Madagascar Tribune | Akoho tsy naneno tahaka izay lanin'ny kary
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
samedi 19 juillet 2008
 

 > Malagasy

Pierre Houlder

Akoho tsy naneno tahaka izay lanin’ny kary

mardi 29 avril 2008, par Penjy R.
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

Resaka ka atao, fa ny eo ihany no eo. Fihetsika mitory avy hatrany fa tsy ahavita inona intsony ity fitondrana ity no nataon’ingahy Pierre Houlder manoloanan’ny filazan’ny filoha Ravalomanana, fa vita iny ny fifidianana, ka hanomboka amin’izay ny tena asa.

Ny taona 2002 no efa tokony nahitana asa mivaingana teo amin’ity fitondrana ity. Inona no fahefana tsy teo ampelan-tanany ? Vahoaka iza no tsy nifandrombona taminy momba ny asa izay heverina fa ho atao eto ? Ny Arema maro an’isa tao amin’ny antenimieran-doholona aza tsy sahy nihetsika fa dia nanara-drenirano teny foana, mba ahafahany miasa.

Ny hita anefa toa mihemotra hatrany ny fiainam-pirenena. Miha-mahantra ny vahoaka, ary latsaka any amin’ny laharan’ny firenena mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara tao anatin’izay enin-taona izay. Akoho tsy naneno tahaka izay lanin’ny kary hoy ity mpitarika ao anatin’ny antoko Arema ity. Fandemena saim-bahoaka sisa no hita, satria fotoana tokony hiotazana vokatra izao, fa tsy vao hamafy indray.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    avril 2008   
    L Ma Me J V S D
      1 2 3 4 5 6
    7 8 9 10 11 12 13
    14 15 16 17 18 19 20
    21 22 23 24 25 26 27
    28 29 30        
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP