Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 13h17
 

Diaporama

Amboarampeo Washington DC

Antsampanahy 14 desambra 2013

mardi 17 décembre 2013

Tanteraka soa aman-tsara tamin’ny Asabotsy 14 Desambra 2013 lasa teo ny Antsampanahy lehibe nokarakarain’ny Amboarampeo Washington DC. Na dia tao aza ny andro ratsy noho ny filahatsahan’ ny ranomandry dia tsy nanakana ny olona ho tonga maro be izany. Ary betsaka ary ireo olona tonga avy lavitra nanotrona azy ireo, na Malagasy izany na vahiny tsy mahafoy an’I Madagasikara.

Nandona ny fon’ny olona ny fankalazana ny Krismasy nataon’ny Amboarampeo Washington DC satria dia nahitana gadon-kira maro samihafa toy ny hira ba-gasy narahina Valiha sy ny korintsana ; ary ny hira Klasika izay hiran’ireo mpamoronkira malaza izay nataon’izy ireo tao toy ny hiran’I Antonio Vivaldi, Georges Frideric Handel, Wolfgang Amadeus Mozart, sy John Rutter.

Nony vita ny Antsampanahy dia nitohy tamin’ny Gala Evangelique izay nandraisan’ireo ankizy, tanora, ray aman-dreny mpiara-monina ao Washington DC anjara.

Ny Amboarampeo Washington DC moa Antoko Mpihira ao anatin’ny “Fiangonana Malagasy Kristiana Washington DC” izay fiangonana iraisam-pinoana ao Amerika Avaratra.

Lanto R.

(sary Amboarampeo Washington DC)

Portfolio

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS