::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 05h51  :  12°C  :  Clair de lune très nuageux
jeudi 17 mai 2012
 

 > Malagasy

Bazary Ankirihiry

10 tapitrisa Ar. avy amin’ny filoha nasionaly TIM

vendredi 12 septembre 2008, par Gilbert R.

Vola mitentina 10 tapitrisa Ariary no natolotry ny filohan’ny Antenimieran-doholona no sady filoha nasionalin’ny antoko TIM, Yvan Randriasandratriniony, entina hanampiana ireo olona traboina noho ilay haitrano mahatsiravina nitranga tao amin’ny bazary Ankirihiry, ny alarobia faha 10 septambra 2008 . Nampahery ireo fianakaviana maro niaran-doza ny tenany ary nankasitraka ihany koa ny fisian’ny firaisan-kina teo amin’ny mpitondra fanjakana any an-toerana nifanome tànana sy tsy nikely soroka tamin’ny fitadiavana ny vaha olana rehetra entina nanampiana ireo niaram-boina.

Hafatra avy amin’ny Filoham-pirenena

Taorian’ny fisaorana manokana ny filoha nasionalin’ny antoko TIM tamin’izao fihetsika feno fifankatiavana nasetriny ny vahoakan’i Toamasina izao, dia nitondra hafatra manokana avy amin’ny filoham-pirenena, Ravalomanana Marc, ny minisitry ny Fitaterana sady mpiahy ny faritra Atsinanana, Botozaza Pierrot. “Mankahery antsika mandrakariva ary manaraka akaiky izao fahavoazana izao ny filoham-pirenena”. “Amboarina ity toerana ity ka izy no hitondra izany”. Nambaran’ny minisitra moa fa hanome fomba malaky hanatsarana ity toerana ity ny filoham-pirenena mba hananany endrika manara-penitra, na eo amin’ny lafiny tsena izany na amin’ny fonenana ihany koa

Taorian’ny fijerena akaiky ny toerana nisy ireo trano may an-jatony tao Ankirihiry, dia nizaha ny ampahany amin’ireo traboina mitoby eny amin’ny kianja mitafo “Soavita” ny filoha nasionaly TIM sy ny minisitra mpiahy, notarihin’ny lehiben’ny faritra Atsinanana, Andriamorasata Julien sy ny loholona, Bezara Manasé, niaraka tamin’ireo mpitondra isan-tsokajiny eto an-toerana.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 66  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360