::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::   Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!  ::::
lundi 6 juillet 2009
 

 > Malagasy

NOSY BE

14 taona dia efa mivaro-tena

vendredi 13 juin 2008
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail
JPEG - 43.8 ko

Maro no voarebirebin’ireo vazaha ny tovovavy malagasy.

Zazavavy kely vao 14 taona dia efa mivaro-tena ao Nosy Be. Tsy misy fahamenarana intsony. Tsy misy fepetra matotra rahateo raisin’ny tompon’andraikitra ao an-toerana.

Mahakivy ny mijery ny fiainan’ny mponina ao Nosy Be. Vitsy ny olona tena manana anton’asa, zara raha misy mpianatra any an-tsekoly. Mampalahelo ny fahitana zazavavy kely, mivaro-tena, misarangotra vazaha isan’alina. Voatavo tsy mifandraka tokoa satria misy vao 14 taona monja. Fa ny tena mahavariana dia ny valintenin’izy ireo rehefa anontaniana ny antony hanaovany io asa io. « Mila vola hanaovana bazary izahay, io no loharanom-bola aingana indrindra », hoy ny famaliny.

Manano jaloky !

Mamporisika hivaro-tena daholo na ny ray aman-dreny , eny fa na ny vady aza. Zary lasa fomban’ny lehilahy ao an-tanàna ny manatitra ny vadiny, na ny sakaizany eny amin’ny « bar ». « tsy olana aminay ny andehanan’ny vadinay mivaro-tena satria maro aminay no tsy manana asa ». Lasa fitaovana tanteraka ny vehivavy, saingy tsy misy mitaraina. Marina fa tsy misy asa ao an-toerana, saingy voamarika fa malaina ihany koa ny mponina. Mahamenatra azy ireo ny mamboly sy miompy, kanefa ny fari-pahaizana tsy lasa lavitra loatra. Ny « business » ihany no mahaliana ny olona.

Aiza Ra-fanjakana ?

Mpizahatany 1000 isan-kerinandro farafaha-keliny no mitsidika an’i Nosy Be. Mitobaka ny vola vahiny, ary roboka tanteraka ny mponina. Ireo vahiny koa manararaotra satria gaboraraka ny fampiharana ny lalàna. Fanapahan-kevitra farany noraisin’ny tompon’andraikitra any an-toerana, volana vitsivitsy izao, ny fanidina ny « bar » amin’ny 12 ora alina, saingy misokatra foana kosa ny trano fandihizana. Tsy misy fisavana karapanondro, afaka misotro zava-pisotro misy alikaola daholo na ny kely na ny lehibe. Manodidina ny 50 euros ny saran’ny fivarotan-tena, araka ny fanazavan’ireo zazavavin’ny alina. Saingy rehefa tsy mandeha ny varotra, dia misy manaiky na sarana fahana finday ihany aza.

Mi.R

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail   
 
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


Publicité sur Madagascar-Tribune.com
Fleur d'école
mai 2008   juin 2008   juillet 2008
L Ma Me J V S D
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
 
Nouvelle Frontieres Vols

Visiteurs connectés : 558  


Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
Découvrez aussi : Xbox 360