Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 16h58
 

Malagasy

Bucas Antanimena

15 taona nanaovana asa sosialy

samedi 12 juillet 2008 |  321 visites  | Herimanda R.

10 jolay 1993 - 10 jolay 2008, feno 15 taona katroka afak’omaly ny Bucas na ny « Bureau de Coordination des Actions Sociales » etsy Antanimena. Ny Bucas dia Sampandraharahan’ny EKAR Arsidiosezin’Antananarivo miandraikitra ny fandrindrana sy ny fanentanana ny asa sosialy irotsahany.

Ho fanokafana izany tsingerin-taona izany, nisy ny lamesa narahina atrika asa notanterahina tetsy amin’ny foibeny. Tamin’izany no nahafantarana fa ny fitomboan’ny fahantrana tamin’ny taona 80 no nanosika ny tompon’andraikitra hanangana ity sehatrasa manokana ity. Tsapa fa ny fampivondronana ny hery sy ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpikatroka sosialy no antoka hampahomby ny asa fampivoarana ny fiainan’ny olona. Ny tena asa sahaniny dia mampivondrona ny mpikatroka asa sosialy mba hisian’ny fitoviam-pijery sy ny fiaraha-miasa ka ahafahana mampivoatra marina ny fiainan’ny olona. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo mba hitera-bokatsoa ho an’ny fiaraha-monina ny asany.

« Sahia miasa, sahia miara-miasa »

« Sahia miasa, sahia miara-miasa, aoka isika hiara-hiasa hifanome tànana ka hanampy ny mpiara-belona amintsika indrindra fa ireo olona sahirankirana amin’ny fivelomana », hoy ny filohan’ny Antenimiera-mpirenena, Jacques Sylla , tamin’ny lahateny nataony.

Manentana ny tsirairay izy hitozo hatrany amin’ny asa. Izany hafatra izany dia miantefa ihany koa amin’ireo mpikatroka eo aniovon’ny Bucas. Efa mahatratra 217 ankehitriny ny seha-pikatrohana mivondrona amin’ny tambajotran’ny Bucas. Misokajy amin’ny sampan’asa samihafa izy ireo : ny fahasalamana, ny fanabeazana sy ny fanofanana arakasa, ny fampivoarana ny fivelomana ety andrenivohitra, ny fampivoarana ny fivelomana eny ambanivohitra, ny fifandraisana amin’ny mpiara-belona, ny fiarovana ny fahamarinana sy ny zon’olombelona ary ny vonjy voina. Miasa eto amin’ny Faritr’Analamanga, ny faritra sasany amin’ny faritra Vakinakaratra sy ny Faritr’Itasy moa ity Birao ity. Mbola hitohy anio ny fankalazana amin’ny alàlan’ny atrik’asa andraisan’ireo sampana misy eo anivon’ny Bucas

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS