritreretina ho elanelam-panahy « objectif ». Tsy nahatoky ary tsy mahatoky anareo intsony ny ankamaroan’ny olona satria na ny fanambarana nataonareo na ny fihetsikareo tetsy sy teroa dia nandiso fanantenana. Tsy nahagaga raha tsy mahatoky anareo izahay raha ianareo no hatao « modérateurs » na mpandrindra ny fihaonambem-pirenena. Ny mpamatsy vola suisse sy alemana moa dia tsy nahatoky anareo intsony hoe « neutres » nandritra ny krizy ka hatramin’izao noho ny fironanareo. Tsy mahagaga raha miala aminareo izy na dia azo heverina ho anisan’ireo firenena mpanampy anareo indrindra aza izy ireo @ resaka : demokrasia, fanabeazana olom-pirenena vanona ary fahalalahan’ny fanaovan-gazety.

    Dia izao ve ianareo vao mody miantso hoe « mifanaraha », nefa ianareo ihany no anisan’ny nahatonga izao ?

    Mahefa

    • 16 juin 2009 à 13:28 | ragonry (#2701) répond à mahefa

      TSY MADAGASIKARA NO MILA VONJY FA NY SeFAFI SY ODON

  • 16 juin 2009 à 07:34 | Jack (#2696)

    NY mampalahelo amin’ity resaka krizy ity anie dia ny fiandanianareo izay noheverina ho Fiaraha-monim-pirenena. Teo izany izay nataon’i Mg Odon t@ maha filohan’ny FFKM azy, teo koa ny SeFaFi sy ny KMF/CNOE izay misy tandindona Rtoa Madeleine Ramaholimiaso sy Atoa Eric Rakotoarisoa izay hita hoe misy firehan-kevitra arahiny (@ maha-katolika azy angamba !) izay nentiny nanhoherana hatrany ny Filoha Ravalomanana na mbola teo @ fitondrana aza izy. Tsy nipetraka teo @ toeranareo ianareo @ maha tokony ho neutre sy ho mpitaiza ny fiaraha-monina fa nitongilana sy nanararaotra izany toeranareo izany ka nivarotra ny fanahinareo sy ny fahaizanareo miaraka @ ireo mpandroba fahefana. Aminay tsotra ny teninay, aoka izao fa izay alehany any alehany fa efa izao no noheverinareo fa tsaratsara kokoa noho ny teo aloha. Miandry ny fifidiana izahay tompoko dia ho hitanay eo hoe ny fiainanay teo aloha ve no tsara sa izao iainanay @ izao fitondran’ny HAT izao ???

    • 16 juin 2009 à 08:52 | bemabema (#534) répond à Jack

      Tsy te-hanonona anaran’olona ny tenako satria i Rtoa Madeleine Ramaholimiaso sy Atoa Eric Rakotoarisoa ary Mg Odon dia taloha noheveriko fa olona tena manana ny maha izy azy na fahaizana sns .........
      Ireny anefa ny nataony - miampy ny capsat - dia iza hoy ianareo no hampandroso antsika - ny valiny ny frantay dia mitady mpamadika tanin-drazana

  • 16 juin 2009 à 07:43 | hafatra (#1895)

    « AOKA RE TSY NY TOMBON-TSOA MANOKANA, TSY NY FIAROVAN-TENA, TSY NY HAMBOM-PO DISO TOERANA NO SANATRIA HANAOVANA SORONA NY FIRENENA »

    Tsara tokoa ilay antso avo saingy kely ny finoana fa hisy handre .Toa mangataka amin’ny mamba ny SEFAFI tsy hitondra tena toy mamba intsony fa hanova tena ho zanak’ondry. Ny tena marina dia ambodia mitafy hodi-janak’ondry ny mpanao politika hatramin’izay nisian’ny fanaovana politika tao aorian’ny nahazoana ny fahaleovan-tena.
    Ny tena zanak’ondry atao sorona dia ny vahoaka , ny firenena ,ny tanindrazana.Fomba fanao hatramin’izay ny famahanan-dalitra, ny fivarotana lainga , ny fampanantenana poak’aty , ny ronono na yaourt an-tavy....
    Tohatra fiakarana ny vahoaka , fitaovana hanantaterahana ny hambo-po, ny nofinofim-paniriana hanana fahefana , hery, vola, fanjazakazakana, ny didy jadona, ny kiantrano antrano....
    Ny fitiavan-tanindrazana dia tsy zavatra mamporisika azy ireo intsony hitady sy hanao ny marina, hijery sy hitsinjo ny vahoaka.
    ataoa ahoana ny hangataka amin’ireo mpanao politika zavatra tsy hananany ?

    • 16 juin 2009 à 08:21 | mpitily (#1212) répond à hafatra

      Marina dia marina ny an’i Hafatra.

      Mangetaheta olona vaovao manana toe-tsaina tsy mitovy @ ny an’ireo taloha ny vahoaka ary izany no tena anton’ireny hetsika t@ 1972, 1975, 1991, 2002 ireny. Nanantena izy fa olom-baovao hahavita azy ry Ratsiraka, Zafy, Ravalomanana ka izany no nifidianany azy kinanjo ...

      Mbola izany hetaheta izany koa no nanohanany an’i Andry Rajoelina t@ ity 2009 ity fa tsy hoe noho ny tantarany na ny lazany na ny volany na ny fahaizany ets. Noho izy olom-baovao sy sahy nijoro nanohitra ny tsy rariny nataon-dRavalomanana dia velom-panantenana indray ny olona hoe ity indray agamba no ilay voatendrin’ny Tompo hanarina ny firenena. Efa betsaka tokoa ireo dinosaures nitarika talohany saingy efa naloan’ny vahoaka ka tsy nisy nanohana ary zary nigadra mihitsy aza ny sasany.

      Ny mampalaelo dia tsy ta-hahalala an’izany ireo mpanelanelana sy ny CI ankehitriny fa mbola mikiry hanome lanjany an’ireo olona efa naloan’ny vahoaka ireo. Efa 2009 isika izao fa tsy 1975 na 1991 na 2002 intsony.

      Matimatin’ny théorie sy ny fihetsehana ivelany fotsiny izy ireo ka mitady hanery antsika @ izao transition inclusive-ny izao, izay raha jerena maika dia toa tsara saingy rehefa zohina akaiky dia faran’izay ratsy ary tsy mbola nampiharina na taiza na taiza teto an-tany.

      Ny hisian’ny fifidianana (référendum) mangarahara maika no tokony ho tanjona ka izay maharesy eo no hitondra ny transition (directoire militaire izay natolotr’i Ravalo sa Andry + Monja izay natolotry ny HCC ?).

      Tsy maintsy hisy ny transition satria ny rehetra dia samy miaiky fa mila misolo lalam-panorenana isika aloha.

  • 16 juin 2009 à 08:08 | rfd2001 (#1177)

    Ianareo Sefafi ve aloha nahatsapa fa nahavita ny adidy sy andraikitra tokony ho sahaninareo e ???

    Hampafantaro ny olom-pirenena tsirairay aloha ny atao hoe :
    - Fanjakana tan-dalana
    - Fiandrianam-pirenena

    Mino aho fa raha hain’ny olom-pirenena tsirairay (N.B : Mpanao politika na miaramila na olon-tsotra) ireo dia tsy ho tonga amin’izao isika.

  • 16 juin 2009 à 08:20 | meloky (#637)

    Amin’izao vao tsapanareo fa ny tsy fifanarahan’ny samy Tananariviana izao no manitsoka lalina ny firenena satria tena toa tia tena loatra noho ny fiandaniana vokatry ny fitiavan-tena lalina. Dia izao mbola tananariviana ihany no tsy maintsy miasa mafy mba hampisy ny filaminana Koa aza omena tsiny izay mila fampandrosoana manokana ny faritra. Ny azoko lazaina amin’izao dia indro mbola misy chance hamahana ny olana iray na roa Koa aoka ny rehetra mba hanetry tena tokoa. Raha tsy fahomiazana sy hambom-po no nentin’ny sasany nitondra hatr’izay ; dia akory raha mba manome vahana ny fitsinjovana ny hoa avy ny rehetra ka ho melohina tanteraka ny fitaivan-tena diso toerana eto anatrehan’ny firenena sy ireo vahoaka rehetra tsy an-kanavaka.

  • 16 juin 2009 à 08:35 | rasta (#213)

    SAMY MANARAMASO ETO ARY MAHITA NY ATAON’NY OLONA AO AMINAREO. LAZAO IZAY TIANAREO ATAO FA AZA BE ANGOLAVAITRA E.

  • 16 juin 2009 à 09:11 | ny tenin-drazako (#2276)

    Azafady indrindra Ramalagasy havako fa nokekerin’ny amboho kely tianareo ianareo izao ka mahazakà ny kaikiny ; ahoana moa Tompoko no hanekena olona toy ireo milaza azy ho mpandala ny demokrasia sy manam-pitiavana ny vahoaka malagasy, hanangana izao hazo fijaliana izao ho an’ireo maro an’isa tsy mandady harona !!!! fa mbola olombelona mitafy nofo sy rà ihany ve ianareo ka sahy mijery izao fahoriana sy fijaliana izao é !! nahoana no mbola mi -cautionner ny zava mamoa fady ataon’ireo ianareo izay milaza ho mpanelanelana !!! fa nankaiza ny fahendrenareo Malagasy sy ny fifankatiavana dradraina eran-tany !!! Raha izao no mitohy dia mamelà ahy hiteny hoe : tahak’izay ihany tsy nisy ny fahaleovantena fa lohamboangidina avokoa ny mpitondra ka tsy mendrika ny hitondra firenena !!! fara faharatsiny tany aloha tany, mba nihinana sy nisotro toy ny olona rehetra ary mba nianatra sy ....afaka nandinika sy nisaina toy ny olombelona..... !!!izao ka any @ restaurant ny Tour Eiffel any Paris no hankalazan’ ingahy mpankafia demokrasia sy tia ireo malagasy ny tsingerin-taona nahaterahany nefa ny vahoaka nofitahana ampihinanany fako izay tsy vitany akory ny mandroaka azy !!! dia tsy menatra akory ve ianao sy ny vadinao nampiseho tao @ TFI television frantsay ny fomba sy ny hanina hohaninareo vao maraina au petit déjeuner kanefa ny Malagasy zara raha mahita vary iray kapoaka atao sosoa mandritry ny iray andro maninjitra !!!Menatra aho Ramalagasy .....nefa Andriamanitra tsy andrin’ireo olon-tsy valahara, hitahy anareo eny ihany ! !!!

    • 16 juin 2009 à 09:32 | hafatra (#1895) répond à ny tenin-drazako

      Ny fitarainana ataon’i tenin-drazako dia tsy vao izao no nisy ary tsy zava-baovao eo amin’ny toe-draharaham-pirenena.Ny mahasamihafa azy fotsiny dia olona nitokisana ka nandatsaham-bato ireo mpitondra teo aloha kanefa namadika na tsy nahefa ny fampanatenana nataony, ny fitondrana ankehitriny dia tsy nisy nifidy ary tsy mahatsapa fa manana andraikitra amin’izay toe-draharaha mitranga eto, azony atao tsara ny miala adidy , ary toa efa nialany aza ny fihaonana ao amin’ny carlton.

      Efa nanjary kolontsaina raiki-tapisaka amintsika ny toy izao ataon’ny mpanao politika izao.
      Mila olona sy fomba vaova ny fanaovana politika raha te-hotafita isika.

  • 16 juin 2009 à 10:17 | Tsitapenambava (#1757)

    Tsy misy intsony fa very ny maha société civile ny société civile. Tsy azo hitokisana intsony fa very hasina satria nanova fomba famindra. Raha ny tokony ho izy dia ny société civile izay milaza fa manabe ny olona @ demokrasia sy zon’olombelona no tokony nanameloka voalohany ny coup d’état t@ 17 mars kanefa tsy izay no nisy fa niandany avy hatrany t@ mpanongam-panjakana ry zareo dia izay no vita ny aminy. Tsy mendrika ametrahana fitokisana intsony ianareo izay milaza fa fiaraha-monim-pirenena. Afaka maneho hevitra ianareo fa aza mitarika olona intsony !

  • 16 juin 2009 à 11:28 | Iarivolahy (#2699)

    Dia tena mampalahelo ny fombanareo milaza ho fiaraha-monim-pirenena.

    Izao indray ianareo dia mody milaza ho manelanelana sy manao antso avo nefa ianareo ihany no nampirisika io fomba fitondrana SADASADA io.

    Tokony hanao fandinihantena ianareo milaza ho fiaraha-monim-pirenena io fa ianareo koa dia isan’ny tompon’andraikitra tamin’izao korontana sy tsy filaminana eto Madagasiara izao.

    Aoka mba tsy hatao ho fitaovana ny vahoaka amin’ny teny mampandry adrisa.

  • 16 juin 2009 à 12:51 | Ni l’un ni l’autre (#2685)

    Salama, Miray hevitra @ ireo mpanoratra teo aloha rehetra aho manamafy hoe izay ve ny SEFAFI voa mihaiky fa diso t@ safidy izay nataony t@ ity crise ity, ka olona tokony handamina no niandany t@ ankolafiny iray. Ka ny tsy mety hita omaly izay nohenjehina, tsy nasiana teny izao satria efa nosafidy. Ka na mihorohoro aza ny civil (tsy manana basy) dia tsy misy miteny. Tadidiko ingahy Eric Rakotoarisoa nanazava t@ RFI hoe safidi-bahoaka izao(asa ahoana no afahana milaza izany) ka mitombona ny extra-constitutionnel fa tsy nisy ny coup d’Etat. Ahoana moa raha prof de droit constitutionnel no milaza izany ? Sao tokony ho extra-constitutionnel tokoa izao no hampianarina ny mpianatra. Ny olana koa dia ity manery ny @ 4ème république nefa tsy misy na iray ary afaka milaza hoe izao no ratsy teo aloha fa tsy mijery hoe sao ny nampiatra azy no tsy nahay. Dia izao olona tsotra tsy manana fahaizana @ izany no hanomeha hevitra momba ny constitution. Izao nanao filazana ny secteur privé hoe sempotra vao mikoropaka hoe alamino. Ka aiza ny sasany tsy hiteny hoe aleo handeha @ izao dia hita eo ny hihafarany rehefa tsy mahay mifandamina. Fa raha ny SEFAFI aloha dia rano andamosin’ny ganagana ny teniny satria tsy misy mahatoky azy intsony.

  • 16 juin 2009 à 12:57 | ikopa (#671)

    Hoy indray izahay oe fa naninona tokoa kay i Le8 no tsy maintsy noesorina teo @ fitondrana ?

    Aminay dia io fanontaniana io no manazava izao rehetra iainantsika eto @ firenena izao.

    Tokony ho fantatsika mianakavy manko fa tsy oe olana manokana nisy teo @ fianakaviana Rajoelina na Razakandisa sy Ravalomanana tany ho any no nitarika an-dra8 ho lasa mialokaloka any Swazi izao.

    Dia tokony ho naongana tokoa ve izy ? Dia tsy azo nandrasana ve izany ny fifidianana @ 2012 ? Fa iza daholo ireo olom-pirenena malagasy tezitra sy manana lonilony sy kakay amin-dra8 ?

    Fanontaniana toy izany tompoko no toa miserana an-doha raha mamaky sy mandalina ny soratra ataon’ny mpamaky etsy ambony.

    Saingy toa tsy misy te-hanopy maso ny @ izany tantara nanova tantara izany isika mianakavy fa samy te-hanome rariny ny « soavaly » nanaovany fanamby.

    Ny zavatra toa irarian’ny sasany anefa dia izao oe aleo, rehefa tsy omena izay tadiaviny ny ankolafiny ironanay, dia havadika fifanandrinana sandry indray ny raharaha fa toa resaka mandrebireby fotsiny. Samy nohosorin-dreniny menaka avokoa ka alao hifampitsapa kely. Resaka « BE SANDRY » indray io izany.

    Ny marina anefa dia tsy hisy sandry hifampikasika izany io fa raha tonga @ io tanjona io ny raharaha dia kalach sy lance-roquettes ary grénades sy tank no hirangaranga. Koa iza no mbola sahy hivoaka mifampitaritarika @ vady aman-janany eny an-kalamanjana eny ary hikiakiaka fa manan-tsandry ka tsy matahotra ady ?

    Ny mety amin’izao fotoana izao dia avela malalaka ireo manelanelana iraisam-pirenena ireo hanao fitetezam- paritra hamory vahoaka ka hanao karazana fitsapan-kevi-bahoaka tsotsotra. Fijerena « tendances » hafa kely izany no ataony eo. Misafidy toerana roa na telo isaky ny faritra izany ry zareo ka mampanao fanadihadiana toy ireny « sondages » ataon’ny « bureaux d’étude » ireny ka avy amin’izay no ijereny ny « mouvance » tokony hoheverina iraiketan’ny fon’ny olona. Dia io ankolafiny io no omen-danja manokana aloha, saingy arahi-maso fatratra, mandra-pahatongavan’ny fifidianana.

    Satria raha izao no mitohy dia minoa ahy ianareo fa hivadika resa-poko izao tantara izao ka tsy ankolafin’olona efatra intsony no tsy maintsy hifanatrika fa mety ho roapolo na telopolo any ho any ka tsy hisy ifandrenesana intsony ny ao @ Carlton

    • 16 juin 2009 à 13:15 | meloky (#637) répond à ikopa

      Ny manahirana anie ry Ikopa dia ity renirano, Aiza no nikpoirany ary aiza no iharan’ny vokany ! Raha samy any andohany ny olana dia tokony ho voavaha any- Ka hitanao io tsara fa madity ny raharaha. Raha olana no tanisaina dia na ngeza toa inona ity takelaka feno ihany fa raha vahaolana kosa dia io hita io fa manomboka tokoa ny « genocida » io angah no azo ilazana azy satria tsy mifampatoky. Ny tsotra dia ity, efa mitsabaka ny CI ary very tantroka ny GIC (asa !!!). Dia tsy aleo mba mindrana kely ny fomba fiteny hoe « tano ny azo fa sarotra ny mila ».

    • 16 juin 2009 à 13:49 | Rabila (#1379) répond à ikopa

      Isika anie 20 millions. Inona no zon’ireo ankolafin-kery efatra ireo. Ao ny nanongana fanajakana, ao ny niongana satria nanao tsy refesimandidy, ny roa very seza taloha.

      Tsy mahasolo ny vava ny vahoaka izy ireo. Ny vavany sy ny kibony ihany no tanjona kendreny. Ary ny vahaolona dia tsy hisy satria mitovy hery izy efa-tota. Ny TGV-HAT dia basy vary masaka tsy nipoaka akory. Tsy manana strategie akory amin’ny izay ifarany ity krisy nataoany.

      Ankaotra izany, raha fitinina ny resaka eto, Safefi dia mpivarotra saka be loha, mpamadika mivadika...

  • 16 juin 2009 à 15:20 | Leoady (#223)

    Tompoko,
    Talanjona mijery an’ity antsonareo ity. Dia mba antso koa angamba no mba ampitaiko aminareo.
    « AOKA RE TSY NY TOMBON-TSOA MANOKANA, TSY NY FIAROVAN-TENA, TSY NY HAMBOM-PO DISO TOERANA NO SANATRIA HANAOVANA SORONA NY FIRENENA ! » => Sao dia tara loatra ny antso, ka mampametra-panontaniana hoe : sao dia nareo aza no miaro tombo-tsoan’olontokana na sezan’olona vitsivitsy, ka ho terena ankolaka ny olona hanaraka ny hevitrareo, izay tsy vitanareo ny nampita azy tany @ volana desambra 2008.

    « Izao no fotoana hanaporofoanareo fa raha nisy ny biloka teo amin’ny fitantananareo, dia misy kosa ny tena fitiavan-tanindrazana marina, manery anareo tsy hijery afa-tsy ny tombon-tsoam-pirenena. Izany manko no nianiananareo raha nandray fahefana ianareo. » => Tsy efa miandany sahady ve ianareo eto ? Manamarina izany fa, nandritra ny fotoana nanginanareo (silence vaut consentement !) dia midika fa nekenareo ny fandrombahana fahefana nataon’i rajoelina sy ny tariny. Tsy mbola nandroso hevitra mihitsy ianareo hoe aleo miandry ny fifidianana manaraka mba ahavita ny mandat ny fitondrana, na hoe asio fitsapan-kevibahoaka raha ekena na tsia ny fitondran-dravalomanana. Tsy « neutre » ianareo !

    « Fa isika ampahana vahoaka afaka miteny sy mihetsika kosa, aoka tsy ho vato misakana amin’ny fizoran’ny dinika, na hanelingelina ny firoson’ny Tetezamita... » => Averiko ihany hoe tara loatra. Heverinareo ve fa ny mpomba an’i Ravalomanana dia hanaiky tsy hanelingelina. Ny azy aza mbola tao anaty fitondrana izay voafidy mazava eran’ny Madagasikara, dia « nohelingelenina ». Sanatria tsy mamporisika fa mahita sy mandinika ary miresaka @ mpomba ny andaniny sy ny ankilany momba ny fandehan’ny toe-draharaha ankehitriny. Ka sarotra ny inoako hoe hisy hihaino ny antsonareo, indrindra indrindra fa ankehitriny dia tsy misy zavatra zavatra mandeha eto amintsika.

    « Aoka tsy hohadinointsika fa ireo tena maro an’isa, ny any ambanivohitra rehetra any, ireo tsy an’asa, tsy misy ny harapaka, no mibaby ny vokatr’izao fitarozahan’ny krizy izao, nefa tsy afaka manambara akory ny heviny. » => Ny tena marina angamba dia raha nahatanteraka ny adidy tokony nataonareo ianareo, ary tsy niandany t@ atsy na ny aroa, ary nijery @ maha olom-pirenena anareo dia tsy ho nisy ny krizy. Fanamarihana : Maika nitombo ankehitriny ny isan’ireo tsy an’asa sy ny mahantra. Be ny nanantena vary 500 Ar/kg sy ny menaka @ vidiny mora 2000 Ar/l. Ny asa tsy misy, ny vokatra tsy misy mpividy, ingahy rainy kely any parisy no manao fety fitsingerenan’ny taonany... ao anaty fiainam-pirenena avokoa izany tompoko.

    « Ary ho lesona ho antsika rehetra anie izao toe-draharaha mampalahelo izao... » => Ny lesona voalohany angamba dia ho anareo SEFAFI izay nantenain-kanirina nefa indrisy fa nandiso fanantenana. Tsy vitanareo ny adidinareo. Hindramiko ny tenin’i Rfd2001 hoe : « Hampafantaro ny olom-pirenena tsirairay aloha ny atao hoe : Fanjakana tan-dalana, Fiandrianam-pirenena, [ary ampiako hoe demokrasia]. Mino aho fa raha hain’ny olom-pirenena tsirairay (N.B : Mpanao politika na miaramila na olon-tsotra) ireo dia tsy ho tonga amin’izao isika ».

    « ...ka tsy ho isika intsony ilay vahoaka mpiasabe diso be fandeferana toa mbola voazanaka... » => Tsara ilay teny, saingy ny vahoaka tompoko dia natao hiasa mba hamelona ny fireneny, mazava angamba raha mbola afaka mandray ny karama be ny HAT ankehitriny (raha etsy andaniny, maro no very asa sy matory tapa-kibo !) noho ireo ezaka isankarazany t@ fampidiran-ketra teo aloha. Ary tsy be fandeferana tompoko ny vahoaka fa tapenam-bava @ basy sy ny « demokrasia vangavanga ». Mazava ihany koa ny fidiran’ny frantsay @ fampandriana adrisa sy ny fanerena isankarazany mba haneken’ny malagasy rehetra an’io fitondrana nanao fandrobana io, koa aza matahotra, fa matoa misy ny fanelingelenana dia satria maro no tsy manaiky ho voazanaka. Fanamarihana : Nahoana no 18 martsa no voatendry sy tonga teto ny ambasadaoro frantsay, izay hany ambasadaoro nanaiky ny hamangy an’ingahy rajoelina tao Ambotsirohitra ? Ary nahoana no lasan’ny total tampoka teo ny famokarana ny solika ao bemolanga ? Fiainam-pirenena izany tompoko, ka indramiko ny tenin’i rasta hoe « LAZAO IZAY TIANAREO ATAO FA AZA BE ANGOLAVAITRA E ».

    Soava tsarà tompoko, fa raha izaho dia tsy hanam-pitokisana aminareo SEFAFI.

    Misaotra tompoko.

  • 16 juin 2009 à 16:21 | Mandimbisoa (#2104)

    Misaotra anareo nanao ny antso avo,ny fanotaniako d izao:nahoana re no efa andohalika ny ranombary vao taitra ianareo,
    raha nomena fahefana hijery sy handinika ianareo,nahoana no tsy nanao antso avo teo aloha manameloka ny fanonganana na farafaharatsiny nilaza tamin’izy ireo fa ny LALANA d ny fiandrasana ny fifidianana manaraka ???
    EFA TARA LOATRA HOY MAHALEO IZAY

  • 17 juin 2009 à 08:04 | hafatra (#1895)

    « Eo am-pelatananareo mpanao politika ny ain’ity Firenena ity, dia ianareo ankolafin-kery na « mouvances » efatra, notsongaina tao anatin’ny maro izay mba mahefa ihany koa. Fa ianareo no nomem-boninahitra, nametrahana fitokisana fa hahita vahaolana haingana hivoahana amin’izao krizy izao »

    Raha tena sehatra fanarahana marina ny SEFAFI nahoana no afantoka amin’ny politika fotsiny ny fiainam-pirenena.Toa milaza ry zareo fa ny mpanao politika no « orin’asa » mpamokatra hasambarana ho an’ny vahoaka.Toa manome toerana tsy sahaza azy ianareo.Ny politika hatramin’izay nampisy azy teto dia manakorontana sy mampizarazara ny herim-bahoaka , misavoritaka sy miparitaka ny herintsaina, herimpo,herimpanahy.Ny sary hita amin’izao toe-javatra izao dia ny valala an-karona.
    Ny toro-hevitra na antso atao aminareo dia ny fanohizanareo SEFAFI ny fanazavana sy ny fanentanana ny olona tsirairay ,indrindra any ambanivohitra any (araka ny filazanareo) izay tena mbola lavitry ny politika tokoa , hazavao ny zony , ny demokrasia sy ny fanehoan-kevitra malalaka, ny atao hoe fanjakana tan-dalána,ny andraikitra sy asa azo andrasana amin’ny mpanao politika,ny repoblika......
    Ny zava-misy hatramin’izay dia na dia mandeha mifidy aza izy ireo dia toa tsy manan-tsafidy ,na hoe mifidy tsy fidiny ,satria rehefa akaiky fifidianana ihany indraindray ny mpanao poltika vao tonga mitsidika azy , dia mampanantena tantely sy ronono izay adino rehefa voafidy izy.
    Araho maso ny tena fiainam-pirenena any am-potony , any amin’ny tena vahoaka ,satria natao ho azy ny fiainam-pirenena ,satria izy ireo no tena mpanjaka , izay no tena demokrasia , manjaka vahoaka.Ny mpanao politika dia olona mpanompo firenena sy ny vahoakany fa tsy natao ho tompoina, tsy natao hamitaka azy .

  • 17 juin 2009 à 08:37 | Mandimbisoa (#2104)

    Miarahaba

    izao ary :ny hetahetan’ny vahoaka légalistes d ny fiverenan’ny filoha sy ny famoahana ireo nosamborina toy an’i Manandafy sy ny namany mba hikao-ndoha hiaraka ,hijery izay mety atao hampandroso ity firenena ity,

    Ny fanotaniako dia izao:Ekenareo ve ny lazain’ny hat fa tsy mila ny filoha hiverina izy ireo ???

    KANEFA

    aminay mantsy ,tsy misy raharaha vanona eto raha tsy mifampiraharaha aminy na fara-faharatsiny amin’ny 1er ministra notendreny d i Manandafy izany,koa d manasa anareo handinika ny zava misy fa mandeha ihany ilay fotoana ,ny olona mia-mijaly andro aman’alina !

    Misaotra tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS