::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 05h51  :  12°C  :  Clair de lune très nuageux
jeudi 17 mai 2012
 

 > Malagasy

Vakinankaratra

Andron’ny fizahan-tany : Nanao fanamby Vakinankaratra

mardi 28 octobre 2008, par Princia R.

Mila fantarina mazava tsara ny fiovaovan’ny toetr’andro mba ahafahana mitily ara-dalana ny fotoana mahamety ny fotoam-pambolena, na koa hisintonana mpizahan-tany. Toko telo nahamasa-nahandro sy mifampiankina tanteraka ny sakafo, ny famatarana ny toetr’andro ary koa ny fizahan-tany ka izany no antony nahatonga ny fanamarihana iraisana ny faran’ny herinandro teo teto amin’ny faritra vakinankaratra. Ny tahalan’ny kolontsaina teto Antsirabe no nanamarihana ny hetsika dia ny andro maneran-tany hoan’ny sakafo, ny andron’ny famatarana ny toetr’andro ary ny andron’ny fizahantany. Arak’izany lanonana goavana nandritra ny 2 andro izany no nanamarihana ireo hevi-dehibe telo ireo ary natambatra tamin’ny alalan’ny lohahevitra iombonana “vakinankaratra : fanamby ho amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro”.

Diabe namakivaky ny Tanana narahin’ireo cyclo-pousse voahaingo, lanonana sy kabary ofisialy, fampirantiana ireo tanjaky ny faritra tamin’ny alalan’ny tranoheva, famelabelarana narahina ady hevitra, dia lavitra ambisikilety, hetsika ara-java-kanto sy ara-pantanjahan-tena ireo no nanamarika ny hetsika ny 24 sy 25 Ocotbra lasa teo.

Ireo tompon’andraikitra rehetra nadray fitenenana, ny avy ao amin’ny ORTVA, ny Tanana, ny faritra ary ireo ministera voakasika dia samy nanasongadina fa mifampiankina tanteraka ireo toko telo ireo ary tsy misy azo atao z’inona raha samy manana ny tanjona iombonana ny rehetra dia ny asa fampandrosoana ; Tsy tomombana anefa izany raha toa ka mbola misy ny mpanimba ny tontolo iainana satria ireny no miteraka fikorontanan’ny toetr’andro ka manaratsy ny vokatra sy mampiahotra ireo mizahan-tany ho avy aty amintsika, noho izany samy ho tompon’andraikitra ny rehetra eo amin’ny fanafoanana na fanenana ireny mikiry manao habibiana amin’ny zava-boary ireny mba ho tanteraka ny olona ampy sakafo anaty tontolo mahafinaritra hifanerasaerana amin’ny vahiny.

Ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny famatarana ny toetr’andro ny DG avy ao amin’ny Ministetran’ny tontolo iainana ny Ala sy ny fizahan-tany , ny filohan’ny ofisy rejionalin’ny fizahan-tany eto vakinankaratra, ny avy ao amin’ny faritra sy ireo manam-pahefana maro no tonga nanoe voninahitra ity lanonana goavana teto antsirabe ity.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 90  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360