Tsy vao izao no nisian’ny Mpianatry ny Oniversiy nifamono fa efa hatramin’ny nitaizana ny Tanora malagasy hifanavakavaka ! Hazavaiko ny amin’izany :
Fony aho mboa mpianatra teny Ankatso, efa 35 aona lasa izay, taorian’ny nanombohana ny « Revolisiona sosialista Malagasy » ! Ireo Mpitondra Ambony dia samy nikojakoja ny zanaky ny Faritra na Faritany niaviany, nitsangana izao karazam-pikambanam-piaviana sy fikambanam-poko samihafa izao ! Indray maka dia nisy « Terak’i Tamasina » (safitra Merina-etsimisaraka) namako nivarotra tapakilan’Alim-pandihizana nokarakarain’ny Terak’i Toamasina, somary noteren’io namako io aho ka dia nividy. Nony tonga ny fotoana dia mba namonjy ilay Alim-Pandihizana aho nefa rehefa nodinihin-dry zalahy « Terak’i Toamasina » dia tsy « Terak’i Toamasina » aho fa « hafa » noho izy ireo, araka ny fijerin’izy reo, ary dia tsy navela hiditra fa noroahina, na dia nanana tapakila aza. Natahotra ny sao ho voavona aho, satria kelikely sandry sy tsy mahay miady, dia lasa niampita tery amin’ny sisin’ny araba mifanitsy amin’ilay toerana hanaovana Alim-Pandihizana. Nandalo ilay « Safitra Merina - Betsimisaraka » ka nitaona ahy hiampita, dia notantaraiko azy ny najo ahy ! Tsy nanaiky izy fa nitondra ahy ary niresaka tamin’ireo Mpiadry varavarana ! Saika izy indray no voadaroka, hany herinay mirahalahy nody ! ...
1978, zazalahy avy eto Ankibon’Imerina, somary mafimafy ady nefa dia tokan-dRay sy Reniny namonjy ny Polytecnique vao nosokafana, no namoy ny ainy fa notontan’ny Tanoran’Antsiranana vatobe ny lohany, satria « Malamaloha » na « Borizano »
Rehefa nozarazaraina ho « Bloc » ny Campus Universitaire ka samy nanana ny azy ny Mpianatra isam-piaviana, dia izay no nitaiza sy nitaizana ny Tanora malagasy « avara-pianaana » ho Olomanga hitondra ny firenena ! Amin’ireo Mpanao Politika miseho ho malaza sy manindry vahoaka amin’izao Tetezamitan’Ing. Andry rajoelina izao dia misy Mpianatry ny niversity « VOKATR’IZANY FITAIZANA IZANY » ! Dia jereo ny fihitsoky ny firenena malagasy ao anaty krizy satria tsy mba nsy fitaizana ny « fihavanana » mihitsy natao fa fitaizana ifanavakavahana sy ifanenjehana no nilofosana !
Asa, efa-taona lasa izay (angamba tamin’ny 2007) dia efa rafitra ny ady eo amin’ny SUD-EST sy ny TRIANGLE DU NORD tao amin’ny Oniversiti’i Maninday tao Fianarantsoa ! Maro no nandositra !
LESONA : Izay mamafy rivotra dia mijinja tadio ! Mbola ho avy ny ho mafimafy kokoa atsy ho atsy satria « vnjy tranomay » ihany no ataon’ny Mpanao Politika mibahana fitondrana rehefa mis toa izao ! Mahamenatra ary mahakivy mihitsy, dia jereo izao tsy firaharahiana ny « FAMPIHAVANANA » asehon’ny Mpanao Politika izao !