Madagascar Tribune | Afaka nitsoaka izy roa vavy
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
samedi 19 juillet 2008
 

 > Malagasy

Fakana zaza an-keriny

Afaka nitsoaka izy roa vavy

jeudi 15 mai 2008, par Princia R.
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

Zazavavy roa avy nianatra ny harivan’ny talata no nisy naka an-keriny teo amin’ny làlana Andranomafana. Zazavavy roa tsy mifankafantatra no noraisin’ireo jiolahy telo nisaro-tava, ary rehefa voarainy dia naiditr’izy ireo tao anaty kamiao. Nofatorany ary notapenany ny vavan’ireo ankizy ary napetrany tamina trano lehibe iray tao Vohijanahary, tanàna iray somary lavidavitry ny tampontanàna. Rehefa tonga teny an-toerana dia nasain’ireo jiolahy nomen’ireo ankizy ny laharan’ny telefaonin’ny ray amandrenin’izy ireo ary nambarany fa raha tsy manome Ar 10 000 000 izy ireo dia ho vonoina ireo ankizy amin’ny zoma. Tsara homarihina fa ny findain’ireo ankizy ihany no nandefasan’izy ireo sms tamin’ireo ray aman-dreny tsirairay avy. Nandritra izany rehetra izany anefa dia nanaraka ny vono sy ny famingavingana ary naratra ireo ankizy. Navelany irery tao nandritra ny alina ireo ankizy ary novahany ny fatorana rehetra. Nanita-tsaina anefa izy roa vavy kely ka nopitsohany ilay varavaran-kely ka tafavoaka tao izy roa vavy ary namonjy ny trano fonenany.

Hatramin’ny fotoana nahazoana ny vaovao dia mbola ny ray aman-drenin’ny zaza iray ihany no tonga nametraka fitoriana teny anivon’ny polisy miaraka amin’ilay zaza nalaina ankeriny. Araka ny nambaran’ilay zaza aloha dia tsy nisy ny fametavetana fa nodarohany mafy izy roa vavy. Efa nisy ny fidinan’ny mpitandro ny filaminana teny amin’ilay trano teny Vohijanahary ary efa voasambotry ny mpitandro ny filaminana ny mpiambina ilay trano tamin’ny alina nisehoan’ny fakana an-keriny.

Mbola mitohy ny fanadihadiana amin’ity raharaha ity ary mbola ho entina eto ny fivoarany amin’ny manaraka.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    mai 2008   
    L Ma Me J V S D
          1 2 3 4
    5 6 7 8 9 10 11
    12 13 14 15 16 17 18
    19 20 21 22 23 24 25
    26 27 28 29 30 31  
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP