Miarahaba ny mpitsidika rehetra sy ny mpamaky ity sehatra ity ny tenako. Tena tsy mpanao politika mihitsy ary tsy haneho hevitra politika akory no idirako etoana fa amin’ny maha olom-pirenena tsotra ihany. Samia isika mba mihevitra tsara ; Iaraha-mahita ny tsy mety ataon’ny Filoha Ravalomanana, ary heveriko fa anatra lehibe ho azy ny fisian’ny toe-java-misy toy izao mba hanitsiany ny diany, kanefa kosa, ny firenentsika dia tena very hasina tanteraka sy voahosihosy satria raha heverina fa tsy nahavita na inona na inona tsara mihitsy izy ka Haongana (esorina tsy ara-dalana) no tena mety aminy dia jereo fa isika ihany no manitsaka ny lalana velona sy ny lalam-panorenana eto amintsika, noho izany dia firenena gaboraraka sy ts misy fotony ny firenentsika, jereo anie ny firenen-kafa e, ankoatry ny aty Afrika, raha mba misy manao toy izany e ? Tadidio fa ny fanonganam-panjakana dia heloka eo anoloan’ny Lalam-panorenana manan-kery eto amin’ny firenena ary hitondra ozona hoan’ny tanindrazana. Any an-kafa, ny olona miandry fifidianana dia maneho ny heviny amin’ny alalan’ny latsa-bato, isika kosa manao amboletra hatrany ka minia manitskitsaka ny lalam-panorenana, izay isika ihany no nandany azy tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka. Amiko dia tsotra. hajao ny mandat-an’ny mpitondra am-perinasa,rehefa tonga kosa ny fotoam-pifidianana dia tokony haneho malalaka ny safidiny ny olom-pirenena ka hametraka indray izay heveriny fa tokony hitondra . Izaho tsy Mpanohana an’-dRavalomanana fa manaja azy amin’ny maha-Filoha am-perinasa azy, saingy tsy eken’ny saiko sy ny eritreritro mihitsy ny fanonganam-panjakana toy izao satria tena manimba sy manapotika ny firenena iray manontolo.
Jereo fotsiny fa isaky ny misy fihetsiketsehana dia tsy maintsy misy fandrobana, fangalarana, herisetra... Izay ve no tiana hitaizana sy hanazarana ny vahoaka malagasy ka isaky ny haneho hevitra dia tsy maintsy hidina an-dalam-be, handroba, handoro, hanapotika, sns ?
heveriko fa hendry ny malagasy rehetra ka hisaina sy hieritreritra tsara mialohan’ny hirosoana lalina ny amin’ny zavatra hatao. Tsarovy tsara fa tompon’andraikitra isika amin’ny zavatra ataontsika, tsy hisy ho afa-maina eo akory ary mba hanao ahoana moa ireo taranaka ao aoriana ? Sa tsy raharahaintsika izireo ? Zava-dratsy ve no hampianarintsika sy omentsika mba hotahafiny ?
Tsarovy ity teniko ity, raha tian’Andriamanitra hiongana io fitondrana io amin’ny alalan’izao zava-misy izao dia hiongana izy, kanefa hiongana koa izay manongana azy eo aoriana kely satria « izay afafy ihany no hojinjaina » !
Am-bava homana am-po mieritreritra !